Scripture Stories
Almà sy Kôrihôra


“Almà sy Kôrihôra,” Tantara ao amin’ny Bokin’i Môrmôna (2023)

Almà 30

Almà sy Kôrihôra

Finoana fa tena misy Andriamanitra

Sary
Mitsiky sy miresaka amin’olona iray i Kôrihôra eo am-pandehanana miaraka amin’ny lalana be olona

Nisy lehilahy iray antsoina hoe Kôrihôra tonga tao Zarahemlà. Nilaza tamin’ny olona izy fa tsy tena misy Andriamanitra sy i Jesoa Kristy.

Almà 30:6, 12, 37–38, 45

Sary
Mitsiky ary manao fihetsika amin’ny ankizy iray malahelo i Kôrihôra

Nilaza i Kôrihôra fa ny zavatra hita ihany no azon’ny olona fantarina. Naneso ny olona nino an’i Jesoa izy.

Almà 30:13–16

Sary
Mitsiky i Kôrihôra ary miresaka amin’ny vahoaka marobe

Nilaza i Kôrihôra fa tsy nila ny didin’ Andriamanitra ny olona. Nilaza izy fa afaka manao izay tiany ny olona. Betsaka ny olona nino azy. Nanapa-kevitra ny hanao zavatra ratsy izy ireo.

Almà 30:17–18

Sary
I Kôrihôra voafatotra ary nentin’ny miaramila hivoaka ny tanàna

Niezaka nampianatra ny Antia-Nefia-Lehia i Kôrihôra, saingy tsy nino azy izy ireo. Nofatoran’izy ireo izy ary nalefany nandeha. Nankany amin’ny tanin’i Gideona kosa izy. Nofatoran’ny olona tany koa izy. Nalefan’izy ireo tany amin’i Almà izy.

Almà 30:19–29

Sary
Mitsiky i Kôrihôra ary manao fihetsika amin’i Almà

Nilaza tamin’i Almà i Kôrihôra fa tsy tena misy Andriamanitra. Nilaza izy fa nandainga tamin’ny vahoaka i Almà sy ireo mpisorona hafa. Nilaza i Kôrihôra fa nanery ny olona hanaraka fomban-drazana adaladala izy ireo. Nambarany ihany koa fa maka vola amin’ny vahoaka izy ireo. Fantatr’i Almà fa tsy marina izany. Nino an’ Andriamanitra sy i Jesoa izy.

Almà 30:30–40

Sary
Miresaka amin’ny vahoaka i Almà fa i Kôrihôra kosa mipetraka ao aoriana mamoritra sandry

Nilaza i Almà fa ny mpaminany sy ny zava-drehetra eto an-tany dia manampy ny olona hahafantatra fa tena misy Andriamanitra. Nitady porofo betsaka kokoa i Kôrihôra. Nilaza i Almà fa homeny porofo i Kôrihôra. Nilaza izy fa hataon’ Andriamanitra tsy afaka miteny i Kôrihôra. Raha vao nilaza izany i Almà dia tsy afaka niteny i Kôrihôra.

Almà 30:41–50

Sary
Malahelo i Kôrihôra ary manondro taratasy iray misy soratra no sady manalavitra azy ny vahoaka

Nanoratra i Kôrihôra fa fantany fa tena misy Andriamanitra. Efa fantany hatramin’izay. Nanoratra izy fa ny devoly no namitaka azy. Nilaza tamin’i Kôrihôra ny devoly mba hampianatra lainga momba an’ Andriamanitra sy i Jesoa. Rehefa nahafantatra ny marina momba an’i Kôrihôra ny olona dia tsy nino ny zavatra nampianariny. Nibebaka izy ireo ary nanomboka nanaraka an’i Jesoa indray.

Almà 30:52–53, 57–58