Scripture Stories
I Sarià


“I Sarià,” Tantara ao amin’ny Bokin’i Môrmôna

“I Sarià,” Tantara ao amin’ny Bokin’i Môrmôna (2023)

1 Nefia 2–3; 5

I Sarià

Lalana feno finoana nodiavin’ny vehivavy iray

Sary
I Sarià sy i Lehia

Nonina tao Jerosalema niaraka tamin’ny fianakaviany i Sarià. Mpaminanin’ Andriamanitra i Lehia vadiny. Indray andro dia nasain’ny Tompo nandao an’i Jerosalema niaraka tamin’ny fianakaviany i Lehia.

1 Nefia 2:1–3

Sary
I Sarià mivavaka

Nanam-pinoana ny Tompo i Sarià. Nandao ny fonenany izy sy ny fianakaviany. Nandao ny volamenany sy ny volafotsiny izy ireo mba handehanana miaraka amin’i Lehia tany an-tany foana.

1 Nefia 2:4–5

Sary
I Sarià tany an-tany foana

Nitondra sakafo sy ireo zavatra hafa nilain’izy ireo i Sarià sy i Lehia. Rehefa avy nandeha nandritra ny andro maro izy ireo dia nanangana lay mba hipetrahana tany an-tany foana. Avy eo izy ireo dia nanangana alitara sy nisaotra ny Tompo noho ny fanampiany.

1 Nefia 2:4, 6–7, 15

Sary
I Sarià feno ahiahy niaraka tamin’i Lehia teny lavidavitra

Indray andro dia nasain’ny Tompo nandeha nankany Jerosalema mba haka ireo takela-barahina ireo zanakalahin’i Sarià sy i Lehia. Natahotra i Sarià rehefa tsy niverina ireo zanany lahy. Nieritreritra izy hoe maty izy ireo. Nankahery an’i Sarià i Lehia. Nisafidy ny hatoky izy ireo fa hiaro ireo zanany lahy ny Tompo.

1 Nefia 3:1–2, 4–6; 5:1–6

Sary
I Sarià sy i Lehia mitsena ireo zanany lahy

Feno fifaliana i Sarià rehefa niverina avy tany Jerosalema ireo zanany lahy. Fantany tamin’izay fa niaro azy ireo ny Tompo. Natoky izy fa ny Tompo dia hanome azy ireo hery hanaovana izay nangatahiny. Faly ny fianakavian’i Sarià iray manontolo ary nisaotra ny Tompo izy ireo.

1 Nefia 5:7–9