Scripture Stories
Amôna


“Amôna,” Tantara ao amin’ny Bokin’i Môrmôna (2023)

Almà 17–18

Amôna

Mpanompo tsotra

Sary
Mikopa-tanana manao veloma i Amôna sy ireo rahalahiny

Naniry ny hampianatra ireo Lamanita momba ny Tompo i Amôna sy ireo rahalahiny. Nandeha tany amin’ny tany izay nipetrahan’ireo Lamanita izy ireo. Teny an-dalana ho any izy ireo dia nifady hanina sy nivavaka mba hangataka ny fanampian’ny Tompo. Nampahery azy ireo ny Tompo. Nolazainy izy ireo mba hanana faharetana sy ho ohatra tsara. Samy nandeha tamin’ny toerana samy hafa izy ireo mba hampianatra.

Môzià 28:1–2; Almà 17:6–13

Sary
Mandohalika eo anoloan’ny mpanjaka sy ny mpanjakavavy i Amôna

Nandeha tamin’ny toerana iray antsoina hoe Ismaela i Amôna. Nofatoran’ny olona tao izy ary nentin’izy ireo tany amin’ny Mpanjaka Lamônia. Nilaza tamin’i Lamônia i Amôna fa naniry ny hiara-hiaina amin’ireo Lamanita izy. Tian’i Lamônia i Amôna ka navelany izy. Tiany hanambady ny iray amin’ireo zanany vavy i Amôna, saingy ny ho mpanompon’i Lamônia no nofidian’i Amôna.

Almà 17:20–25

Sary
mijery ondry avy eo amin’ny sorony i Amôna

Nolazain’i Lamônia i Amôna mba hikarakara ny bibiny. Indray andro dia nitondra ireo biby hisotro rano i Amôna sy ny mpanompo sasany. Raha teo am-pisotroana rano ireo biby dia nisy jiolahy tonga ka nampitahotra azy ireo. Natahotra ireo mpanompo hafa fa nahavery ny bibin’i Lamônia.

Almà 17:25–28; Almà 18:7

Sary
Amôna

Fantatr’i Amôna fa fahafahana iray hanehoana ny herin’ny Tompo izany. Nolazainy ireo mpanompo hafa mba tsy hatahotra dia nampiany izy ireo hitady ireo biby very.

Almà 17:29–32

Sary
mitana antsamotady hoditra i Amôna ary manondro ireo jiolahy

Niverina indray ireo jiolahy mba hampitahotra ireo biby. Fa tamin’io fotoana io kosa dia nolazain’i Amôna ireo mpanompo hafa mba hijanona sy hihazona ireo biby tsy hitsoaka.

Almà 17:33

Sary
I Amôna mijoro eo anoloan’ireo jiolahy

Nosakanan’i Amôna tsy hampitahotra ireo ondry ireo jiolahy. Tsy natahotra an’i Amôna ireo jiolahy. Nieritreritra izy ireo fa mafy noho izy. Saingy tsy fantatr’izy ireo fa nanampy an’i Amôna ny Tompo.

Almà 17:34–35

Sary
manipy vato any amin’ireo jiolahy i Amôna

Notorahan’i Amôna vato tamin’ny antsamotadiny ireo jiolahy. Maty ny sasany tamin’izy ireo. Nahatezitra ireo jiolahy sasany izany ary nikasa ny hamono an’i Amôna izy ireo. Gaga izy ireo fa tsy mety nahavoa an’i Amôna tamin’ny tora-baton’izy ireo. Tsy noeritreretin’izy ireo ho mafy be toy izany izy.

Almà 17:36

Sary
maka ny sabany i Amôna raha hikapoka amin’ny vatobe azy ireo jiolahy

Nanandrana nidaroka an’i Amôna amin’ny vatobe ireo jiolahy. Saingy isaky ny manandrana izy ireo dia notapahan’i Amôna tamin’ny sabany ny tanan’izy ireo ka tsy afaka niady izy ireo. Tsy ela dia natahotra mafy izy ireo ny hiady ka nitsoaka.

Almà 17:37–39

Sary
Manazava amin’ny Mpanjaka Lamônia ny zavatra nitranga ny mpanompo anankiroa

Nolazain’ireo mpanompo an’i Lamônia ny nanavotan’i Amôna ireo biby. Gaga i Lamônia. Noheveriny fa ny Fanahy Lehibe izay manana hery lehibe sy mahalala ny zava-drehetra i Amôna.

Almà 18:1–5, 18

Sary
Toa matahotra ny Mpanjaka Lamônia

Naniry ny hiresaka tamin’i Amôna i Lamônia saingy natahotra ihany koa izy.

Almà 18:8–11

Sary
I Amôna mandohalika eo anoloan’ny Mpanjaka Lamônia

Nandeha hijery an’i Lamônia i Amôna, saingy tsy fantatr’i Lamônia izay holazaina. Nampian’ny Tompo i Amôna hahafantatra ny eritreritr’i Lamônia. Nilaza i Amôna fa tsy ny Fanahy Lehibe izy. Nambarany an’i Lamônia fa Andriamanitra no ilay Fanahy Lehibe. Te hianatra bebe kokoa momba an’ Andriamanitra i Lamônia.

Almà 18:12–28

Sary
Miresaka amin’ny Mpanjaka Lamônia i Amôna

Nilaza i Amôna fa Andriamanitra no nanao ny tany sy ny olona rehetra eo aminy. Avy eo dia nolazain’i Amôna an’i Lamônia fa manana drafitry famonjena Andriamanitra. Ao anatin’izany drafitra izany dia ho avy i Jesoa Kristy. Nino ny zavatra nolazain’i Amôna i Lamônia. Nivavaka i Lamônia ary nangataka an’ Andriamanitra mba ho be indrafo aminy sy ny vahoakany.

Almà 18:24–36, 39–42