Scripture Stories
I Nefia sy i Lehia mirahalahy


“I Nefia sy i Lehia mirahalahy,” Tantara ao amin’ny Bokin’i Môrmôna (2023)

Helamàna 3–6

I Nefia sy i Lehia mirahalahy

Mandre feo avy any an-danitra

Sary
mampianatra olona i Nefia sy i Lehia mirahalahy, ary misy miaramila Lamanita eo akaiky eo

I Nefia sy i Lehia dia mpirahalahy naniry ny hahafantaran’ny olona rehetra ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Niady ny Nefita sy ny Lamanita, saingy mbola nampianatra ny olona avy amin’ireo vondrona roa ireo izy mirahalahy. Indray andro, raha nandeha nampianatra olona izy ireo, dia nisy andiana miaramilan’ny Lamanita nampiditra am-ponja azy ireo.

Helamàna 3:20–21, 37; 4:4–5, 14; 5:4–21

Sary
Miaramila Lamanita mandeha amin’ny fonja misy an’i Nefia sy i Lehia

Andro maro taty aoriana dia tonga tao am-ponja ny miaramila hamono an’i Nefia sy i Lehia.

Helamàna 5:22

Sary
faribolana afo sy hazavana miaro an’i Nefia sy i Lehia, mianjera ny miaramila ary misy rahon’ny haizina miseho

Mbola tsy nahavoa an’i Nefia sy i Lehia akory ny olona dia nisy faribolana afo niseho nanodidina azy ireo. Tsy nandoro azy ireo ny afo. Fa niaro azy ireo Andriamanitra. Dia nihozongozona ny tany. Toy ny hoe hirodana ny rindrin’ny fonja. Tsy ela dia nisy rahon’ny haizina nanarona ny olona rehetra tao am-ponja. Raiki-tahotra ny olona.

Helamàna 5:23–28

Sary
olona mijoro ao anaty rahon’ny haizina sady mijery taratra hazavana

Nisy feo avy tao amin’ilay rahon’ny haizina. Nangina toy ny bitsibitsika ilay izy, saingy tsapan’ny olona tao am-pony izany. Feon’ Andriamanitra ilay izy. Nasain’ Andriamanitra nibebaka izy ireo.

Helamàna 5:29–30, 46–47

Sary
lehilahy sy vehivavy miandrandra amin’ny rahon’ny haizina

Vao mainka nihovitrovitra ny tany sy ny fonja. Niverina indray ilay feo ary nilaza tamin’ny olona mba hibebaka. Tsy afa-nihetsika ny olona noho ny rahona sy ny tahony.

Helamàna 5:31–34

Sary
manondro an’i Nefia sy i Lehia izay namirapiratra sy niandrandra ny ao ambony i Aminadaba

Nisy lehilahy iray tamin’ny vahoaka nantsoina hoe Aminadaba. Mpikambana tao amin’ny Fiangonan’ Andriamanitra izy taloha. Hitany fa nanomboka namirapiratra ny endrik’i Nefia sy i Lehia. Toy ny anjely izy ireo. Toa niresaka tamin’olona tany an-danitra izy ireo. Nilaza tamin’ny rehetra i Aminadaba mba hijery an’i Nefia sy Lehia.

Helamàna 5:35–39

Sary
lehilahy sy vehivavy maro miandrandra amin’ny rahon’ny haizina ary mivavaka

Nanontany an’i Aminadaba ny olona hoe inona no azony atao mba hanesorana ilay rahon’ny haizina. Nizara ny zavatra fantany momba an’ Andriamanitra sy i Jesoa i Aminadaba. Nilaza tamin’ny olona izy mba hibebaka sy hanana finoana an’i Jesoa ary hivavaka amin’ Andriamanitra. Nihaino an’i Aminadaba ny olona. Nivavaka izy ireo mandra-piala ny haizina.

Helamàna 5:40–42

Sary
olona mivavaka sady voahodidin’ny hazavana sy afo

Nanodidina ny olona rehetra ny afon’ Andriamanitra ary tsy nandoro azy ireo. Heniky ny Fanahy Masina ny olona ary faly tokoa. Nilaza zavatra mahagaga izy ireo. Niverina indray ilay feo. Nilaza tamin’izy ireo izany mba hanana fiadanana noho ny finoany an’i Jesoa. Nisy anjely tonga nitsidika ny olona.

Helamàna 5:43–49

Sary
mandao ny fonja i Nefia sy i Lehia ary mijery ny vahoaka

Niala ny fonja i Nefia sy i Lehia ary ny vahoaka rehetra. Notantarain’izy ireo tamin’ny olona maro manerana ny tany ny zavatra hitany sy reny tamin’io andro io. Nino sy nisafidy ny hanaraka an’i Jesoa ny ankamaroan’ny Lamanita. Tsy niady intsony izy ireo. Fa nanampy ny olona mba hanana finoana an’i Jesoa sy hibebaka kosa izy ireo.

Helamàna 5:50–52; 6:1–6