Scripture Stories
Ireo Antia-Nefia-Lehia


“Ireo Antia-Nefia-Lehia,” Tantara ao amin’ny Bokin’i Môrmôna (2023)

Almà 23–27

Ireo Antia-Nefia-Lehia

Ireo olona izay misafidy ny hitia ny fahavalony

Sary
I Amôna mampianatra ny olona eo ambanin’ny hazo iray

Lamanita maro no nianatra momba an’ Andriamanitra tamin’i Amôna sy ny rahalahiny. Nanana finoana matanjaka ny Tompo ireo Lamanita ireo ary nanaraka ny didin’ Andriamanitra. Naniry anarana vaovao izy ireo ka niantso ny tenan’izy ireo hoe Antia-Nefia-Lehia fa tsy Lamanita.

Almà 23:3–7, 16–17

Sary
Fianakaviana mihaino ny fampianaran’i Amôna

Niova ny Antia-Nefia-Lehia noho ny finoany an’ Andriamanitra. Nibebaka tamin’ny ratsy fanaony izy ireo. Fantatr’izy ireo fa tia azy ireo Andriamanitra ary namela azy ireo.

Almà 24:8–14

Sary
Manipy fitaovam-piadiana ao anaty lavaka malalaka ireo Antia-Nefia-Lehia

Tezitra ny Lamanita ary niomana hanafika ny Antia-Nefia-Lehia. Tsy niady anefa ireo Antia-Nefia-Lehia fa nanao fampanantenana tamin’ Andriamanitra. Nilaza izy ireo fa tsy handratra olona intsony. Mba hanehoana izany dia nalevin’izy ireo ny fitaovam-piadiany. Nifidy ny ho tia ny fahavalony izy ireo toy izay handratra na hamono azy ireo.

Almà 24:1–19; 26:31–34

Sary
Ireo Lamanita tezitra mihazona fitaovam-piadiana

Nanafika ny Antia-Nefia-Lehia ny Lamanita izay tsy nino an’ Andriamanitra.

Almà 24:20

Sary
Antia-Nefia-Lehia anankiroa mandohalika mivavaka

Nanana finoana ny Antia-Nefia-Lehia fa raha hovonoina izy ireo dia hiara-hiaina amin’ Andriamanitra. Nitana ny fampanantenany tamin’ Andriamanitra izy ireo ary tsy niady tamin’ny Lamanita.

Almà 24:16, 21

Sary
Tsy nanafika intsony ny Lamanita

Tsy niady ireo Antia-Nefia-Lehia fa nivavaka kosa. Rehefa nahita izany ny Lamanita dia maro tamin’izy ireo no nijanona tsy nanafika intsony. Nalahelo mafy izy ireo noho ny famonoana olona. Nisafidy ny tsy handratra olona intsony koa ireo Lamanita ireo. Nikambana tamin’ireo Antia-Nefia-Lehia izy ireo.

Almà 24:21–27; 25:13–16

Sary
I Amôna sy ireo Antia-Nefia-Lehia manao dia

Rehefa nandeha ny fotoana dia nihamaro ny olona nanafika. Nalahelo i Amôna sy ny rahalahiny fa nijaly ny Antia-Nefia-Lehia. Nangataka ny mpanjaka izy ireo mba hitondra ny olony hiara-mipetraka amin’ny Nefita. Nilaza ny mpanjaka fa handeha izy ireo raha tian’ny Tompo. Nivavaka i Amôna. Nilaza ny Tompo fa tokony handeha izy ireo ary hiaro azy ireo Izy.

Almà 27:2–15

Sary
Miarahaba ireo vahoaka Antia-Nefia-Lehia ny Nefita

Nomen’ny Nefita tany ireo Antia-Nefia-Lehia mba honenana ary niaro azy ireo izy ireo. Ho setrin’izany dia nanome sakafo ny Nefita ny Antia-Nefia-Lehia. Nanana finoana lehibe sy tia an’ Andriamanitra ny Antia-Nefia-Lehia. Marin-toetra tamin’ny rehetra izy ireo ary nitana ny fampanantenany tsy hiady mihitsy. Nahatoky izy ireo nandritra ny androm-piainany.

Almà 27:20–30