Scripture Stories
Kapiteny Môrônia sy Zerahemnà


“Kapiteny Môrônia sy Zerahemnà,” Tantara ao amin’ny Bokin’i Môrmôna (2023)

Almà 43–44

Kapiteny Môrônia sy Zerahemnà

Ady iray sy fampanantenana hiaina am-pilaminana

Sary
Mitarika ny miaramilany i Zerahemnà

I Zerahemnà no mpitarika ny tafika Lamanita. Naniry ny hanapaka teo amin’ny Nefita sy hanao azy ireo ho mpanompo ny vahoakany izy. Nitarika ny miaramilany hanafika ny Nefita i Zerahemnà.

Almà 43:3–8

Sary
Mijery ny miaramila Lamanita ny miaramila Nefita

Te hiaro ny fonenany sy ny fianakaviany ary ny fivavahany ny Nefita. Fantatr’izy ireo fa tsy ho afaka hitsaoka ny Tompo izy ireo raha toa ka manapaka eo amin’izy ireo ny Lamanita. Nisafidy ny hiady amin’ny fahavalony ny Nefita.

Almà 43:9–10, 14–15

Sary
Miandrandra ny any alohany i Môrônia ary misy rahona ao aoriany

Lehilahy iray antsoina hoe Môrônia no kapitenin’ny miaramila Nefita. Nataon’i Môrônia izay hahavonona hiady ny miaramilany.

Almà 43:16–17

Sary
Vonona hiady ny Kapiteny Môrônia sy ireo miaramila Nefita

Nitondra fitaovam-piadiana ny miaramilan’i Môrônia, ary nomen’i Môrônia fiarovana sy ampinga matanjaka izy ireo ho fiarovana azy ireo.

Almà 43:18–19

Sary
Mijery ny miaramila Nefita ny Lamanita sady matahotra

Nentin’i Môrônia hiady amin’ny Lamanita ny miaramilany. Saingy rehefa hitan’ireo Lamanita fa nanana fiarovana sy ampinga ny Nefita dia natahotra hiady izy ireo. Ny Lamanita dia tsy nanana afa-tsy akanjo manify ary tsy nisy fiarovana fitafy niaro azy ireo.

Almà 43:19–21

Sary
Miaramila Lamanita mandositra any anaty ala

Nitsoaka ny Lamanita. Niezaka nitsofotsofoka nankany amin’ny tany Nefita hafa izy ireo. Nihevitra izy ireo fa tsy ho fantatr’i Môrônia ny toerana nalehan’izy ireo.

Almà 43:22

Sary
Manara-maso ireo miaramila Lamanita nitsoaka ireo mpitsikilo Nefita

Saingy raha vantany vao lasa ny Lamanita dia nandefa mpitsikilo hanaraka azy ireo i Môrônia.

Almà 43:23

Sary
Miaramila Nefita mihaino an’i Almà

Avy eo dia nandefa hafatra ho an’ny mpaminany Almà i Môrônia. Tiany hanontany ny Tompo i Almà ny amin’izay nokasain’ny Lamanita hatao. Nilaza tamin’i Almà ny Tompo fa nikasa ny hanafika tany tsy matanjaka antsoina hoe Mantia ny Lamanita. Nihaino an’i Almà i Môrônia. Nitarika ny miaramilany hiady amin’ny Lamanita izy.

Almà 43:23–33

Sary
Miaramila Lamanita sy Nefita miady

Niady ireo tafika. Nahery be sady tezitra mafy ireo Lamanita. Lasa natahotra ny Lamanita ny Nefita ka mby nandositra. Saingy nampahatsiahy azy ireo ny amin’ny fianakaviany sy ny finoany i Môrônia, ka dia nanohy niady izy ireo.

Almà 43:34–37, 43–48

Sary
Maninjitra tanana i Môrônia mba hampitsahatra ny ady

Nangataka fanampiana tamin’ny alalan’ny vavaka tamin’ny Tompo ny Nefita. Namaly ny vavak’izy ireo ny Tompo ary nanome azy ireo hery lehibe. Natahotra amin’izay ny Lamanita. Voafandrika izy ireo ka tsy afa-nandositra. Rehefa hitan’i Môrônia fa natahotra ny Lamanita dia nilaza tamin’ny miaramilany izy mba tsy hiady intsony. Tsy te hamono ny Lamanita i Môrônia.

Almà 43:49–53; 44:1–2

Sary
Miresaka amin’ny Lamanita i Môrônia

Nilaza tamin’i Zerahemnà i Môrônia fa afaka mandeha ny Lamanita raha mampanantena fa tsy hiady amin’ny Nefita intsony izy ireo. Tezitra i Zerahemnà ary niezaka nanohy ny ady, saingy tsy naharesy ny miaramilan’i Môrônia izy. Avy eo dia nampanantena ny hiaina amim-piadanana i Zerahemnà sy ny miaramilany, ary navelan’i Môrônia handeha izy ireo.

Almà 44:1–20