Scripture Stories
I Enôsa


“I Enôsa,” Tantara ao amin’ny Bokin’i Môrmôna (2023)

“I Enôsa,” Tantara ao amin’ny Bokin’i Môrmôna

Enôsa 1

I Enôsa

Vavaka feno hafanam-po natao tamin’ny Tompo

Sary
I Enôsa mihaza

Nomen’i Jakôba an’i Enôsa zanany lahy ireo takelaka. Nanoratra teo amin’izany tahaka ny nataon’i Jakôba i Enôsa. Indray andro, nandeha nihaza tany an’ala i Enôsa. Tsaroany ny zavatra nampianarin’ny rainy mikasika ny Tompo. Nampianatra an’i Enôsa i Jakôba fa ny fanarahana ny Tompo dia hitondra fifaliana ho azy.

Jakôba 7:27; Enôsa 1:2–3

Sary
I Enôsa mivavaka mandritra ny andro

Naniry ny hahatsapa ilay fifaliana noresahan-drainy i Enôsa. Nanapa-kevitra ny hivavaka amin’ny Tompo izy. Nivavaka nandritra ny andro manontolo sy ny alina manontolo izy.

Enôsa 1:3–4

Sary
I Enôsa mitraka

Nolazain’ny Tompo i Enôsa fa voavela ny helony. Tena faly i Enôsa. Notahiana i Enôsa noho ny finoany an’i Jesoa Kristy.

Enôsa 1:3, 5–8

Sary
I Enôsa mivavaka amin’ny alina

Naniry ny hahatsapan’ireo Nefita izany fifaliana izany ihany koa i Enôsa. Nanohy nivavaka izy. Nangataka tamin’ny Tompo izy mba hahatsapa fifaliana mitovy amin’ny azy koa ireo Nefita.

Enôsa 1:9

Sary
I Enôsa manana endrika faly

Nilaza tamin’i Enôsa ny Tompo fa hiaraka amin’ireo Nefita Izy raha toa ka mitandrina ny didiny izy ireo. Rehefa naheno izany i Enôsa dia vao mainka lasa natanjaka kokoa ny finoany ny Tompo.

Enôsa 1:10–11

Sary
I Enôsa manoratra eo amin’ireo takela-bolamena

Nivavaka indray i Enôsa. Nangataka ny Tompo izy mba hitahy ireo Lamanita ary ny mba hiaro ireo zavatra voasoratra ao amin’ireo takelaka. Naniry izy ny hahafahan’ireo Lamanita mamaky ny zavatra ao amin’ireo takelaka ary ny hino ny Tompo. Nampanantena an’i Enôsa ny Tompo fa ireo Lamanita dia hamaky ireo zavatra voasoratra indray andro any.

Enôsa 1:11–17