Scripture Stories
I Almà sy i Amioleka tao am-ponja


“I Almà sy i Amioleka tao am-ponja,” Tantara ao amin’ny Bokin’i Môrmôna (2023)

Almà 14

I Almà sy i Amioleka tao am-ponja

Finoana ny Tompo mandritra ny fotoan-tsarotra

Sary
I Almà sy Amioleka miaraka amin’ny mpiambina

Nampianatra ny filazantsara tao amin’ny tanànan’i Amônihà i Almà sy i Amioleka. Ny olona sasany dia nino ny Tompo ary nibebaka. Fa ny olona maro sasany dia tezitra tamin’i Almà sy i Amioleka ary naniry ny hanimba azy ireo. Nofatoran’ireo vahoaka tezitra i Almà sy i Amioleka dia noentin’izy ireo tany amin’ny tanànan’ny lohan’ny mpitsara izy roa lahy.

Almà 8:29–30; 14:1–4

Sary
I Almà sy i Amioleka voafatotra tanana

Tsy nino ilay lohan’ny mpitsara hoe nila nibebaka ny vahoakany. Tezitra tamin’i Almà sy i Amioleka ny vahoaka. Nalefan’izy ireo hiala ny tanàna ireo lehilahy nino ny zavatra nampianarin’i Almà sy i Amioleka. Avy eo dia natsipin’izy ireo tao anaty afo ireo vehivavy sy ankizy nino ny Tompo.

Almà 14:3, 5–9, 14, 16

Sary
I Amioleka sy i Almà malahelo

Nalahelo fatratra i Amioleka raha nahita ny vahoaka ory. Nangataka an’i Almà izy mba hampiasa ny herin’ Andriamanitra hanavotana azy ireo. Saingy nilaza i Almà fa tsy navelan’ny Fanahin’ Andriamanitra izy. Nilaza tamin’i Amioleka izy fa hiaraka amin’ny Tompo ireo vehivavy sy ankizy. Hitsara ireo olona namono azy ireo ny Tompo.

Almà 14:9–11

Sary
lohan’ny mpitsara mihomehy

Nanaraby an’i Almà sy i Amioleka ny lohan’ny mpitsara satria tsy niaro an’ireo vehivavy sy ankizy ny Tompo. Nalefany tany am-ponja i Almà sy i Amioleka.

Almà 14:14–17

Sary
Tao am-ponja i Almà sy i Amioleka

Afaka telo andro dia nandeha tany am-ponja ilay lohan’ny mpitsara niaraka tamin’ireo mpisorona sandony. Nametraka fanontaniana maro izy ireo. Saingy tsy novalian’i Almà sy i Amioleka izy ireo.

Almà 14:18–19

Sary
ny lohan’ny mpitsara mihomehy an’i Almà sy i Amioleka ao am-ponja

Nampijalian’ny lohan’ny mpitsara sy ny mpisorony i Almà sy i Amioleka. Tsy nomen’izy ireo sakafo na rano ihany koa i Almà sy i Amioleka. Ary nihomehezan’izy ireo ny zavatra nampianarin’i Almà sy i Amioleka.

Almà 14:19–22

Sary
I Almà sy i Amioleka voafatotra miaraka amin’ny lohan’ny mpitsara eo akaiky

Nijaly nandritra ny andro maro i Almà sy i Amioleka. Tonga indray ny lohan’ny mpitsara niaraka tamin’ireo mpisorony. Nilaza tamin’i Almà sy i Amioleka izy fa raha nanana ny herin’ Andriamanitra izy ireo dia tokony ho nanapaka ireo tady izay namatotra azy ireo. Dia hino azy ireo izy.

Almà 14:23–24

Sary
I Amioleka sy i Almà mijoro

Nahatsapa ny herin’ Andriamanitra i Almà sy i Amioleka. Nitsangana izy ireo. Nanam-pinoana ny Tompo i Almà ary nangataka hery hanapaka ny tady.

Almà 14:25–26

Sary
tady tapaka

Notapahan’i Almà sy i Amioleka ny tady. Natahotra ilay lohan’ny mpitsara sy ireo mpisorony. Niezaka nitsoaka izy ireo saingy nanomboka nihozongozona ny tany.

Almà 14:26–27

Sary
I Amioleka sy i Almà eo an-tampon’ny fonja nirodana

Nirodana teo amin’ilay lohan’ny mpitsara sy ny mpisorony ny rindrin’ny fonja, dia maty izy ireo. Narovan’ny Tompo kosa anefa i Almà sy i Amioleka. Raha vao ren’ny vahoaka ilay feo dia nihazakazaka izy ireo nijery ny zavatra nitranga. I Almà sy i Amioleka irery no nivoaka an’ilay fonja. Natahotra mafy an’i Almà sy i Amioleka ny vahoaka ka nitsoaka.

Almà 14:27–29