Scripture Stories
Ireo famantarana ny fahaterahan’i Jesoa


“Ireo famantarana ny fahaterahan’i Jesoa,” Tantara ao amin’ny Bokin’i Môrmôna (2023)

3 Nefia 1

Ireo famantarana ny fahaterahan’i Jesoa

Finoana ny fampianaran’ny mpaminany

Sary
reny sy ray miaraka amin’ny zazakely sy ny zanany mandeha ao amin’ny tanàna

Dimy taona teo ho eo izay no nampianaran’i Samoela mpaminany momba ny famantarana ny fahaterahan’i Jesoa Kristy. Maro ny olona nino sy niambina ny famantarana. Nilaza ny sasany fa diso i Samoela ary efa lasa ny fotoana itrangan’ireo famantarana. Naneso ny mpino izy ireo ary nilaza fa tsy ho avy Jesoa.

Helamàna 14:2–7; 3 Nefia 1:4–6

Sary
fianakaviana mipetraka ao an-trano, ary miteny ny rainy

Niahiahy ny mpino, nefa nanam-pinoana. Tsy nitsahatra nijery ireo famantarana izy ireo. Ny famantarana iray dia ny alina tsy mety maizina. Mbola hazava toy ny andro na dia efa milentika aza ny masoandro. Ny alina tsy misy haizina dia ho famantarana fa ho teraka any an-tany hafa i Jesoa ny ampitso.

Helamàna 14:2–4; 3 Nefia 1:7–8

Sary
raiki-tahotra ny fianakaviana rehefa voatabataba

Nanao drafitra ny olona tsy nino. Nifidy andro iray izy ireo ary nilaza fa raha tsy tonga amin’io andro io ilay famantarana, dia hovonoina ho faty ny mpino.

3 Nefia 1:9

Sary
Hitan’i Nefia fa ratsy fanahy tamin’ny fianakaviana ny olona

Lehilahy iray antsoina hoe Nefia no mpaminany tamin’izany fotoana izany. Nalahelo mafy izy fa nisy olona te hamono ny mpino.

3 Nefia 1:10

Sary
Mandohalika mivavaka i Nefia

Niankohoka tamin’ny tany i Nefia ary nivavaka tamin’ Andriamanitra ho an’ireo mpino izay efa mby ho faty noho ny finoany. Nivavaka nandritra ny tontolo andro izy.

3 Nefia 1:11–12

Sary
Mampifandray ny tanany i Nefia ary mivavaka

Ho valin’ny vavaka nataony dia nandre ny feon’i Jesoa i Nefia. Nilaza i Jesoa fa hitranga amin’io alina io ilay famantarana ary ho teraka ny ampitso Izy.

3 Nefia 1:12–14

Sary
olona talanjona mijery lanitra

Tsy nisy haizina tamin’io alina io na dia efa nilentika aza ny masoandro. Gaga izaitsizy ireo olona tsy nino ny tenin’i Samoela ka lavo tamin’ny tany. Natahotra izy ireo satria tsy nino. Tsy novonoina ho faty ny olona nino.

3 Nefia 1:15–19

Sary
fianakaviana talanjona mijery lanitra manga mamirapiratra

Niposaka indray ny masoandro ny ampitson’iny ary namirapiratra hatrany ny lanitra. Fantatry ny olona rehetra fa io no andro hahaterahan’i Jesoa.

3 Nefia 1:19

Sary
olona mijery ny lanitra ary mahita kintana vaovao

Nahita famantarana hafa koa ny olona. Nisy kintana vaovao niseho teny amin’ny lanitra. Tanteraka avokoa ny famantarana rehetra nolazain’i Samoela. Olona maro no nino an’i Jesoa ary natao batisa.

Helamàna 14:2–7; 3 Nefia 1:20–23