Scripture Stories
I Almà sy ny vahoakany


“I Almà sy ny vahoakany,” Tantara ao amin’ny Bokin’i Môrmôna (2023)

Môzià 23–25

I Almà sy ny vahoakany

Hery avy amin’ Andriamanitra mandritra ireo andro sarotra

Sary
I Almà sy olona hafa mijery ny tranony

Nipetraka tamin’ny tany tena nahafinaritra i Almà sy ny vahoakany. Namboly sy nanorina trano izy ireo. Mpisoron’ Andriamanitra i Almà. Nampianatra ny vahoakany mba hifankatia izy. Nihaino an’i Almà ny vahoaka ary nitandrina ny didin’ Andriamanitra. Nitombo ny fianakavian’izy ireo ary nanorina tanàna izy ireo.

Môzià 23:4–5, 15–20

Sary
I Almà miresaka amin’ireo Lamanita

Indray andro dia nisy tafika Lamanita tonga. Very izy ireo. Nampanantena ireo Lamanita fa hamela amin’izao ny vahoakan’i Almà raha toa ka manampy azy ireo hahita ny lalany mody i Almà. Nasehon’i Almà an’ireo Lamanita ny lalana mody amin’ny tanin’izy ireo.

Môzià 23:25, 30, 36–37

Sary
I Amiolôna sy mpiambina mijery an’i Almà sy ny vahoakany

Tsy nihazona ny fampanantenany ireo Lamanita. Nalain’izy ireo ny tany ary nametraka mpiambina hijery ny vahoakan’i Almà izy ireo. Nataon’izy ireo ho mpanjaka teo anivon’ny vahoakan’i Almà ihany koa ny Nefita iray antsoina hoe Amiolôna. Mpitarika mpisorona sandoka i Amiolôna. Namono mpaminanin’ Andriamanitra iray izy sy ireo mpisorony ary nanao zavatra ratsy maro.

Môzià 17:12–13; 23:31–32, 37–39; 24:9

Sary
I Amiolôna tezitra

Tezitra tamin’i Almà i Amiolôna. Nataony niasa mafy ny vahoakan’i Almà ary ratsy fanahy tamin’izy ireo izy. Sarotra tamin’ny vahoakan’i Almà izany.

Môzià 24:8–9

Sary
Mivavaka i Almà, ary tezitra i Amiolôna ao aoriana

Nivavaka izy ireo mba hangataka fanampiana tamin’ Andriamanitra. Nolazain’i Amiolôna izy ireo mba hitsahatra tsy hivavaka. Nilaza izy fa izay rehetra mivavaka dia hovonoina.

Môzià 24:10–11

Sary
Manampy lahy antitra iray sy vehivavy iray hitsangana i Almà

Nijanona tsy nivavaka tamin’ny feo mafy intsony i Almà sy ny vahoakany. Fa nivavaka tao am-pony kosa izy ireo. Ren’ Andriamanitra ny vavaka nataon’izy ireo. Nankahery azy ireo Izy ary nampanantena fa hanampy azy ireo hitsoaka. Nataon’ Andriamanitra ho mora tamin’izy ireo ny asa mafy nataony. Nanana faharetana ny vahoaka ary faly rehefa nihaino an’ Andriamanitra. Fantatr’izy ireo fa nanampy azy ireo Izy.

Môzià 24:12–15

Sary
Nentin’i Alma niala ny vahoakany tamin’ny alina

Natoky an’ Andriamanitra ny vahoakan’i Almà ary nanam-pinoana lehibe Azy. Indray andro, dia nolazain’ Andriamanitra izy ireo fa fotoana handehanana izao. Vonona i Almà sy ny vahoakany tamin’io alina io. Nangonin’izy ireo ny biby sy ny sakafon’izy ireo. Ny maraina dia nataon’ Andriamanitra renoky ny torimaso lalina ireo Lamanita. Dia nitsoaka i Almà sy ny vahoakany ary nandeha nandritra ny andro manontolo.

Môzià 24:16–20

Sary
Mijery an’i Zarahemlà i Almà sy ny vahoakany

Nisaotra an’ Andriamanitra ny lehilahy sy ny vehivavy ary ny ankizy rehetra tamin’io alina io. Fantatr’izy ireo fa tsy misy afa-tsy Andriamanitra no afaka nanampy azy ireo. Nanohy ny diany nandritrra ny andro maromaro izy ireo ary tonga tao amin’ny tanin’i Zarahemlà. Noraisin’ireo Nefita izy ireo ary nampianatra ny rehetra momba ny fananana finoana an’i Jesoa Kristy. i Almà. Olona maro no nino ary natao batisa.

Môzià 24:20–25; 25:14–24