Scripture Stories
Tafika tanora iray


“Tafika tanora iray,” Tantara ao amin’ny Bokin’i Môrmôna (2023)

Almà 53; 56–57

Tafika tanora iray

Zanakalahy matoky an’ Andriamanitra

Sary
miaramila zatovo mitana ampinga sy lefona ary sabatra

Niady tamin’ny Lamanita ny Nefita ka nila fanampiana. Naniry hanampy ny Antia-Nefia-Lehia. Saingy efa nanao fampanantenana tamin’ny Tompo izy ireo fa tsy hiady. Tsy nanao izany fampanantenana izany ny roa arivo tamin’ireo zanany lahy mbola tanora. Nampanantena kosa ireo zanany lahy fa hiady mba hiarovana ny fianakaviany. Nantsoina hoe miaramila zatovo ireo zanany ireo.

Almà 53:8, 13–18, 22; 56:1–8

Sary
I Helamàna mitarika miaramila zatovo mankany amin’ny tanàna iray

Nifidy ny mpaminany Helamàna ireo miaramila zatovo hitarika azy ireo. Vondrona kely izy ireo raha oharina amin’ny tafika Lamanita lehibe. Fantatr’i Helamàna anefa fa marin-toetra sy be herim-po ary mahatoky ireo miaramila zatovo ireo. Niaraka tamin’i Helamàna nitarika azy ireo dia nandeha nanampy ny Nefita izy ireo.

Almà 53:19–22; 56:9–10, 17, 19

Sary
miaramila zatovo manorina tilikambo miaraka amin’ny miaramila Nefita ary mitondra sakafo ny ray aman-dreny

Reraka ny miaramila Nefita. Saingy rehefa tonga ireo miaramila zatovo, dia faly ny Nefita. Nanome fanantenana sy hery azy ireo ilay tafika tanora. Niaraka niomana hiady amin’ny Lamanita izy ireo. Nitondra sakafo sy vatsy ho azy ireo ihany koa ny ray aman-drenin’ireo zatovo miaramila.

Almà 56:16–17, 19–20, 22, 27

Sary
Mivory ao anaty lay ny mpitarika Nefita sy ireo miaramila zatovo

Nahababo tanàna maro ny Lamanita ary nanajanona ny miaramilan’izy ireo tany. Naniry hampiala ny Lamanita tamin’ny iray amin’ireo tanàna ireo mpitarika Nefita. Nanao drafitra izy ireo ary nangataka fanampiana tamin’ireo miaramila zatovo.

Almà 56:18–30

Sary
Mihazakazaka miaraka amin’ny fitaovam-piadiana ny miaramila Lamanita mankany amin’ireo miaramila zatovo

Mody nitondra sakafo ho an’ny Nefita nipetraka tao amin’ny tanàna teo akaiky teo ireo miaramila zatovolahy. Rehefa nahita ilay vondrona kely ny Lamanita dia nandao ny tanànany izy ireo ary nanenjika ireo miaramila zatovo. Nihevitra ny Lamanita fa ho mora ny misambotra azy ireo.

Almà 56:30–36

Sary
miaramila zatovo mandeha eo am-pilaharana, misy miaramila Lamanita manaraka azy ireo, ary misy miaramila Nefita manaraka ny miaramila Lamanita.

Nandositra ny Lamanita ireo miaramila zatovo. Avy eo dia nisy miaramila Nefita nanomboka nanenjika ny Lamanita. Te hisambotra ireo zatovolahy ireo ny Lamanita alohan’ny hahatratraran’ny Nefita azy ireo. Hitan’ny Nefita fa tao anatin’ny fahasahiranana ireo miaramila zatovo ka nandeha haingana kokoa izy ireo mba hanampy azy ireo.

Almà 56:36–41

Sary
miaramila zatovo iray mijery ireo tafika hafa ary matahotra

Rehefa afaka fotoana vitsivitsy dia tsy hitan’ireo miaramila zatovo ny Lamanita. Nanomboka nanontany tena izy ireo raha toa ka tratran’ireo Nefita ny Lamanita ka niady.

Almà 56:42–43

Sary
Manainga ny sabany i Helamàna

Nanahy i Helamàna. Nihevitra izy fa mety nanandrana hamandrika azy ireo ny Lamanita. Nanontany ireo miaramilany tanora izy raha handeha hiady amin’ny Lamanita izy ireo.

Almà 56:43–44

Sary
manainga ny sabany ireo miaramila zatovo

Tsaroan’ireo miaramila zatovo ny zavatra nampianarin-dreniny azy ireo. Nampianarin’ny reniny izy ireo mba hatoky an’ Andriamanitra fa tsy hisalasala, satria hiaro azy ireo Izy. Nino an’ Andriamanitra ireo zanakalahy ireo ary naniry ny hitana ny fampanantenany ny hiaro ny fianakaviany. Nilaza tamin’i Helamàna izy ireo fa vonona ny handeha hiady.

Almà 56:46–48

Sary
Miara-dia amin’ny miaramila zatovo i Helamàna

Talanjona tamin’ny herim-pon’izy ireo i Helamàna. Nentiny niverina hiady tamin’ny Lamanita izy ireo.

Almà 56:45, 49

Sary
Mijoro eo amin’ny tehezan-tendrombohitra miaraka amin’ny fitaovam-piadiana i Helamàna sy ireo miaramila zatovo

Nahita ny Lamanita sy ny Nefita niady ireo miaramila zatovo. Reraka ny Nefita. Saika ho resy izy ireo no tonga ireo miaramila zatovo.

Almà 56:49–52

Sary
Miaramila Lamanita manana endrika matahotra

Nanana ny herin’ Andriamanitra ireo miaramila zatovo niady. Natahotra azy ireo ny Lamanita ka tsy niady intsony. Nanampy tamin’ny fandresena tamin’ilay ady ireo miaramila zatovo!

Almà 56:52–54, 56

Sary
Manolotra ny tanany amin’ireo miaramila zatovo i Helamàna

Nandritra ny ady dia Nefita sy Lamanita maro no maty. Nanahy i Helamàna fa mety ho maty koa ny sasany tamin’ireo miaramilany zatovo. Saingy taorian’ilay ady dia nanisa ny olona rehetra i Helamàna. Faly be izy nahita fa tsy nisy maty na dia iray aza tamin’ireo miaramila zatovo. Niaro azy ireo Andriamanitra.

Almà 56:55–56

Sary
maratra ireo miaramila tanora ary samy mijoro avokoa

Nisy zanakalahy maromaro kokoa nanatevin-daharana ny miaramila zatovo. Nanampy ny Nefita hiady foana izy ireo. Tamin’ireo ady hafa ireo dia naratra avokoa ireo miaramila zatovo, saingy tsy nisy maty na dia iray aza. Tsaroan’izy ireo izay nampianarin’ny reniny azy. Natoky an’ Andriamanitra izy ireo, ary niaro azy ireo Izy.

Almà 57:6, 19–27; 58:39–40