Scripture Stories
Ny finoan’ny mpanjakavavy iray


“Ny finoan’ny mpanjakavavy iray,” Tantara ao amin’ny Bokin’i Môrmôna (2023)

“Ny finoan’ny mpanjakavavy iray,” Tantara ao amin’ny Bokin’i Môrmôna

Almà 18–19

Ny finoan’ny mpanjakavavy iray

Mahita fifaliana ao amin’i Jesoa Kristy

Sary
Vadin’ny mpanjakavavy niankarapoka tamin’ny tany

Nisy mpanjakavavy Lamanita iray niara-nitondra tamin’ny vadiny, dia i Lamônia Mpanjaka izany. Nangataka ny Nefita iray nantsoina hoe Amôna ny mpanjaka mba hampianatra azy momba ny Tompo. Nino izay nolazain’i Amôna taminy ny mpanjaka. Nandohalika nivavaka ilay mpanjaka ary nangataka ny Tompo mba hamela azy. Teo am-pivavahany dia niankarapoka tamin’ny tany ny mpanjaka. Toy ireny maty ireny ny fijery azy.

Almà 18:21, 24–42

Sary
Ny mpanjakavavy mijery ny vadiny izay niankarapoka

Nentin’ireo mpanompony nankany amin’ny mpanjakavavy ny mpanjaka. Napetrak’izy ireo teo amin’ny fandriany izy. Nandry teo izy ary tsy nihetsika nandritra ny roa andro sy roa alina.

Almà 18:43

Sary
Ny mpanjakavavy miresaka amin’ny mpanompo

Nandritra izany fotoana izany dia nalahelo fatratra ny mpanjakavavy sy ireo zanany. Nijanona teo amin’ny mpanjaka izy ireo ary nitomany azy. Ny olona sasany dia niteny fa tokony halevina ny mpanjaka. Saingy naniry ny hiresaka tamin’i Amôna aloha ny mpanjakavavy. Henony fa manana ny herin’ Andriamanitra izy. Nangatahin’ireo mpanompon’ny mpanjakavavy hankany amin’ny mpanjakavavy i Amôna.

Almà 18:43; 19:1–3, 5

Sary
Ny mpanjakavavy miresaka amin’i Amôna

Nolazain’ny mpanjakavavy an’i Amôna fa henony hoe mpaminanin’ Andriamanitra izy. Nangataka an’i Amôna izy mba handeha hijery ny mpanjaka. Fantatr’i Amôna fa velona ny mpanjaka. Ny herin’ Andriamanitra no nahatonga ny mpanjaka hatory. Nilaza tamin’ny mpanjakavavy i Amôna fa hifoha ny ampitson’io ny vadiny.

Almà 19:3–8

Sary
Ny mpanjakavavy manankina ny lohany eo amin’ny vadiny

Natoky an’i Amôna ny mpanjakavavy ary nanam-pinoana lehibe an’ Andriamanitra. Nino izy fa hifoha ny ampitson’io ny vadiny. Nilaza i Amôna fa voatahy izy noho ny finoany lehibe. Nilaza tamin’ny mpanjakavavy izy fa nanana finoana mihoatra noho ny nananan’ny vahoakany ny mpanjakavavy. Nijanona teo akaikin’ny vadiny ny mpanjakavavy ary niambina azy nandritra ny alina manontolo.

Almà 19:9–11

Sary
Faly ny mpanjakavavy fa nifoha ny vadiny

Ny ampitson’izany dia nifoha ny mpanjaka. Nolazainy tamin’ny mpanjakavavy fa nahita an’i Jesoa Kristy izy. Fantatry ny mpanjakavavy sy ny mpanjaka ny halehiben’ny fitiavan’i Jesoa azy ireo, ary feno hafaliana izy ireo.

Almà 19:12–13