Scripture Stories
Sambo hiampitana ny ranomasina


“Sambo hiampitana ny ranomasina,” Tantara ao amin’ny Bokin’i Môrmôna (2023)

“Sambo hiampitana ny ranomasina,” Tantara ao amin’ny Bokin’i Môrmôna

1 Nefia 17–18

Sambo hiampitana ny ranomasina

Miomana handeha ho any amin’ny tany nampanantenaina

Sary
Fianakaviana eny amoron’ny ranomasina

Soafeno dia tany iray feno voankazo sy tantely. Toeram-ponenana tena mahafinaritra izany. Niaina teo amoron’ny ranomasina ny fianakavian’i Lehia sy i Sarià ary nanana izay rehetra nilainy izy ireo.

1 Nefia 17:5–6

Sary
I Nefia mivavaka

Afaka andro maromaro dia nasain’ny Tompo nandeha nankany an-tendrombohitra i Nefia mba hivavaka. Tany izy dia nasain’ny Tompo nanamboatra sambo mba hitondrana ny fianakaviany hiampita ny ranomasina.

1 Nefia 17:7–8

Sary
I Nefia mijery vato

Natoron’ny Tompo an’i Nefia ny fomba fanamboarana ilay sambo. Kanefa tsy fantatr’i Nefia ny toerana hahitana ny vy hanamboarana fitaovana. Nasehon’ny Tompo an’i Nefia ny toerana hitadiavana vy.

1 Nefia 17:8–10

Sary
I Nefia miasa kanefa i Lamàna sy i Lemoela miresaka

Tatỳ aoriana dia nandrehitra afo mba hanamboarana fitaovana i Nefia . Mijery an’i Nefia rahalahiny i Lamàna sy i Lemoela. Tsy te hanampy azy hanamboatra ilay sambo izy ireo. Nieritreritra izy ireo fa hevitra ratsy ny hiezaka hiampita ny ranomasina.

1 Nefia 17:11, 16–18

Sary
I Lamàna sy i Lemoela tezitra tamin’i Nefia

Tsy nino i Lamàna sy i Lemoela hoe nasain’ny Tompo nanamboatra sambo i Nefia. Nanontany azy ireo i Nefia hoe nahoana izy ireo no mbola tsy manam-pinoana ny Tompo ihany. Nampahatsiahy ireo rahalahiny izy fa efa nahita anjely izy ireo ary efa nahafantatra ny herin’ny Tompo. Tezitra mafy i Lamàna sy i Lemoela hany ka naniry ny hamono an’i Nefia izy ireo.

1 Nefia 17:18–19, 45–48

Sary
I Lamàna sy i Lemoela teo amin’ny tany

Heniky ny herin’ Andriamanitra anefa i Nefia. Nampitandrina an’i Lamàna sy i Lemoela i Nefia mba tsy hikasika azy. Natahotra izy ireo ka tsy sahy nikasika an’i Nefia nandritra ny andro maro. Avy eo dia nasain’ny Tompo naninjitra ny tanany teo anoloan’ireo rahalahiny i Nefia. Rehefa naninjitra ny tanany teo anoloan’izy ireo i Nefia, dia nampangitakitahan’ny herin’ny Tompo izy ireo.

1 Nefia 17:48, 52–55

Sary
Miasa eo amin’ilay sambo ny rehetra

Nitsaoka ny Tompo i Lamàna sy i Lemoela ary nanampy tamin’ny fanamboarana ny sambo. Nivavaka imbetsaka tamin’ny Tompo i Nefia mba hahazo fanampiana. Kanto ilay sambo izay namboarin’i Nefia sy ny fianakaviany. Andro maro taty aoriana dia vita ilay sambo ary hitan’izy ireo fa tsara izany. Nahafantatra ny fianakavian’i Nefia fa nanampy azy ireo ny Tompo.

1 Nefia 18:1–4