Scripture Stories
I Ismaela sy ny fianakaviany


“I Ismaela sy ny fianakaviany,” Tantara ao amin’ny Bokin’i Môrmôna (2023)

1 Nefia 7

I Ismaela sy ny fianakaviany

Hirotsaka hanao ilay dia mankany amin’ny tany nampanantenaina

Sary
I Nefia sy ireo rahalahiny mandeha an-tongotra eo amoron’ny renirano iray eo am-podian’ny masoandro

Nipetraka irery tany an-tany foana ny fianakavian’i Lehia sy i Sarià. Indray andro dia niteny tamin’i Lehia ny Tompo mba handefa an’i Lamàna, i Lemoela, sy i Samy, ary i Nefia zanany lahy mba hankany Jerosalema. Nirahina tany izy ireo mba hangataka an’i Ismaela sy ny fianakaviany mba hiara-dia amin’izy ireo. Afaka miaraka mitaiza zanaka any amin’ny tany nampanantenaina ny fianakavian’izy ireo.

1 Nefia 7:1–3

Sary
I Nefia miresaka amin’ny fianakavian’i Ismaela

Naniry hanaraka ny Tompo i Ismaela sy ny fianakaviany. Nino izy ireo fa ny Tompo dia naniry azy ireo handeha ho any amin’ny fianakavian’i Lehia sy i Sarià. Nisafidy ny handao an’i Jerosalema sy hihaona amin’i Lehia any an-tany foana izy ireo.

1 Nefia 7:4–5

Sary
I Lamàna sy i Lemoela miresaka

Rehefa teny an-dalana dia nisy olona sasany tsy te hankatò intsony. Te hiverina any any an-tranony izy ireo. Nangataka azy ireo i Nefia mba hanana finoana ny Tompo.

1 Nefia 7:6–13

Sary
I Nefia nafatotra teo amina hazo

Nilaza i Nefia fa afaka manatanteraka ny zava-drehetra ny Tompo raha toa ka manana finoana izy ireo. Tezitra anefa i Lamàna sy i Lemoela. Nofatoran’izy ireo i Nefia ary naniry ny hamela azy any an-tany foana izy ireo.

1 Nefia 7:12, 16

Sary
Ireo zanakavavin’i Ismaela miaro an’i Nefia

Nivavaka mba hahazo fanampiana i Nefia. Lasa nivaha ho azy ny tady ary nitsangana i Nefia. Saingy mbola naniry ny handratra azy foana i Lamàna sy i Lemoela. Niaro an’i Nefia ny iray tamin’ireo zanakavavin’i Ismaela. Niaro azy koa ny reniny sy ny iray tamin’ireo anadahiny. Nihaino azy ireo i Lamàna sy i Lemoela ka nitsahatra tsy nanandrana nandratra an’i Nefia.

1 Nefia 7:17–19

Sary
I Lamàna sy i Lemoela mandohalika eo anoloan’i Nefia

Nahatsapa alahelo noho ny zavatra nataony i Lamàna sy i Lemoela. Nangataka an’i Nefia izy ireo mba hamela azy ireo. Namela ny rahalahiny i Nefia. Avy eo dia nivavaka i Lamàna sy i Lemoela ary nangataka ny Tompo mba hamela azy ireo.

1 Nefia 7:20–21

Sary
I Lehia sy i Ismaela mijery ny fianakavian’izy ireo

Samy nanohy ny diany avokoa izy ireo ka tonga soa aman-tsara tany amin’ny trano lain’i Lehia sy i Sarià. Nony farany dia tafaraka ireo fianakaviana roa tonta. Nisaotra ny Tompo sy nitsaoka Azy izy ireo.

1 Nefia 7:21–22