Scripture Stories
I Abinadia sy i Noà Mpanjaka


“I Abinadia sy i Noà Mpanjaka,” Tantara ao amin’ny Bokin’i Môrmôna (2023)

Môzià 11–17

I Abinadia sy i Noà Mpanjaka

Hafatra avy amin’ny Mpaminany iray

Sary
I Noà Mpanjaka manondro ary misy mpisorona roa mijoro ao aoriana

Nanapaka teo amin’ireo Nefita nipetraka tao amin’ny tanin’i Nefia i Noà Mpanjaka. Nataon’i Noà hanome vola be azy ny vahoakany dia nolaniany hividianana zavatra tsara ho azy samirery izany. Niantso mpisorona mpiavonavona izy mba hanampy azy hanapaka. Tsy nitandrina ny didin’ Andriamanitra i Noà. Nanao zavatra feno haratsiam-panahy maro izy.

Môzià 11:1–13

Sary
I Noà Mpanjaka

Notarihin’i Noà ho lasa ratsy fanahy ihany koa ny vahoakany. Tsy nanaraka ny Tompo izy ireo.

Môzià 11:7, 11, 14–15, 19

Sary
I Abinadia mijery ny olona manao zavatra ratsy

Nisy mpaminanin’ Andriamanitra iray antsoina hoe Abinadia nipetraka teo amin’ilay tany. Nalefan’ Andriamanitra i Abinadia hilaza amin’i Noà sy ny vahoakany mba hibebaka.

Môzià 11:20

Sary
Miresaka amin’ny vahoaka i Abinadia

Nilaza tamin’ny vahoaka i Abinadia fa maniry azy ireo mba hibebaka ny Tompo. Raha tsy mibebaka izy ireo dia ho avelan’ny Tompo ho tonga eo amin’ny taniny ny fahavalo ary hanapaka eo amin’izy ireo. Hataon’ireo fahavalony ho tena sarotra ny fiainan’i Noà sy ny vahoakany.

Môzià 11:20–25

Sary
Vahoaka tezitra

Tezitra tamin’i Abinadia ny vahoaka noho ny zavatra nolazainy. Te hamono azy izy ireo saingy narovan’ny Tompo i Abinadia ary nampiany handositra.

Môzià 11:26

Sary
Mamehy tanana i Noà Mpanjaka sady miresaka amin’ireo mpisorona

Te hamono an’i Abinadia koa i Noà. Tsy nino ny Tompo i Noà. Tsy nibebaka izy sy ny vahoakany.

Môzià 11:27–29

Sary
Mihazona ireo takelaka i Abinadia ary miresaka amin’ny fianakaviana

Roa taona taty aoriana dia nirahin’ny Tompo hiverina i Abinadia mba hampitandrina ny vahoaka. Nolazain’i Abinadia ny vahoaka fa ho alain’ny fahavalony ny tany satria tsy nibebaka izy ireo. Tezitra tamin’i Abinadia ny vahoaka. Nilaza hoe tsy nanao zavatra tsy nety izy ireo ka tsy hibebaka. Nofatoran’izy ireo i Abinadia ary nentiny tany amin’i Noà.

Môzià 12:1–16

Sary
I Abinadia mandohalika, i Noà Mpanjaka ao aoriany

Nanana drafitra i Noà sy ireo mpisorony. Niezaka namandrika an’i Abinadia ireo mpisorona tamin’ny alalan’ny fanontaniana maro. Saingy novalian’i Abinadia tamim-pahasahiana izy ireo. Talanjona tamin’ireo valin-tenin’i Abinadia ireo mpisorona. Tsy afaka namandrika azy izy ireo. Nolazain’i Abinadia ireo mpisorona fa manao ny vola ho zava-dehibe kokoa izy ireo fa tsy manao ny tsara.

Môzià 12:17–37

Sary
I Abinadia mijory sady mamiratra

Nasain’i Noà hovonoin’ireo mpisorony i Abinadia. Saingy nampitandreman’i Abinadia izy ireo mba tsy hikasika azy. Namirapiratra tamin’ny herin’ Andriamanitra ny tarehiny. Nilaza i Abinadia fa tsy nampianatra ny lalàn’ Andriamanitra ireo mpisorona. Nampianatra azy ireo i Abinadia fa ho teraka i Jesoa Kristy sy ho faty ho antsika, ary hitsangana amin’ny maty. Nilaza izy fa hamela heloka azy ireo i Jesoa raha toa ka mibebaka izy ireo.

Môzià 13; 16:6–15

Sary
I Abinadia mijery an’i Noà Mpanjaka

Nofaranan’i Abinadia ny hafatra nandefasan’ny Tompo azy mba hozarainy. Mbola tezitra hatrany i Noà. Nolazainy ireo mpisorony mba haka an’i Abinadia sy hamono azy.

Môzià 17:1

Sary
Mijery an’i Abinadia i Noà Mpanjaka, mieritreritra i Almà, ary tezitra ireo mpisorona hafa

Nisy mpisorona iray, i Almà, nino an’i Abinadia. Niezaka nanavotra an’i Abinadia i Almà. Saingy tezitra tamin’i Almà koa i Noà ka noroahiny izy.

Môzià 17:2–3

Sary
Miafina an’ireo mpisorona ratsy fanahy i Almà

Nilaza an’i Abinadia ireo mpisorona fa afaka ny ho velona izy raha toa ka milaza fa tsy marina ny zavatra nampianarina. Nilaza anefa i Abinadia fa nampianatra ny marina izy. Lasa tezitra indray i Noà sy ireo mpisorony. Nalefan’izy ireo hovonoina amin’ny afo i Abinadia. Nanandrana namono an’i Almà ihany koa ireo mpiambina an’i Noà. Saingy niafina i Almà ary nanoratra ny teny rehetra nolazain’i Abinadia.

Môzià 17:3–13, 20