Scripture Stories
Ny hazo oliva


“Ny hazo oliva,” Tantara ao amin’ny Bokin’i Môrmôna (2023)

Jakôba 5–6

Ny hazo oliva

Ny fitiavan’ Andriamanitra ho an’ny olony

Sary
Sarina hazo oliva izay aseho eo am-piresahan’i Jakôba

Mpaminanin’ Andriamanitra i Jakôba. Naniry ny hampianatra ny Nefita momba ny halehiben’ny fitiavan’ Andriamanitra ny olony izy. Notantarain’i Jakôba tamin’izy ireo ny tantara iray momba ny tanimboly iray misy hazo oliva. Niara-niasa tamin’ny fikarakarana ilay tanimboly ny Tompon’ny tanimboly sy ireo mpanompony.

Jakôba 5:1–4, 7; 6:4–5

Sary
Mihady ny tany amin’ny alalan’ny angady eo akaikin’ilay hazo oliva ny Tompon’ny tanimboly

Nanana hazo oliva miavaka iray izay namokatra voa tsara ny Tompon’ny tanimboly. Nilaza i Jakôba fa io hazo io dia tahaka ny vahoakan’ Andriamanitra, na ny mpianakavin’i Isiraely. Ny voa dia maneho ireo zavatra ataon’ny olona. Nikarakara tsara io hazo io ny Tompo. Nampiany izany mba hitombo tamin’ny alalan’ny fikolokoloana ny fakany sy ny fanapahana ireo rantsany. Nomeny izay rehetra nilainy izany mba ho velona indray.

Jakôba 5:1–3, 5; 6:1, 7

Sary
Hazo oliva manomboka ho faty

Taty aoriana dia nanomboka nihamaty ilay hazony manokana. Sampana salama vitsivitsy monja sisa no teo amin’izany. Nampalahelo ny Tompo izany. Tiany izany hanohy hamokatra voa tsara hatrany.

Jakôba 5:3, 6–8

Sary
Manapaka sy manala ireo sampana salama ny Tompon’ny tanimboly

Mba hamonjena ireo sampana salama dia nesorin’ny Tompo izany ary napetany teny amin’ny hazo hafa. Avy eo dia nosoloiny sampana salama hafa avy amin’ireo hazo hafa izy ireo.

Jakôba 5:7–14

Sary
Mikarakara ireo hazo oliva ny Tompon’ny tanimboly sy ireo mpanompo

Fotoana elaela no lasa. Nitsidika ilay tanimboly matetika ny Tompo sy ny mpanompo. Nikarakara ilay hazo manokan’ny Tompo izy ireo. Nikarakara ihany koa ireo sampana manokana izay naparitaka teny amin’ireo hazo rehetra nanerana ilay tanimboly izy ireo. Ny ankamaroan’ny voa izay vokatra dia tsara. Nahafaly ny Tompo sy ny mpanompony ny voa tsara.

Jakôba 5:15–29, 31

Sary
Miresaka momba ireo hazo oliva amin’ny mpanompony ny Tompon’ny tanimboly

Fotoana fohy taty aoriana dia namokatra voa betsaka kokoa ny hazo tsirairay avy. Saingy ratsy avokoa ny voa rehetra tamin’izay. Tena nalahelo ny Tompo. Tsy te hamoy ny tanimboliny na ny voa avy aminy izy! Niasa mafy izy mba hanampiana ireo hazony. Nanontany tena izy hoe inona koa ny zavatra azony atao. Niresaka tamin’ny mpanompony izy ka nisafidy ny hanohy ny ezaka aloha.

Jakôba 5:29–51

Sary
Mpiasa manapaka sy manala sampana salama

Mba hamonjena ny tanimboliny dia nasain’ny Tompo nangonina ireo sampana izay nesorina avy amin’ilay hazo manokana. Nasainy napetaka indray teo amin’ilay hazo manokana izany.

Jakôba 5:51–60

Sary
Apetaka eo amina hazo oliva hafa ireo sampana salama

Io no fotoana farany hiasan’ny Tompo ao amin’ny tanimboliny. Niantso mpanompo hafa Izy mba hanampy. Niara-niasa ny rehetra mba hanangona sy hametaka ireo sampana.

Jakôba 5:61–72

Sary
Sampana hazo oliva salama misy voa

Nikarakara ireo hazo rehetra izy ireo. Nesorin’izy ireo ny sampana ratsy ary najanon’izy ireo ireo tsara. Fotoana elaela taty aoriana dia namokatra voa tsara indray ilay hazo manokan’ny Tompo. Namokatra voa tsara tahaka ny avy amin’ilay hazo manokana ihany koa ireo hazo hafa. Faly ny Tompo. Voavonjy avokoa ny hazony! Samy namokatra ny voa niriny ho azo izy rehetra.

Jakôba 5:73–75

Sary
Mijery ny hazo oliva salama lehibe iray ny Tompon’ny tanimboly sy ireo mpanompo

Nisaotra ireo mpanompo ny Tompo. Nilaza tamin’izy ireo izy fa voatahy izy ireo noho ny fiasan’izy ireo mafy sy ny fitandreman’izy ireo ny didiny. Nozarainy tamin’izy ireo ny voa, ary nahafaly fatratra azy ireo izany. Nankafy ny voa nandritra ny fotoana ela ny Tompo.

Jakôba 5:75–77

Sary
Sarin’i Jesoa Kristy izay aseho eo am-piresahan’i Jakôba

Namarana ilay tantara momba ny hazo oliva i Jakôba. Nampianariny ny olona fa Andriamanitra dia mikarakara azy ireo tahaka ny fikarakaran’ny Tompon’ny tanimboly ny hazo olivany. Nangataka ny olona tsirairay avy mba hibebaka sy hanakaiky kokoa an’ Andriamanitra i Jakôba. Nampianatra azy ireo hitia sy hanompo an’ Andriamanitra izy satria Andriamanitra dia vonona ny hanolo-tanana lalandava mba hanampy azy ireo.

Jakôba 6:1–5, 7, 11