Scripture Stories
I Benjamina Mpanjaka


“I Benjamina Mpanjaka,” Tantara ao amin’ny Bokin’i Môrmôna (2023)

Môzià 1–5

I Benjamina Mpanjaka

Manompo ny olona sy manompo an’ Andriamanitra

Sary
I Benjamina manoratra eo amin’ny takela-bolamena

Mpaminanin’ Andriamanitra nitondra teo amin’ny tanin’i Zarahemlà i Benjamina Mpanjaka. Niasa mafy izy mba hanompoana ny olony sy hampianarana azy ireo momba an’ Andriamanitra. Niaraka tamin’ny fanampian’ireo mpaminanin’ Andriamanitra hafa, i Benjamina dia nanao izay hahatonga an’i Zarahemlà ho toerana milamina sy azo antoka.

Tenin’i Môrmôna 1:17–18; Môzià 1:1–7

Sary
I Benjamina miresaka amin’i Môzià

Nitombo fahanterana i Benjamina. Nangatahany i Môzià zanany lahy mba hamory ny vahoaka. Te hilaza amin’izy ireo i Benjamina fa i Môzià no ho mpanjakan’izy ireo vaovao.

Môzià 1:9–10

Sary
Fianakaviana ao anaty trano lay

Olona maro no tonga izay avy amin’ny faritra rehetra tao amin’ny tany. Namelatra ny trano lainy teo akaikin’ny tempoly izy ireo mba hihaino an’i Benjamina.

Môzià 2:1, 5–6

Sary
Olona eo akaikin’ny tilikambo

Niresaka avy teo ambonin’ny tilikambo iray i Benjamina mba hahafahan’ny olona maro mandre azy. Nilaza i Benjamina fa nanampy azy amin’ny fitarihana azy ireo Andriamanitra. Amin’ny maha-mpanjaka azy dia nampianariny izy ireo mba hankatò ny didin’ Andriamanitra. Tsy naka ny volan’izy ireo izy na nanao izay hanompoan’izy ireo azy. Fa niasa mba hanompo ny vahoaka sy hanompo an’ Andriamanitra kosa izy.

Môzià 2:7–16

Sary
olona mifanampy

Nilaza tamin’ny vahoaka i Benjamina fa rehefa mifanompo izy ireo dia manompo an’ Andriamanitra ihany koa. Avy eo dia nolazainy izy ireo fa ny zavatra rehetra nananan’izy ireo dia avy amin’ Andriamanitra. Ho valin’izany dia tian’ Andriamanitra izy ireo mba hankatò ny didiny. Rehefa mankatò izy ireo dia hanome azy ireo fitahiana bebe kokoa Andriamanitra.

Môzià 2:17–24, 41

Sary
I Benjamina miresaka miaraka amin’i Môzià eo akaikiny

Nolazain’i Benjamina azy ireo fa tsy afaka ny ho mpanjaka na ho mpampianatra azy ireo intsony izy. I Môzià zanany no ho mpanjakan’izy ireo vaovao.

Môzià 2:29–31

Sary
I Jesoa Kristy manasitrana olona iray

Avy eo dia nolazain’i Benjamina ny vahoaka fa nisy anjely iray nitsidika azy. Nilaza ilay anjely fa i Jesoa Kristy, ilay Zanak’ Andriamanitra, dia ho avy ety an-tany. Hanatanteraka fahagagana sy hanasitrana olona izy. Hizaka fanaintainana Izy ary ho faty mba hamonjena ny olon-drehetra. Nampianatra i Benjamina fa i Jesoa dia hamela heloka izay olona rehetra manana finoana Azy sy mibebaka.

Môzià 3:1–12, 17–18

Sary
Olona faly

Nino ny zavatra nampianarin’i Benjamina momba an’i Jesoa ny olona. Nahafantatra izy ireo fa nila nibebaka. Nivavaka daholo ny olona rehetra ary nangataka an’ Andriamanitra mba hamela azy ireo. Taorian’ny vavaka nataon’izy ireo, dia niaraka tamin’izy ireo ny Fanahin’ Andriamanitra. Nahatsapa fifaliana izy ireo ary nahafantatra fa namela azy ireo noho ny finoany an’i Jesoa Andriamanitra.

Môzià 4:1–3, 6–8

Sary
Vahoaka miaraka amin’i Benjamina sy i Môzià

Nanana fahatsapana anaty ho olom-baovao ny olona noho izy ireo nanana finoana an’i Jesoa. Nanomboka tamin’izay izy ireo dia naniry ny hanao zavatra tsara lalandava. Nanao fampanantenana ny hanaraka ny didin’ Andriamanitra mandritra ny androm-piainany sisa izy ireo. Satria nino an’i Jesoa sy nanao izany fampanantenana izany izy ireo, dia nantsoina hoe vahoakan’i Jesoa.

Môzià 5:2–9, 15; 6:1–2