Scripture Stories
I Môzià sy i Zenifa


“I Môzià sy i Zenifa,” Tantara ao amin’ny Bokin’i Môrmôna (2023)

Ômni 1; Môzià 9

I Môzià sy i Zenifa

Narovan’ny Tompo

Sary
I Môzià mitarika ny vahoaka

Nisy ady maro teo amin’ny Nefita sy ny Lamanita. Indray andro dia nangatahin’ny Tompo ny Nefita iray nantsoina hoe Môzià mba handao ny tanin’i Nefia miaraka amin’izay olona mety hanaiky hanaraka ny Tompo.

Ômnia 1:10, 12

Sary
I Môzià mitazana ny tanàna

Maro ireo Nefita izay nankatò ny Tompo ka niara-nandeha tamin’i Môzià. Notarihin’ny Tompo izy ireo ho any amin’ny tany iray izay efa nisy mponina. Nantsoina hoe vahoakan’i Zarahemlà izy ireo.

Ômnia 1:13–14

Sary
I Môzià miresaka amin’ny vahoaka

Ny vahoakan’i Zarahemlà koa dia avy tany Jerosalema taloha ela be. Faly izy ireo fa nandefa ny Nefita ny Tompo niaraka tamin’ny takela-barahina. Nitambatra tamin’ny vahoakan’i Zarahemlà ny vahoakan’i Môzià. Nisafidy an’i Môzià ho mpanjakany ny vahoaka rehetra. Nampianatra azy ireo momba ny Tompo izy.

Ômnia 1:14–19

Sary
I Zenifa mitarika ny vahoaka

Efa nipetraka tao Zarahemlà nandritra ny fotoana elaela ny Nefita rehefa nisy vondrona lehibe anankiray niverina nankany amin’ny tanin’i Nefia. Notarihin’ny Nefita iray nantsoina hoe Zenifa izy ireo.

Ômnia 1:27–29; Môzià 9:3–5

Sary
Mpanjaka Lamanita miteny

Tamin’izany dia nipetraka ao amin’ny tanin’i Nefia ny Lamanita, ka nanontany ny mpanjakan’izy ireo i Zenifa raha toa ka afaka ny hipetraka ao koa ny vahoakany. Nanaiky ny mpanjaka.

Môzià 9:6–10

Sary
Lamanita manafika

Nofitahin’ny mpanjaka i Zenifa sy ny vahoakany. Navelany nipetraka tao amin’ny tanin’i Nefia izy ireo mba hahafahany maka ny ampahan’ny sakafon’izy ireo sy ny bibin’izy ireo aty aoriana. Nipetraka tao nandritra ny taona maro ny vahoakan’i Zenifa. Namokatra sakafo betsaka sy nanana biby maro izy ireo. Avy eo ny Lamanita dia nanafika azy ireo sy niezaka naka ny sakafon’izy ireo sy ny bibin’izy ireo.

Môzià 9:10–14

Sary
Ny vahoakan’i Zenifa nandresy tamin’ny ady

Nampianatra ny vahoakany mba hatoky ny Tompo i Zenifa. Rehefa tonga ny Lamanita hiady amin’izy ireo, dia nivavaka tamin’ny Tompo i Zenifa sy ny vahoakany. Nanome hery azy ireo ny Tompo sy nanampy tamin’ny fiarovana azy ireo. Nahavita nandroaka ny Lamanita izy ireo. Nitahy an’i Zenifa sy ny vahoakany ny Tompo noho ny finoan’izy ireo.

Môzià 9:15–18