Scripture Stories
Abisa


“Abisa,” Tantara ao amin’ny Bokin’i Môrmôna (2023)

Almà 17–19

Abisa

Manampy ny olony hino an’i Jesoa

Sary
I Abisa mandalo tanàna kely iray

Niasa ho an’ny mpanjakavavy Lamanita iray i Abisa. Nianatra momba an’i Jesoa Kristy avy tamin’ny fahitana iray hitan’ny rainy i Abisa. Nandritra ny taona maro dia nino an’i Jesoa izy ary naniry ny hanaraka Azy. Saingy tsy mbola nolazainy tamin’ny Lamanita hafa izany.

Almà 19:16–17

Sary
I Abisa mijery ny mpanjakavavy sy ny mpanjaka ary i Amôna

Indray andro dia nisy Nefita iray antsoina hoe Amôna tonga tao amin’ny fanjakana mba hampianatra ny Lamanita momba an’i Jesoa sy Andriamanitra. Nino ny zavatra nampianarin’i Amôna ny mpanjakavavy sy ny mpanjaka. Fantatry ny mpanjakavavy sy ny mpanjaka fa ho avy ety an-tany i Jesoa ary hanao izay hahavoavela heloka an’ireo izay rehetra mino Azy.

Almà 17:12–13; 18:33–36, 39–40; 19:9, 13

Sary
Mijery ny olona rehetra mianjera amin’ny tany i Abisa

Nahatsapa ny Fanahy Masina ny mpanjakavavy sy ny mpanjaka ary faly aoka izany ka lavo tamin’ny tany. Nianjera ihany koa i Amôna sy ireo mpanompo. I Abisa irery no nijoro.

Almà 19:6, 13–16

Sary
I Abisa miresaka amin’ny olona maro

Te hilaza amin’ny olona momba io fahagagana io i Abisa. Nanantena izy fa hino ny herin’ Andriamanitra ny olona rehefa nahita ny zava-nitranga. Koa nihazakazaka isan-trano àry i Abisa. Nasainy nandeha hijery izay nataon’ Andriamanitra tamin’ny mpanjakavavy sy ny mpanjaka ny olona.

Almà 19:17

Sary
olona maro no mahita ireo olona tamin’ny tany

Olona maro no tonga tao amin’ny tranon’ny mpanjakavavy sy ny mpanjaka. Gaga izy ireo satria toa maty ny mpanjakavavy sy ny mpanjaka ary ny mpanompony rehetra.

Almà 19:18

Sary
olona mifanditra

Gaga ny vahoaka. Nifanditra ny amin’izay nanjo ny mpanjakavavy sy ny mpanjaka izy ireo.

Almà 19:19–21

Sary
Mandohalika i Abisa ary mihazona ny tanan’ny mpanjakavavy

Rehefa niverina i Abisa, dia nahita ireo vahoaka nifanditra. Nalahelo izy satria tsy nahita ny herin’ Andriamanitra izy ireo. Dia nandray ny tànan’ny mpanjakavavy izy, ary nitsangana ny mpanjakavavy ka nidera an’i Jesoa.

Almà 19:28–29

Sary
ny mpanjaka sy ny mpanjakavavy mijoro miaraka amin’i Abisa sy i Amôna

Noraisin’ny mpanjakavavy tamin’ny tanany ny vadiny dia nitsangana izy. Nilaza tamin’ny olona momba an’i Jesoa ny mpanjaka. Avy eo dia nitsangana i Amôna sy ireo mpanompo hafa. Nilaza tamin’ny olona izy rehetra fa nanova azy ireo i Jesoa. Tsy te hanao zavatra afa-tsy ny tsara izy ireo izao. Betsaka ny olona nino azy ireo.

Almà 19:29–36

Sary
I Abisa sy ny mpanjakavavy ary ny mpanjaka mijery batisa

Araka ny nantenain’i Abisa, dia hitan’ny olona ny herin’ Andriamanitra. Olona maro no nino an’i Jesoa sy natao batisa. Nanana ny Fanahin’ Andriamanitra niaraka taminy izy ireo. Nanorina ny Fiangonana teo amin’ny taniny mihitsy aza izy ireo. Hitan’izy ireo fa manampy izay mibebaka sy mino Azy i Jesoa.

Almà 19:17, 31, 35–36