Scripture Stories
I Gideôna sy i Almà ary i Nehôra


“I Gideôna sy i Almà ary i Nehôra,” Tantara ao amin’ny Bokin’i Môrmôna (2023)

“I Gideôna sy i Almà ary i Nehôra,” Tantara ao amin’ny Bokin’i Môrmôna

Almà 1

I Gideôna sy i Almà ary i Nehôra

Miaro ny fahamarinana amin’ny alalan’ny tenin’ Andriamanitra

Sary
I Almà zanany mihaino ny rainy

Nisafidy an’i Almà Zanany mba ho lohan’ny mpitsara teo anivon’izy ireo ny Nefita. Mpisorona avon’ny Fiangonana ihany koa i Almà.

Môzià 29:41–44

Sary
I Nehôra manondro ny lanitra

Nisy lehilahy iray nantsoina hoe Nehôra izay nanomboka nampianatra ny vahoaka zavatra iray izay nantsoiny hoe ny tenin’ Andriamanitra. Saingy nampianatra ny vahoaka izy fa tsy voatery hankatò an’ Andriamanitra sy hibebaka izy ireo.

Almà 1:2–4, 15

Sary
Olona mitondra vola eo anoloan’i Nehôra

Olona maro no tia sy nino ny zavatra nolazain’i Nehôra. Tiany ny olona hanome vola azy sy hidera azy. Nihevitra izy fa tsara kokoa noho ny olona hafa. Nanangana ny fiangonany manokana izy ary olona maro no nihaino azy.

Almà 1:3, 5–6

Sary
I Nehôra miady hevitra amin’i Gideôna

Indray andro dia nihaona tamina olona efa zokiolona antsoina hoe Gideôna i Nehôra. Mpampianatra tao amin’ny Fiangonan’ Andriamanitra i Gideôna ary efa nanao zavatra tsara maro. Tian’i Nehôra ny olona hiala amin’ilay Fiangonana, koa dia niady hevitra tamin’i Gideôna izy. Nampiasa ny tenin’ Andriamanitra i Gideôna mba hampisehoana fa tsy nampianatra ny fahamarinana i Nehôra. Tezitra i Nehôra! Novonoiny tamin’ny sabany i Gideôna.

Almà 1:7–9, 13

Sary
I Nehôra miady hevitra amin’i Almà

Nentin’ny vahoaka teo anatrehan’i Almà mba hotsaraina i Nehôra. Niezaka niaro ny zavara nataony i Nehôra. Tsy te ho voasazy izy.

Almà 1:10–11

Sary
I Almà mampahafantatra ny didim-pitsarana

Nilaza i Almà fa ireo fampianaran’i Nehôra dia diso ary mety hanimba ny olona. Nanaraka ny lalàna i Almà. Satria novonoin’i Nehôra i Gideôna, dia nohelohina ho faty i Nehôra.

Almà 1:12–15

Sary
I Almà mieritreritra ny vahoaka

Talohan’ny nahafatesany dia nilaza tamin’ny vahoaka i Nehôra fa nandainga izy. Tsy nampianatra ny tenin’ Andriamanitra izy. Na dia nilaza aza i Nehôra fa diso izy, dia olona maro no nanaraka azy. Nandainga tamin’ny vahoaka mba hahazoana laza sy vola izy ireo. Saingy nihaino an’i Almà kosa ny olona sasany. Nikarakara ny mahantra sy nitandrina ny didin’ Andriamanitra izy ireo.

Almà 1:15–16, 25–30