Boky sy lesona
Toko 19: Fibebahana


Toko 19

Fibebahana

Sary
An Hispanic young woman crying. She is holding a handkerchief. Tears are rolling down her face.

Mila Mibebaka Daholo Isika

  • Inona no atao hoe fahotana? Inona no fiantraikan’ny fahotana eo amintsika?

Ny finoana an’i Jesoa Kristy mazava ho azy dia mitondra any amin’ny fibebahana. Nisy foana ny filana ny fibebahana teto an-tany nanomboka tany amin’i Adama ka hatramin’izao fotoana izao. Nodidian’ny Tompo i Adama hoe: “Koa ampianaro ny zanakao izao fa ny olona rehetra, na aiza na aiza, dia tsy maintsy mibebaka, fa raha tsy izany dia tsy afaka mandova mihitsy ny fanjakan’Andriamantira izy, fa tsy misy zavatra tsy madio afaka mitoetra ao na mitoetra eo anatrehany” (Mosesy 6:57).

Tonga eto an-tany isika noho ilay tanjona mba hivoatra sy handroso. Dingana atao mandritra ny fiainana iray manontolo izany. Manota daholo isika mandritra izany fotoana izany (jereo Romana 3:23). Mila mibebaka isika rehetra. Indraindray isika dia manota noho ny tsy fahalalana; indraindray noho ny fahalementsika ary indraindray noho ny tsy fankatoavana natao fanahy iniana. Hitantsika ao amin’ny Baiboly fa “tsy misy olona marina ambonin’ny tany izay manao tsara ka tsy manota” (Mpitoriteny 7:20) ary “raha tsy manana isika dia mamita-tena, ary ny marina tsy ato anatintsika” (1 Jaona 1:8).

Inona no atao hoe fahotana? Hoy i Jakoba hoe: “Koa izay mahalala hanao soa, nefa tsy manao, dia heloka ho azy izany” (Jakoba 4:17). I Jaona dia namaritra fa ny fahotana dia ny “tsy fahamarinana rehetra” (1 Jaona 5:17) sy “fandikana ny lalàna” (1 Jaona 3:4).

Izany no antony nilazan’ny Tompo hoe: “Ny olona rehetra na aiza na aiza, dia tsy maintsy mibebaka” (Mosesy 6:57). Ny olona rehetra niaina teto an-tany dia nanota daholo afa-tsy i Jesoa Kristy, izay nanana fiainana lavorary. Noho ny fitiavana lehiben’ny Raintsika any An-danitra, dia nanome fomba ahafahantsika mibebaka amin’ny fahotantsika Izy.

Afaka amin’ny Fahotantsika amin’ny Alalan’ny Fibebahana

  • Inona no atao hoe fibebahana?

Ny fibebahana no fomba nomena antsika mba hahafahana hanala ny otantsika sy hahazo famelan-keloka noho izany. Mampiadana ny fivoarana ara-panahintsika ny fahotantsika ary mety mampitsahatra izany mihitsy aza. Manome fahafahana antsika hivoatra sy hitombo ara-panahy indray ny fibebahana.

Ny fahafahana mibebaka dia tanteraka tamin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Nividy ny otantsika i Jesoa tamin’ny fomba izay tsy takatry ny saintsika tanteraka. Hoy ny Filoha Joseph Fielding Smith hoe:

“Efa niaina fanaintainana aho ary efa niaina fanaintainana koa ianao, ary somary mafy aza izany indraindray; saingy tsy takatry ny saiko ilay fanaintainana … izay mahatonga ny ra, hivoaka avy ao anatin’ny vatana toy ny hatsembohana. Zavatra mahatsiravina sy mampihoron-koditra izany. …

“… Tsy mbola nisy velively olona iray teraka teto amin’izao tontolo izao izay afaka nahazaka ilay enta-mavesatra nolanjain’ny Zanak’Andriamanitra, tamin’Izy nibaby ny otako sy ny otanao sy nanao izay ahafahantsika ho afaka amin’ny fahotantsika” (Doctrines of Salvation, nofantenan’i Bruce R. McConkie, Boky 3 [1954–56], 1:130–31; soramandry ao amin’ny boky niaingana).

Indraindray ny fibebahana dia mitaky herimpo sy hery lehibe, ranomaso havozona, vavaka tsy tapaka ary ezaka mafy amin’ny fitandremana ny didin’ny Tompo.

