Scripture Stories
Mikasika ny Bokin’i Môrmôna


“Mikasika ny Bokin’i Môrmôna,” Tantara ao amin’ny Bokin’i Môrmôna (2023)

Mikasika ny Bokin’i Môrmôna

I Jesoa Kristy sy ny vahoakany tany Amerika

Sary
Jesoa ao anaty hazavana avy any an-danitra

Soratra masina ny Bokin’i Môrmôna. Mampianatra antsika momba ny Tompo Jesoa Kristy sy ny fitsidihana nataony tany Amerika fahiny izany. Afaka mianatra momba ny filazantsaran’i Jesoa isika ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Mampianatra antsika ny fomba hananana fiadanana ankehitriny sy ny fomba ahafahantsika miaina indray miaraka amin’ Andriamanitra sy i Jesoa Kristy indray andro any izany.

Pejin-dohatenin’ny Bokin’i Môrmôna; teny fanolorana ny Bokin’i Môrmôna; 3 Nefia 11

Sary
Mpaminany sy renim-pianakaviana miaraka amin’ny zanany

Nosoratan’ny mpaminanin’ Andriamanitra ny Bokin’i Môrmôna. Nanoratra teo amin’ny pejy vita amin’ny vy, izay nantsoina hoe takelaka, izy ireo. Ireo tantara sy ireo tenivavolombelon’izy ireo dia manampy antsika hino an’i Jesoa. Nanoratra mikasika ireo vondron’olona maro izay nonina tany Amerika fahiny izy ireo.

Pejin-dohatenin’ny Bokin’i Môrmôna; teny fanolorana ny Bokin’i Môrmôna

Sary
I Nefia sy ny fianakaviany eny ambony sambo

Nisy vondron’olona iray dia avy any Jerosalema nankany Amerika tany ho any amin’ny 600 taona talohan’ny nahaterahan’i Jesoa. Izy ireo dia lasa firenena roa lehibe nantsoina hoe Lamanita sy Nefita.

Teny fanolorana ny Bokin’i Môrmôna.; 1 Nefia 1:4

Sary
Jaredita nandao ny tilikambo

Taloha lavitra izany dia nisy vondron’olona iray hafa avy tany amin’ny Tilikambon’i Babela nankany Amerika. Izy ireo dia nantsoina hoe Jaredita.

Teny fanolorana ny Bokin’i Môrmôna.; Etera 1:33–43

Sary
I Samoela mampianatra momba ny fahaterahan’i Jesoa

Nampianatra ny vahoaka ireo mpaminanin’ Andriamanitra. Rehefa nihaino sy nankatò ny didin’ Andriamanitra ny vahoaka dia nanampy azy ireo Izy. Nampianatra momba an’i Jesoa Kristy ireo mpaminany ary nilaza izy ireo fa ho teraka any Jerosalema Izy. Nianatra ireo Nefita sy Lamanita fa hamangy azy ireo i Jesoa aorian’ny fahafatesany.

2 Nefia 1:20; 25:12–14; 26:1, 3, 9; Môzià 3:5–11; Almà 7:9–13; Helamàna 3

Sary
I Jesoa nitsangana tamin’ny maty miaraka amin’ny ankizy

Tonga i Jesoa araka izay efa nolazain’ireo mpaminany. Taorian’ny nahafatesan’i Jesoa sy nitsanganany tamin’ny maty dia namangy ny vahoaka Izy. Navelany ny olona tsirairay hitsapa ny diam-pantsika teo amin’ny tanany sy tongony. Fantatr’izy ireo fa Zanak’ Andriamanitra i Jesoa. Nampianatra ny filazantsarany Izy ary nanoratra izany ny vahoaka. Niresaka momba ny fitsidihan’i Jesoa izy ireo nandritra ny taona maro.

3 Nefia 11:7–15, 31–41; 16:4; 4 Nefia 1:1–6, 13–22

Sary
I Môrmôna miaraka amin’ireo takela-bolamena

I Môrmôna dia mpaminany izay niaina taonjato vitsivitsy taorian’ny fitsidihana nataon’i Jesoa. Nandritra ny androm-piainan’i Môrmôna dia nitsahatra tsy nanaraka ny Tompo ny vahoaka. Nanana ireo asa soratra nataon’ireo mpaminany izay niaina talohany i Môrmôna. Nataony tao anaty amboaran-takelaka iray ny maro tamin’ny asa soratr’izy ireo. Ireo takelaka ireo no lasa ny Bokin’i Môrmôna.

Teny fanolorana ny Bokin’i Môrmôna.; Tenin’i Môrmôna 1:2–9; Môrmôna 1:2–4, 13–17

Sary
I Môrônia mandevina ireo takela-bolamena

Natolon’i Môrmôna an’i Môrônia zanany lahy ireo takelaka talohan’ny nahafatesany. Nandritra ny androm-piainan’i Môrônia dia nanao zavatra tena ratsy ny vahoaka. Naniry ny hamono izay olona rehetra nino an’i Jesoa izy ireo. Naniry ny hanampy ny olona any aoriana i Môrônia ka dia nanoratra misimisy kokoa teo amin’ireo takelaka izy ary naleviny izy ireo mba hitehirizana azy ireo tsara.

Teny fanolorana ny Bokin’i Môrmôna.; Tenin’i Môrmôna 1:1–2; Môrmôna 8:1–4, 14–16; Môrmôna 1

Sary
Ny anjely Môrônia miseho amin’i Joseph Smith

Taona maro tatỳ aoriana, tamin’ny taona 1823, dia nitsidika an’i Joseph Smith i Môrônia izay efa anjely. Nolazain’i Môrônia an’i Joseph ny toerana hahitana ireo takelaka. Niaraka tamin’ny fanampian’ Andriamanitra dia nandika izay voasoratra teo amin’ireo takelaka i Joseph.

Teny fanolorana ny Bokin’i Môrmôna; Joseph Smith—Tantara 1

Sary
Mpianadahy mamaky soratra masina

Mandefa ny Fanahy Masina Andriamanitra mba hanampiana anao hahafantatra raha marina ny zavatra iray. Rehefa mamaky ny Bokin’i Môrmôna ianao dia afaka mivavaka sy manontany an’ Andriamanitra raha marina izany. Amin’ny alalan’izany fomba izany ihany koa no ahafahanao mahafantatra fa i Jesoa no Mpamonjy anao ary tia anao Izy.

Teny fanolorana ny Bokin’i Môrmôna.; Môrônia 10:3–5