Scripture Stories
Mpanompovavy Nefita iray


“Mpanompovavy Nefita iray,” Tantara ao amin’ny Bokin’i Môrmôna (2023)

Almà 50

Mpanompovavy Nefita iray

Manampy amin’ny fiarovana ny olony

Sary
I Môriantôna mihazona fanilo sady miresaka amin’ny vahoaka, miaraka amin’ny mpanompovavy eo akaiky eo

Nisy mpanompovavy iray niasa ho an’ny mpitarika Nefita iray antsoina hoe Môriantôna. Niteraka korontana teo anivon’ny vahoaka i Môriantôna. Nanafika andiana Nefita izy ary niezaka naka ny tanin’izy ireo. Avy eo izy dia nikasa ny hianavaratra niaraka tamin’ny olony haka tany any.

Almà 50:25–30

Sary
mpanompovavy mihazakazaka mandositra an’i Moriantôna amin’ny alina

Indray andro dia tezitra tamin’ilay mpanompovavy i Môriantôna. Tena nampijaly azy mafy sy nanafintohina azy izy. Nandositra ilay mpanompovavy ary nihazakazaka nankany amin’ny tobin’ny Kapiteny Môrônia. Notantarainy tamin’i Môrônia ireo zavatra ratsy nataon’i Môriantôna. Nino azy i Môrônia.

Almà 50:30–31

Sary
mpanompovavy manondro ao amin’ny sarintany sady miresaka amin’ny Kapiteny Môrônia

Nilaza ihany koa ilay mpanompovavy fa te-hiala sy haka an-keriny ny tany avaratra i Môriantôna. Nanahy i Môrônia. Mety ho tandindomin-doza ny Nefita raha ohatra ka azon’i Môriantôna ny tany avaratra. Mety hahatonga ny vahoaka hamoy ny fahafahany izany.

Almà 50:31–32

Sary
mpanompovavy mijery an’i Môrônia sy ny tafika

Nandefa tafika hanakana an’i Môriantôna i Môrônia. Niady tamin’ilay tafika ny vahoakan’i Môriantôna dia resy. Nampanantena izy ireo fa hilamina ary hiverina any amin’ny taniny. Noho ny fampitandreman’ilay mpanompovavy an’i Môrônia dia voaro hatrany ireo tanànan’ny Nefita.

Almà 50:33, 35–36