Scripture Stories
I Almà Zanany


“I Almà Zanany,” Tantara ao amin’ny Bokin’i Môrmôna (2023)

“I Almà Zanany,” Tantara ao amin’ny Bokin’i Môrmôna

Môzià 25–28; Almà 36

I Almà Zanany

Fiovana mahery vaika

Sary
I Môzià sy i Almà Rainy

Nomen’i Môzià Mpanjaka fahefana hitarika ny Fiangonana tany Zarahemlà i Almà. Nampianatra ny olona mba hibebaka sy hanana finoana ny Tompo i Almà.

Môzià 25:19–24; 26

Sary
I Almà Zanany

Nanan-janakalahy izay nantsoina hoe Almà ihany koa i Almà. Tsy nino ireo zavatra nampianarin’ny rainy i Almà Zanany.

Môzià 27:8

Sary
I Almà Zanany sy ireo zanakalahin’i Môzià miresaka amin’ny vahoaka

Nanan-janaka lahy izay tsy nino ny Tompo ihany koa i Môzià. Mpinamana tamin’i Almà Zanany izy ireo. Tian’izy rehetra ny hialan’ny olona amin’ilay Fiangonana. Nitarika olona maro hanao zavatra mifanohitra amin’ny didin’ Andriamanitra i Almà sy ireo zanakalahin’i Môzià.

Môzià 27:9–10; Almà 36:6

Sary
I Almà zanany sy ireo zanakalahin’i Môzià natahotra anjely

Indray andro dia naniraka anjely ny Tompo mba hanakana azy ireo. Notenenin’ilay anjely izy ireo mba hanatsahatra ny fiezahana hamotika ny Fiangonana. Natahotra mafy i Almà sy ireo zanakalahin’i Môzià hany ka nianjera tamin’ny tany.

Môzià 27:11–18; Almà 36:6–9

Sary
I Almà Zanany ao anaty fanaintainana

Tsy afaka niresaka na nihetsika nandritra ny telo andro sy telo alina i Almà. Tena nalahelo izy noho ireo zavatra ratsy rehetra nataony. Sahiran-tsaina ihany koa izy satria nitarika olona maro hiala amin’ny Tompo.

Môzià 27:19; Almà 36:10–16

Sary
I Almà Zanany mandohalika

Nahatsapa fanaintainana lehibe vokatry ny fahotany i Almà. Avy eo dia tsaroany ny rainy niresaka momba an’i Jesoa Kristy ilay Zanak’ Andriamanitra.

Almà 36:17

Sary
I Almà Zanany faly

Nivavaka i Almà mba hamelan’i Jesoa azy. Taorian’ny vavaka nataony dia tsy nahatsiaro intsony ny fanaintainany izy. Fantany fa namela ny fahotany ny Tompo. Tsy nalahelo intsony noho ireo fahotana vitany izy. Fa tena faly kosa i Almà.

Môzià 27:24, 28–29; Almà 36:18–22

Sary
I Almà Zanany sy ireo zanakalahin’i Môzià manampy olona

Niverina ny herin’i Almà. Nanapa-kevitra izy sy ireo zanakalahin’i Môzià ny hibebaka sy hanarina ireo fijaliana rehetra nateraky ny zavatra nataon’izy ireo. Nanomboka teo dia nanompo ny Tompo izy ireo tamin’ny alalan’ny fanampiana ny hafa mba hibebaka. Nandeha nanerana ny tany izay nanjakan’i Môzià izy ireo ary nampianatra ny olona momba an’i Jesoa.

Môzià 27:20–24, 32–37; Almà 36:23–26

Sary
Ireo zanakalahin’i Môzià handeha hanainga

Naniry ny hizara ilay fahasambarana nentin’ny fampianaran’i Jesoa teo amin’ny fiainan’izy ireo i Almà sy ireo zanakalahin’i Môzià. Niasa mafy izy ireo tamin’ny fanompoana ny Tompo sy ny vahoaka. Nisafidy ny handeha ka hampianatra ireo Lamanita momba an’i Jesoa ireo zanakalahin’i Môzià. Nisafidy ny hijanona sy hanohy hampianatra ny Nefita i Almà.

Môzià 27:32–37; 28:1–10; 29:42–43