Boky sy lesona
Toko 41: Ny Tontolon’ny Fanahy


Toko 41

Ny Tontolon’ny Fanahy

Sary
A mother in a wheelchair is surrounded by three young children. They are in a cemetery in front of a tombstone.

Fiainana aorian’ny Fahafatesana

  • Inona no mitranga amintsika aorian’ny fahafatesantsika?

Nanomana drafitra ho an’ny famonjena antsika ny Ray any An-danitra. Anisan’ny tao anatin’ny drafiny ny fandefasany antsika hiaina eto an-tany niala avy tany Aminy sy ny fahazoantsika vatana nofo sy taolana mety maty. Ho faty tokoa ny vatantsika ary ny fanahintsika dia ho an’ny amin’ny tontolon’ny fanahy. Ny tontolon’ny fanahy dia toerana iandrasana, iasana, ary ianarana ary ho an’ny marina dia toerana hialana sasatra amin’ny fiahiahiana sy ny alahelo izany. Hipetraka any ny fanahintsika mandrapahavonona antsika amin’ny fitsanganana amin’ny maty. Dia hikambana indray ny vatantsika sy ny fanahintsika ary hahazo ilay fanjakam-boninahitra izay efa nanomanantsika ny tenantsika isika (jereo ny toko 46 ao amin’ity boky ity).

Maro ireo olona nanontany tena hoe manao ahoana izany tontolon’ny fanahy izany. Ny soratra masina sy ny mpaminanin’ny andro farany dia nanome fampahalalana antsika momba ny tontolon’ny fanahy.

  • Inona no fankaherezana azonao noho ny fahafantaranao fa misy fiainana aorian’ny fahafatesana? Ahoana no fomba ahafahantsika mampiasa ny fahatakarantsika momba ny tontolon’ny fanahy aorian’ny fahafatesana mba hankaherezana ny hafa?

Aiza no misy ny Tontolon’ny Fanahy?

Nolazain’ny mpaminanin’ny andro farany fa tsy lavitra antsika ny fanahin’ireo maty. Hoy ny Filoha Ezra Taft Benson hoe: “Indraindray dia lasa tena manify ny voaly manasaraka izao fiainana izao sy ny fiainana any ankoatra. Ireo olon-tiantsika izay maty dia tsy lavitra antsika” (ao amin’ny tatitry ny Fihaonambe, Apr. 1971, 18; na Ensign, Jiona 1971, 33). Nampianatra ny Filoha Brigham Young fa ny tontolon’ny fanahy dia eto an-tany, eo amin’ny manodidina antsika (jereo Teachings of Presidents of the Church (Enseignements des Présidents de l’Église): Brigham Young [1997], 279).

Manao Ahoana ny Toetoetry ny Fanahintsika?

Ny fanahy dia mitovy bika amin’ny vatana ananan’ny olombelona saingy ny vatan’ny fanahy dia manana endrika tonga lafatra (jereo Etera 3:16). Ireo fanahy ireo dia mitondra miaraka aminy rehefa miala avy eto an-tany ny toe-panahiny feno fanoloran-tena amin’ny zavatra mahakasika ny fahamarinana na ny toetrany manohitra izany (jereo Almà 34:34). Mbola manana ihany koa ireo filana sy faniriana nananany fony teto an-tany izy ireo. Ny fanahy rehetra dia manana endrik’olon-dehibe. Olon-dehibe izy ireo talohan’ny fiainany teto an-tany ary manana endrik’olon-dehibe izy ireo aorian’ny fahafatesana na dia maty fony mbola zazakely na fony mbola ankizy aza izy ireo (jereo Teachings of Presidents of the Church (Enseignements des Présidents de l’Église): Joseph F. Smith [1998], 131–32).

  • Nahoana no zava-dehibe ny mahafantatra fa ny fanahintsika dia hanana ny toetrany izay ananany ankehitriny any amin’ny tontolon’ny fanahy?

Inona avy ireo Fepetra any amin’ny Tontolon’ny Fanahy?

Ny mpaminany Almà ao amin’ny Bokin’i Môrmôna dia nampianatra momba ny fizarana na toe-javatra roa ao anatin’ny tontolon’ny fanahy:

“Ny fanahin’ireo izay marina dia raisina ao amin’ny toetry ny fahasambarana izay antsoina hoe paradisa, dia ny toetry ny fitsaharana, ny toetry ny fiadanana izay hialany sasatra amin’ny fahasahiranana rehetra sy ny fiahiahiana rehetra ary ny alahelo.

“Ary amin’izany ny zavatra hitranga, ny fanahin’ny olon-dratsy, eny, izay mamohehatra—fa indro, tsy manana anjara na ampahany amin’ny Fanahin’ny Tompo izy; satria indro, nofidiany ny asa mamohehatra toy izay ny tsara; noho izany dia nidiran’ny fanahin’ny devoly tao aminy ary noraisiny ny fizakana ny tranony—ary hatsipy any amin’ny haizina ivelany izy; hisy fitomaniana sy fidradradrana ary fikotroha-nify, ary izany dia noho ny helony ihany, rehefa nentin’ny sitrapon’ny devoly ho babo.

“Ankehitriny, dia izany no toetry ny fanahin’ny ratsy eny, ao amin’ny haizina sy ny toetra mahatsiravina, feno tahotra, eo am-piandrandrana ny fahatezerana mirehitra sy ny fisafoahan’Andriamanitra aminy; toy izany no ijanonany ao amin’izany toetra izany, toy ny marina ao amin’ny paradisa, ambara-pahatongan’ny fotoan’ny fitsanganany amin’ny maty” (Almà 40:12–14).

