Scripture Stories
Teankoma


“Teankoma,” Tantara ao amin’ny Bokin’i Môrmôna (2023)

Almà 51–52

Teankoma

Miaro ny olony

Sary
Miresaka amin’ny Kapiteny Môrônia ao amina toby i Teankoma

I Teankoma dia mpitarika tao amin’ny tafiky ny Kapiteny Môrônia. Niezaka niaro ny tanàna Nefita tamin’ny Lamanita izy.

Almà 50:35; 52:19

Sary
Amalikià sy miaramila Lamanita mitondra fitaovam-piadiana

I Amalikià dia Nefita izay lasa mpanjaka Lamanita. Naniry ny hifehy ny Nefita koa izy. Nanafika ny Nefita izy ary nanao fahirano tanàna maro.

Almà 47:1, 35; 48:1–4; 51:23–28

Sary
Tafika Nefita mandroso

Nandeha nanakana ny miaramilan’i Amalikià tsy hanafika ny tanàna Nefita ny miaramilan’i Teankoma.

Almà 51:28–30

Sary
mifanatrika ny tafika amin’ny filentehan’ny masoandro

Niady nandritra ny tontolo andro ireo tafika. Teankoma sy ny miaramilany dia niady tamin’ny tanjaka sy fahaizana ambony kokoa noho ny miaramilan’i Amalikià. Saingy samy tsy nisy nandresy. Rehefa maizina ny andro dia tsy niady intsony ny tafika roa tonta mba hiala sasatra.

Almà 51:31—32

Sary
I Teankoma mipetraka eo anoloan’ny afon-dasy

Saingy tsy nitsahatra i Teankoma. Nandeha mangingina tany amin’ny tobin’i Amalikià izy sy ny mpanompony.

Almà 51:33

Sary
I Teankoma mijoro eo ambany hazavan’ny volana eo amin’ny lain’i Amalikià

Niditra an-tsokosoko tao amin’ny lain’i Amalikià i Teankoma. Novonoiny i Amalikià mialoha ny hahafahan’i Amalikià nifoha. Dia niverina tany amin’ny tobiny i Teankoma ary nilaza tamin’ny miaramilany mba ho vonona hiady.

Almà 51:33–36

Sary
Ny Lamanita nifoha ary toa natahotra

Rehefa nifoha ny Lamanita dia nahita fa maty i Amalikià. Hitan’izy ireo koa fa efa vonona hiady amin’izy ireo i Teankoma sy ny miaramilany.

Almà 52:1

Sary
Nandositra ny miaramilan’i Teankoma ny Lamanita

Natahotra ny Lamanita ka nandositra. Ny drafitr’i Teankoma dia nahatonga ny Lamanita hatahotra loatra hanafika tanàna Nefita maro kokoa. Nanana fotoana izao i Teankoma mba hanamafisana kokoa ny tanàna Nefita. Niasa mafy izy mba hiarovana ny vahoakany. Afaka niaro tanàna Nefita maro izy.

Almà 52:2–10