Boky sy lesona
Toko 3: Jesoa Kristy, Ilay Mpitarika sy Mpamonjy Voafidy ho Antsika


Toko 3

Jesoa Kristy, Ilay Mpitarika sy Mpamonjy Voafidy ho Antsika

Sary
Cropped portion of Carl Bloch's painting depicting Christ sitting at a table with the two men with whom He walked on the road to Emmaus.

Nilaina ny Hananana Mpamonjy sy Mpitarika iray

  • Nahoana no nila niala teo anatrehan’ny Ray any An-danitra isika? Nahoana no mila Mpamonjy isika?

Rehefa naseho antsika ilay drafitry ny famonjena tany amin’ny tontolon’ny fanahy talohan’ny nahaterahana, dia tena faly isika ka nihoby (jereo Joba 38:7).

Azontsika fa tsy maintsy handao ilay fonenantsika any an-danitra mandritra ny fotoana voafetra isika. Tsy hiaina eo anatrehan’ny Raintsika any An-danitra isika. Rehefa tsy ho eo anatrehany isika, dia hanota daholo isika rehetra ary ho very ny sasany amintsika. Fantatry ny Raintsika any An-danitra isika tsirairay avy ary tiany. Fantany fa hila fanampiana isika ka nanomana fomba hanampiana antsika Izy.

Nila Mpamonjy mba hanefa ny vidin’ny otantsika isika sy hampianatra antsika ny fomba hiverenana any amin’ny Raintsika any An-danitra. Hoy ny Raintsika hoe: “Iza no Hirahako?” (Abrahama 3:27). Dia namaly i Jesoa Kristy izay nantsoina hoe Jehovah hoe: “Inty Aho, iraho Aho” (Abrahama 3:27; jereo koa Mosesy 4:1–4).

Vonona ny ho tonga tety an-tany i Jesoa sy hanolotra ny fiainany ho antsika ary hitondra eo Aminy ny fahotantsika. Tahaka ny Raintsika any An-danitra, dia tiany koa isika hisafidy raha toa ka te- hankatò ny didin’ny Raintsika any An-danitra na tsia. Fantany fa tokony hanana fahafahana misafidy isika mba hahafahana manaporofo fa mendrika ny fisandratana. Hoy i Jesoa hoe: “Ray ô, hatao anie ny sitraponao ary ho Anao ny voninahitra mandrakizay” (Mosesy 4:2).

Tonga koa i Satana izay nantsoina hoe Losifera ary nilaza hoe: “Indro, inty aho, iraho aho, ho zanakalahinao aho ary havotako ny olombelona rehetra ka tsy hisy olona iray ho very, ary hataoko marina tokoa izany; ka omeo ahy ny voninahitrao” (Mosesy 4:1). Nirian’i Satana ny hanery antsika rehetra hanaraka ny sitrapony. Raha ny drafiny dia tsy ho afaka ny hisafidy isika. Hataony izay hanesorana ilay fahafahana misafidy izay nomen’ny Raintsika antsika. Tian’i Satana ho azo ny voninahitra rehetra noho ny famonjena antsika. Raha ny drafitra narosony dia ho zary voatohintohina ilay tanjona ahatongavantsika eto an-tany (jereo Teachings of Presidents of the Church (Enseignements des Présidents de l’Église): David O. McKay [2003], 207).

Lasa Mpitarika sy Mpamonjy Voafidy ho Antsika i Jesoa

  • Rehefa mamaky ity fizarana ity ianao dia eritrereto ny zavatra tsapanao momba ny Mpamonjy.

Rehefa avy nihaino ny tenin’ireo zanakalahiny anankiroa ny Ray any An-danitra dia nilaza hoe: “Haniraka iry voalohany Aho” (Abrahama 3:27).

