Scripture Stories
Tafio-drivotra teny an-dranomasina


“Tafio-drivotra teny an-dranomasina,” Tantara ao amin’ny Bokin’i Môrmôna (2023)

“Tafio-drivotra teny an-dranomasina,” Tantara ao amin’ny Bokin’i Môrmôna

1 Nefia 18

Tafio-drivotra teny an-dranomasina

Mahita fiadanana ao amin’ny Tompo

Sary
Fianakaviana mitondra sakafo ao anaty sambo

Nilaza tamin’i Lehia ny Tompo fa tonga amin’izay ny fotoana hidirana ao amin’ilay sambo. Nivatsy sakafo be dia be hohanina rehefa mamakivaky ny ranomasina ireo fianakaviana. Avy eo izy ireo dia niditra tao amin’ilay sambo ary nandeha nankany amin’ny tany nampanantenaina.

1 Nefia 18:5–8

Sary
Olona misotro ao anatin’ny sambo

Taorian’ny andro maro teny an-dranomasina dia nanomboka naneho tsy fanajana sy tsy nahalala fomba ny olona sasany. Hadinon’izy ireo fa nanampy azy ireo ny Tompo.

1 Nefia 18:9

Sary
I Lemoela sy i Nefia ary i Lamàna ao anaty sambo miaraka amin’ny tafio-drivotra iray izay mananontanona

Nanahy i Nefia fa mety hahatezitra ny Tompo izy ireo. Raha tsy misy ny fanampian’ny Tompo dia ho tandindomin-doza ny sambon’izy ireo. Nangataka ireo rahalahiny i Nefia mba hanajanona ny zavatra nataony.

1 Nefia 18:10

Sary
I Lamàna sy i Lemoela mamatotra an’i Nefia

Tezitra tamin’i Nefia i Lamàna sy i Lemoela. Nofatoran’izy ireo izy ary naneho haratsiam-panahy taminy izy ireo. Tsy nankatò ny Tompo izy ireo ary dia nijanona tsy nandeha intsony ny Liahônà. Vetivety foana dia nisy tafio-drivotra tonga. Taorian’ny telo andro tao anaty tafio-drivotra dia natahotra daholo izy ireo hoe hilentika.

1 Nefia 18:10–13

Sary
Vehivavy mitalaho amin’i Lamàna sy i Lemoela

Nitalaho tamin’i Lamàna sy i Lemoela ny fianakavian’i Nefia mba hamaha an’i Nefia. Saingy tsy navelan’i Lamàna sy i Lemoela hisy na iza na iza hamaha an’i Nefia. Nalahelo i Lehia sy i Sarià sy lasa narary mafy. Tsy nijanona ilay tafio-drivotra.

1 Nefia 18:17–19

Sary
I Nefia mihazona ny Liahônà

Tamin’ny andro fahefatra dia hitan’i Lamàna sy i Lemoela fa mby hilentika ilay sambo. Nibebaka izy ireo ary namaha an’i Nefia. Rehefa nivavaka i Nefia dia nijanona ilay tafio-drivotra. Nandeha indray ny Liahônà. Nampiasain’i Nefia izany hanamoriana ny sambo hankany amin’ny lalana tokony ho izy.

1 Nefia 18:14–15, 20–22

Sary
Fianakaviana mivoaka ny sambo sy i Lehia mivavaka

Taorian’ny andro maro dia tonga soa aman-tsara tany amin’ny tany nampanantenaina ireo fianakaviana.

1 Nefia 18:23