Ireo fanahy ireo dia sokajiana araka ny fahadiovan’ny fiainany sy ny fankatoavany ny sitrapon’ny Tompo fony izy ireo teto an-tany. Misaraka ny marina sy ny ratsy fanahy (jereo 1 Nefia 15:28–30), saingy afaka mivoatra ireo fanahy ireo rehefa mianatra ny fitsipiky ny filazantsara izy ireo ary miaina araka izany. Ireo fanahy any amin’ny paradisa dia afaka mampianatra ireo fanahy any amin’ny tranomaizina (jereo F&F 138).

Paradisa

Araka ny mpaminany Almà, dia miala sasatra amin’ny fiahiahiana sy ny alahelo teto an-tany ny fanahin’ny marina. Na dia izany aza dia sahirana manao ny asan’ny Tompo izy ireo. Hitan’ny Filoha Joseph F. Smith tao anatin’ny fahitana fa fotoana fohy taorian’ny nanomboana an’i Jesoa Kristy dia nandeha nitsidika ireo fanahin’ny marina tany amin’ny tontolon’ny fanahy Izy. Nanendry iraka Izy ka nomeny ny hery sy ny fahefana izy ireo ary nodidiany “hitondra ny fahazavan’ny filazantsara ho an’ireo izay tao amin’ny haizina, dia ho an’ny fanahin’ny olona rehetra” (F&F 138:30).

Miorina any amin’ny tontolon’ny fanahy ny Fiangonana ary misy mpihazona ny fisoronana manohy ny asany any (jereo F&F 138:30). Nampianatra ny Filoha Wilford Woodruff hoe: “Ilay fisoronana misy eto dia misy ihany koa any amin’ny faritra ilan’ny voaly. … Ny Apôstôly, ny Fitopololahy sy ny Loholona rehetra sns., izay maty tao anatin’ny finoana dia mirotsaka manao asa fanompoana raha vao lasa any amin’ny faritra ilan’ny voaly” (Deseret News, Jan. 25, 1882, 818).

Manan-danja lehibe koa ny fifandraisan’ny fianakaviana. Ny Filoha Jedediah M. Grant, izay mpanolotsain’i Brigham Young, dia nahita ny tontolon’ny fanahy ary namaritra tamin’i Heber C. Kimball ny rafitra misy any: “Nilaza izy fa ny olona izay hitany tany dia tsinjaraina isam-pianakaviana. … Hoy izy hoe: ‘Rehefa nijery ireo fianakaviana ireo aho, dia misy zavatra tsy mety ny an’ny sasany, … satria nahita fianakaviana aho izay tsy havela hiara-honina satria tsy nanaja ny antsony tety izy ireo’” (Deseret News, Des. 10, 1856, 316–17).

Tranomaizin’ny Fanahy

Nolazain’ny Apôstôly Petera ho toy ny tranomaizina ny tontolon’ny fanahy, izay izany tokoa ho an’ny sasany (jereo 1 Petera 3:18–20). Ao amin’ny tranomaizin’ny fanahy dia misy ireo fanahy izay tsy mbola nandray ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Manana fahafahana misafidy ireo fanahy ireo ary mety ho voasariky ny ratsy sy ny tsara. Raha manaiky ny filazantsara sy ny ôrdônansy notanterahana ho azy ireo tany amin’ny tempoly izy ireo, dia afaka miala ao amin’ny tranomaizin’ny fanahy ary mipetraka any amin’ny paradisa.

Any amin’ny tranomaizin’ny fanahy koa no misy ireo izay nandà ny filazantsara rehefa notoriana izany tety an-tany na tao amin’ny tranomaizin’ny fanahy izy ireo. Ireo fanahy ireo dia ianjadian’ny fijaliana ao amin’ny toerana fantatra hoe helo. Nanala ny tenany tamin’ny famidram-pon’i Jesoa Kristy izy ireo izay nilaza hoe: “Fa indro, Izaho Andriamanitra dia efa nijaly tamin’ireo zavatra ireo ho an’ny rehetra, mba tsy hahatonga azy ireo hijaly raha mibebaka. Nefa raha tsy mety mibebaka izy ireo dia tsy maintsy mijaly tahaka Ahy. Fijaliana izay nahatonga ny Tenako, Ilay Andriamanitra, Ilay lehibe indrindra noho ny rehetra, hangovitra noho ny fangirifiriana sy hivoa-dra amin’ny mason-koditra rehetra, ary hijaly na vatana na fanahy” (F&F 19:16–18). Rehefa nijaly tamin’ny fahotan’izy ireo Izy dia hanana fahafahana ny handova ny fanjakam-boninahitra ambany indrindra izy ireo, izay ny fanjakana telestialy, amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.

  • Eo amin’ny lafiny inona no mampitovy ny toe-javatra misy any amin’ny tontolon’ny fanahy amin’ny toe-javatra eto amin’ity fiainana ity?

Soratra Masina Fanampiny

  • 1 Petera 4:6 (torina amin’ny maty ny filazantsara)

  • Mosesy 7:37–39 (tranomaizin’ny fanahy izay nomanina ho an’ny olon-dratsy)

  • F&F 76 (fanambarana momba ireo fanjakam-boninahitra telo)

  • Lioka 16:19–31 (ny zavatra niseho tamin’ilay malahelo sy mpanan-karena tany amin’ny tontolon’ny fanahy)