Scripture Stories
Ny Liahônà sy ny tsipìka simba


“Ny Liahônà sy ny tsipika simba,” Ny Liahônà sy ny tsipika simba (2023)

1 Nefia 16

Ny Liahônà sy ny tsipìka simba

Fikatsahana ny fanampian’ny Tompo

Sary
Fianakaviana mipetraka manodidina afon-dasy

Nandeha tany an-tany foana nandritra ny taona maro ny fianakavian’i Lehia sy Ismaela. Nitari-dalana azy ireo mba hamakivaky ireo faritra tsara tao amin’ilay tany ny Tompo. Nila nihaza sy nanangona sakafo teny am-pandehanana izy ireo. Mafy ilay dia.

1 Nefia 16:14; 17:1, 4

Sary
I Lehia mijery ny fiposahan’ny masoandro

Nampanantena ny hitarika ireo fianakaviana ho any amina tany tsara ny Tompo raha toa ka mitandrina ny didiny izy ireo. Tsy hain’izy ireo ny fomba hahitana ilay tany, fa Izy kosa anefa hitarika azy ireo.

1 Nefia 2:20; 10:13; 17:13–14

Sary
I Lehia mihazona ny Liahônà

Indray maraina dia gaga i Lehia nahita bola vita amin’ny varahina teo ivelan’ny trano lainy. Nantsoina hoe Liahônà ilay bola. Tao anatin’ny Liahônà dia nisy sahaza nanondro ny lalana tokony halehan’ireo olona. Indraindray izy ireo dia nahita hafatra avy amin’ny Tompo misoratra eo amin’ilay Liahônà. Toy izany no fomba nitarihan’ny Tompo azy ireo.

1 Nefia 16:10, 16, 26–29; Almà 37:38

Sary
I Nefia mihazona tsipika simba ary i Lamàna sy i Lemoela mitaraina

Indray andro raha teo am-pihazana i Nefia dia simba ilay ny tsipikany vita amin’ny vy. Tsy afaka nahazo sakafo ireo fianakaviana raha vao tsy nisy an’izany. Tezitra tamin’i Nefia sy ny Tompo ireo rahalahiny.

1 Nefia 16:18–21

Sary
I Nefia mihazona tsipika simba ary i Lehia tezitra

Samy tena reraka sy noana avokoa izy rehetra. Ny sasany tamin’izy ireo dia nalahelo sy nimonomonona. Natahotra sao ho fatin’ny hanoanana izy ireo. Na i Lehia aza dia nimonomonona tamin’ny Tompo.

1 Nefia 16:19–22, 35

Sary
I Nefia mihazona maritoa sy fandraka

Nanamboatra tsipika vaovao vita tamin’ny hazo i Nefia ary zana-tsipika vita tamin’ny tapa-kazo. Nanam-pinoana izy fa ny Tompo dia hanampy azy hahita sakafo.

1 Nefia 16:23

Sary
I Lehia sy i Nefia mijery ny Liahônà

Nanontanian’i Nefia an’i Lehia izay toerana hihazana. Nalahelo i Lehia noho ny fimonomononany i . Nibebaka izy ary nangataka fanampiana tamin’ny Tompo. Nasain’ny Tompo nijery ny Liahônà i Lehia. Nisy hafatra nisoratra tao. Nianatra ireo fianakaviana fa rehefa manana finoana ny Tompo sy mankatò ny didiny ihany izy ireo vao miasa ny Liahônà.

1 Nefia 16:23–29

Sary
Ny fianakavian’i Lehia mijery an’i Nefia milanja biby nohazany

Novain’ny Tompo indraindray ny hafatra tao amin’ny Liahônà mba hanampiana azy ireo mandritra ny dian’izy ireo. Nanampy an’i Nefia hahafantatra ny toerana hihazana ny Liahônà. Nitondra sakafo izy rehefa niverina, ary faly avokoa ny rehetra. Nibebaka izy ireo ary nisaotra ny Tompo.

1 Nefia 16:28–32