Scripture Stories
I Nefia sy ireo takela-barahina


“I Nefia sy ireo takela-barahina,” Ireo tantara ao amin’ny Bokin’i Môrmôna (2023)

1 Nefia 4–5

I Nefia sy ireo takela-barahina

Mianatra manaraka ny Fanahy.

Sary
I Nefia manatona trano be iray ary mijery izany ireo rahalahiny

Niverina tany Jerosalema tao anatin’ny alina i Lamàna sy i Lemoela sy i Samy ary i Nefia. Nankao amin’ny tranon’i Labàna i Nefia fa ireo rahalahiny kosa dia niafina tany ivelan’ilay tanàna.

1 Nefia 4:4–5

Sary
I Nefia mijery an’i Labàna eo amin’ny tany

Navelan’i Nefia hitarika azy ny Fanahy. Tsy fantany ny zavatra tokony hataony, saingy fantany fa hanampy azy haka ireo takela-barahina ny Tompo.

1 Nefia 4:6

Sary
I Nefia mihazona ny sabatr’i Labàna

Rehefa nanakaiky ny tranon’i Labàna i Nefia dia hitany nitsirara teo amin’ny tany i Labàna. Mamo i Labàna. Tazan’i Nefia ny sabatr’i Labàna ary noraisiny izany.

1 Nefia 4:7–9

Sary
I Nefia manome lamosina an’i Labàna

Rehefa nahatazana ilay sabatra i Nefia dia nilaza taminy ny Fanahy mba hamono an’i Labàna. Tsy te hamono azy anefa i Nefia. Niteny tamin’i Nefia ny Fanahy fa tsara kokoa ho an’i Labàna ny maty toy izay tsy hanana ny soratra masina ny fianakavian’i Nefia. Nila ny didin’ Andriamanitra izay voasoratra teo amin’ireo takela-barahina izy ireo.

1 Nefia 4:10–11, 13–17

Sary
I Nefia mivavaka

Nahafantatra i Nefia fa efa nanandrana nifofo ny ainy i Labàna. Nangalatra ny fananan’izy ireo ihany koa i Labàna ary tsy nankatò ny didin’ Andriamanitra.

1 Nefia 4:11

Sary
I Nefia manao ny fitafian’i Labàna

Niteny tamin’i Nefia indray ny Fanahy mba hamono an’i Labàna. Nahafantatra i Nefia fa nanomana lalana ho azy ny Tompo mba hahazoana ireo takela-barahina. Nisafidy ny hankatò ny Fanahy izy. Novonoin’i Nefia i Labàna ary nanaovany ny fitafian’i Labàna.

1 Nefia 4:12–13, 17–19

Sary
I Nefia miresaka amin’i Zôrama

Avy eo dia nankany amin’ny toerana misy ireo harenan’i Labàna i Nefia ary nihaona tamin’i Zôrama mpanompon’i Labàna. Nataon’i Nefia ny fihetsik’i Labàna ary niresaka tahaka an’i Labàna izy.

1 Nefia 4:20–23, 35

Sary
I Zôrama mihazona ireo takela-barahina

Nilaza tamin’i Zôrama i Nefia fa ilainy ireo takela-barahina. Avy eo dia nasain’i Nefia niaraka taminy i Zôrama. Noheverin’i Zôrama fa i Labàna i Nefia ka dia nomeny an’i Nefia ny zavatra notadiaviny.

1 Nefia 4:24–26

Sary
Mihazakazaka mandositra an’i Nefia ireo rahalahiny

Rehefa nivoaka ilay tanàna i Nefia sy i Zôrama dia nihevitra i Lamàna sy i Lemoela ary i Samy fa i Labàna i Nefia. Natahotra izy ireo ka nanomboka nitsoaka.

1 Nefia 4:28

Sary
Ireo rahalahan’i Nefia miresaka ary i Zôrama mijery any aoriana

Niantso ireo rahalahiny i Nefia. Rehefa fantatr’izy ireo fa i Nefia ilay izy dia nijanona tsy nihazakazaka intsony izy ireo. Saingy i Zôrama kosa dia lasa natahotra ary nanandrana niverina tany Jerosalema.

1 Nefia 4:29–30

Sary
I Nefia miresaka amin’i Zôrama

Nosakanan’i Nefia i Zôrama. Nolazainy tamin’i Zôrama fa ny Tompo dia nandidy azy ireo mba haka ireo takelaka. Notolorany fanasana mba handeha hiaraka amin’izy ireo any amin’ny tany nampanantenaina i Zôrama. Fantatr’i Zôrama fa ho olona afaka izy, fa tsy ho mpanompo, ka nampanantena izy fa hiaraka amin’i Nefia sy ny fianakaviany.

1 Nefia 4:31–37

Sary
I Nefia sy ireo rahalahiny ary i Zôrama miarahaba an’i Sarià sy i Lehia

Niverina tany amin’i Lehia sy i Sarià izy ireo. Faly izaitsizy i Lehia sy i Sarià nahita ireo zanany. Nihevitra i Sarià fa maty ireo zanany lahy. Satria narovan’ny Tompo ireo zanany lahy, dia natoky amin’izay izy fa tena nodidina hiala an’i Jerosalema ny fianakaviany. Nanolotra fanatitra ho fisaorana ny Tompo ny fianakavian’i Lehia sy i Sarià.

1 Nefia 4:38; 5:1–9

Sary
I Lehia mamaky ireo takela-barahina miaraka amin’ny fianakaviany

Novakin’i Lehia ireo takela-barahina. Hitany fa ireo takelaka dia nirakitra ny fampianaran’ireo mpaminany. Nahafantatra ihany koa izy fa ny iray tamin’ireo razambeny dia i Josefa ilay namidin’ireo rahalahiny tany Egypta fahiny. Nahafantatra i Lehia fa tena nanan-danja ireo takela-barahina. Fantany fa tian’ny Tompo hanana ireo didy izy sy ny fianakaviany.

1 Nefia 5:10–22