Boky sy lesona
Toko 1: Ny Raintsika any An-danitra


Toko 1

Ny Raintsika any An-danitra

Sary
Hubble image of the galaxy

Misy Andriamanitra

  • Inona ireo zavatra sasantsasany izay manaporofo aminao fa misy Andriamanitra?

I Almà izay mpaminany iray ao amin’ny Bokin’i Môrmôna dia nampianatra hoe: “Ny zava-drehetra dia maneho fa misy Andriamanitra; eny na dia ny tany aza sy ny zavatra rehetra eo amboniny, eny, ary ny fihodiny, eny, ary ny planeta rehetra koa izay mihodina araka ny laminy ara-dalàna dia vavolombelona fa misy ny Mpahary Faratampony” (Almà 30:44). Afaka mitraka mijery ny lanitra isika amin’ny alina ary mahatakatra ny zavatra tian’i Almà nolazaina. Misy an-tapitrisany ireo kintana sy planeta izay mirindra tanteraka araka ny filaharany. Tsy kisendrasendra no nahatongavany teny. Afaka mahita ny asan’Andriamanitra isika eny amin’ny lanitra sy ety an-tany. Ireo zavamaniry tsara tarehy, ny karazam-biby maro, ny tendrombohitra sy ny renirano ary ny rahona izay mitondra orana sy ranomandry ho antsika—ireo rehetra ireo dia manaporofo amintsika fa misy Andriamanitra.

Nampianatra antsika ireo mpaminany fa Andriamanitra no Mpanapaka Tsitohan’izao tontolo izao. Mipetraka any an-danitra Andriamanitra (jereo F&F 20:17). Tamin’ny alalan’ny Zanany Jesoa Kristy no nahariany ny lanitra sy ny tany ary ny zava-drehetra izay eo aminy (jereo 3 Nefia 9:15; Mosesy 2:1). Nanao ny volana, ny kintana ary ny masoandro Izy. Namolavola ity izao tontolo izao ity Izy ary nomeny endrika sy nampihetsehiny ary nomeny aina izany. Nofenoiny zavamananaina ny habakabaka sy ny rano. Norakofany biby maro samihafa ny havoana sy ny tany lemaka. Nomeny andro sy alina, fahavaratra sy ririnina ary fotoam-pambolena sy fijinjana isika. Nohariany tahaka ny endriny ny olona mba hanjaka amin’ireo zava-boahariny hafa (jereo Genesisy 1:26–27).

Andriamanitra no Olona Faratampony sy Tsitoha izay inoantsika sy ivavahantsika. Izy no “Ray Lehiben’izao tontolo izao,” ary “ny fianakavian’ny olombelona dia anehoany manokana an’ilay fikarakarana sy fitiavana avy amin’ny ray” (Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith (Enseignements des Présidents de l’Église): Joseph Smith [2007], 39).

Ny Toetoetran’Andriamanitra

  • Inona avy ny sasany amin’ireo toetran’Andriamanitra?

Satria nohariana araka ny endriny isika (jereo Mosesy 2:26; 6:9), dia fantatsika fa ny vatantsika dia mitovy amin’ny vatany. Ny fanahiny mandrakizay dia mitoetra ao anatin’ny vatana nofo sy taolana azo tsapain-tanana (jereo F&F 130:22). Ny vatan’Andriamanitra anefa dia lavorary sy feno voninahitra, izay voninahitra tsy hay faritana.

Andriamanitra dia lavorary. Andriamanitry ny fahamarinana Izy, ary manana toetra toy ny fitiavana, famindram-po, fiantrana, fahamarinana, fananan-kery, finoana, fahalalana ary fahaiza-mandanjalanja. Manana ny hery rehetra Izy. Mahafantatra ny zava-drehetra Izy. Feno hatsarana Izy.

Avy amin’Andriamanitra ny zavatra tsara rehetra. Ny zavatra rehetra ataony dia mba hanampiana ny zanany ho lasa tahaka Azy. Hoy Izy hoe: “Fa indro, izao no asako sy voninahitro—ny manatanteraka ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizain’ny olona” (Mosesy 1:39).

  • Nahoana no zava-dehibe amintsika ny mahafantatra ny toetoetran’Andriamanitra?

Lasa Mahafantatra tsara an’Andriamanitra

  • Ahoana no ahafahantsika mahafantatra tsara an’Andriamanitra?

Noho ny maha zava-dehibe ny fahafantarana an’Andriamanitra, dia nilaza ny Mpamonjy hoe: “Ary izao ny fiainana mandrakizay dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesosy Kristy, Izay efa nirahinao” (Jaona 17:3).

Ny didy voalohany sy lehibe indrindra dia hoe: “Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny sainao rehetra” (Matio 22:37).

Arakaraka ny ahafantarantsika bebe kokoa an’Andriamanitra no itiavantsika Azy bebe kokoa ary itandremantsika bebe kokoa ny didiny (jereo 1 Jaona 2:3–5). Afaka ny hitovy Aminy isika rehefa mitandrina ny didiny.

Afaka mahafantatra tsara an’Andriamanitra isika raha toa ka:

  1. Mino fa misy Izy ary tia antsika Izy (jereo Môsià 4:9).

  2. Mandalina ny soratra masina (jereo 2 Timoty 3:14–17).

  3. Mivavaka Aminy (jereo Jakoba 1:5).

  4. Mitandrina ny didiny rehetra araka izay farany azontsika atao (jereo Jaona 14:21–23).

Raha manao ireo zavatra ireo isika dia hahafantatra tsara an’Andriamanitra ary dia hahazo ny fiainana mandrakizay.

  • Eritrereto ny zavatra azonao atao mba hanatonana bebe kokoa an’Andriamanitra.

Soratra Masina Fanampiny