Voafidy sy voatendry mialoha ho Mpamonjy antsika i Jesoa Kristy. Maro ireo soratra masina milaza momba izany (jereo, ohatra, 1 Petera 1:19–20; Mosesy 4:1–2). Misy soratra masina iray milaza amintsika fa elabe talohan’ny nahaterahan’i Jesoa, dia niseho tamin’ny mpaminany iray ao amin’ny Bokin’i Môrmôna Izy izay fantatra amin’ny anarana hoe ny rahalahin’i Jareda ary nilaza hoe: “Indro, Izaho Ilay efa nomanina hatry ny fanorenana izao tontolo izao mba hanavotra ny oloko. Indro, Izaho no Jesoa Kristy. … Ao amiko no hananan’ny olona rehetra fiainana mandrakizay, dia ireo izay hino ny anarako” (Etera 3:14).

Rehefa niaina tety an-tany i Jesoa dia nampianatra hoe: “Fa tsy nidina avy tany an-danitra Aho mba hanao ny sitrapoko fa ny sitrapon’Izay naniraka Ahy. … Fa izao no sitrapon’ny Raiko, dia ny hahazoan’izay rehetra mijery ny Zanaka ka mino Azy fiainana mandrakizay; ary Izaho hanangana azy amin’ny andro farany” (Jaona 6:38, 40).

Ny Ady tany An-danitra

Noho i Jesoa Kristy nofidian’ny Raintsika any An-danitra ho Mpamonjy dia lasa tezitra i Satana ary nikomy. Nisy ady tany an-danitra. Niady tamin’i Jesoa Kristy sy ny mpanara-dia Azy i Satana sy ny mpanara-dia azy. Ireo mpanara-dia ny Mpamonjy dia “naharesy an’i [Satana] noho ny amin’ny ran’ny Zanak’ondry sy ny teny filazana Azy” (Apokalypsy 12:11).

Tao anatin’izany fikomiana lehibe izany dia noroahana tsy ho eo anatrehan’Andriamanitra sy nazera avy tao an-danitra i Satana sy ireo fanahy rehetra izay nanaraka azy. Nosaziana ny ampahatelon’ny miaramilan’ny lanitra noho ny fanarahany an’i Satana (jereo F&F 29:36). Tsy nomena azy ireo ilay zo hahazo vatana mety maty.

Noho isika eto an-tany ary manana vatana mety maty, dia fantatsika fa nisafidy ny hanaraka an’i Jesoa Kristy sy ny Raintsika any An-danitra isika. Eto an-tany koa i Satana sy ny mpanara-dia azy saingy miendrika fanahy izy ireo. Tsy hadinon’izy ireo hoe iza isika ary manodidina antsika isan’andro izy ireo, maka fanahy antsika sy mamporisika antsika hanao zavatra izay tsy mahafaly ny Raintsika any An-danitra. Nisafidy ny hanaraka an’i Jesoa Kristy sy hanaiky ny drafitr’Andriamanitra isika tany amin’ny fiainantsika talohan’ny nahaterahana. Tsy maintsy manohy manaraka an’i Jesoa Kristy isika eto an-tany. Amin’ny alalan’ny fanarahana Azy ihany no ahafahantsika miverina any amin’ilay fonenantsika any an-danitra.

  • Manao ahoana ny fomba mbola itohizan’ilay Ady tany an-danitra ankehitriny?

Manana ny Fampianaran’ny Mpamonjy izay tokony Harahana isika

  • Eritrereto ny fomba nitarihan’ny fampianaran’ny Mpamonjy anao.

Hatrany am-boalohany dia efa nambaran’i Jesoa Kristy ny filazantsara izay milaza amintsika ny tokony hataontsika mba hiverenana any amin’ny Raintsika any An-danitra. Tonga teto an-tany Izy tamin’ny fotoana efa voatondro. Nampianatra ny drafitry ny famonjena sy ny fisandratana Izy tamin’ny alalan’ny teniny sy ny fomba niainany. Nanorina ny Fiangonany Izy sy nametraka ny Fisoronany teto an-tany. Noraisiny ho eo Aminy ny fahotantsika.

Afaka ny handova toerana iray any amin’ny fanjakana selestialy isika amin’ny alalan’ny fanarahana ny fampianarany. Nanao ny anjarany Izy mba hanampiana antsika hiverina any amin’ilay fonenantsika any an-danitra. Andraikitsika tsirairay avy ankehitriny ny manao ny anjarantsika sy ho lasa mendrika ny fisandratana.

Soratra Masina Fanampiny