Ireo Fitsipiky ny Fibebahana

  • Inona avy ireo fitsipiky ny fibebahana?

Nanambara ny Filoha Spencer W. Kimball hoe: “Tsy misy lalana tsara hafa manokana mankany amin’ny fibebahana, na lalana tsara hafa manokana mankany amin’ny famelan-keloka. Tsy maintsy manaraka ilay lalana iray mitovy ihany ny olona rehetra, na manan-karena na mahantra, na nianatra na tsy nianatra, na lava na fohy, na ny zanaky ny Andriamanjaka na ny fadiranovana, ary na ny mpanjaka na ny sarambaben’ny olona” (Teachings of Presidents of the Church (Enseignements des Présidents de l’Église): Spencer W. Kimball [2006], 38; miendrika soramandry tany amin’ny boky niaingana).

Mila Manaiky Ireo Fahotantsika Isika

Rehefa mibebaka isika dia tsy maintsy miaiky amin’ny tenantsika fa hoe nanota. Raha tsy miaiky izany isika, dia tsy afaka ny hibebaka.

I Almà dia nanoro hevitra an’i Kôriantona zanakalahiny, izay tsy nanaja ny antsony tamin’ny naha misiônera azy ary nahavita fahotana lehibe: “Aoka ny fahotanao ihany no hanahirana anao, amin’ity fahasahiranana ity izay hitondra anao hidina amin’ny fibebahana. … Aza miezaka ny hanala tsiny ny tenanao, na dia kely ihany aza” (Almà 42:29–30). Ny soratra masina dia mbola manoro hevitra antsika mba tsy hanamarin-tena amin’ireo fomba ratsy fanaontsika (jereo Lioka 16:15–16).

Tsy afaka hanafina amin’ny tenantsika sy amin’ny Tompo izay zavatra nataontsika teo amin’ny fiainantsika isika.

Mila Mahatsapa Alahelo noho ny Fahotantsika Isika

Ankoatra ny fiekena ny fahotantsika, dia mila mahatsapa alahelo marina isika noho ny zavatra nataontsika. Tokony hahatsapa isika fa tena ratsy ny fahotantsika. Tokony haniry ny hanala izany sy hiala amin’izany isika. Ny soratra masina dia miteny amintsika hoe: “Ireo rehetra izay manetry ny tenany eo anoloan’Andriamanitra ary maniry ny hatao batisa, ka manatona amin’ny fo torotoro sy ny fanahy manenina ary … efa nibebaka marina tokoa tamin’ny fahotany rehetra … dia horaisina ao amin’ny fiangonany amin’ny alalan’ny batisa” (F&F 20:37).

Mila Mitsahatra Tsy Hanota Isika

Ny alahelontsika lalina dia tokony hitondra antsika any amin’ny fampitsaharana (fanajanonana) ny fahotantsika. Raha nangalatra zavatra isika dia tsy hangalatra intsony. Raha nandainga isika dia tsy handainga intsony. Raha nijangajanga isika dia hanajanona izany. Nanambara tamin’ny Mpaminany Joseph Smith ny Tompo hoe: “Izao no ahafantaranareo raha mibebaka amin’ny fahotany ny olona—indro hibaboka izany izy ary hahafoy izany” (F&F 58:43).

Mila Miaiky ny Fahotantsika Isika

Tena zava-dehibe ny miaiky ny fahotantsika. Nandidy antsika ny Tompo mba hiaiky ny fahotantsika. Ny fiekena dia manamaivana ny enta-mavesatry ny mpanota. Nampanantena ny Tompo hoe: “Izaho Tompo dia mamela ny fahotana ary feno famindram-po amin’ireo izay miaiky ny fahotany amin’ny fietren’ny fony” (F&F 61:2).

Mila miaiky ny fahotantsika rehetra amin’ny Tompo isika. Ankoatra izany dia mila miaiky ireo fahotana mamohehatra isika—toy ny fanitsakitsaham-bady, ny fahavetavetana, ny firaisana ara-nofo eo amin’ny lehilahy samy lehilahy na eo amin’ny vehivavy samy vehivavy, ny herisetra atao amin’ny vady na ny zanaka ary ny fivarotana na fampiasana zava-mahadomelina tsy ara-dalàna—izay mety hisy fiantraikany eo amin’ny toerantsika ato amin’ny Fiangonana, any amin’izay manampahefan’ny fisoronana misahana izany. Raha niantraika tamin’ny olon-kafa ny fahotantsika, dia tokony hiaiky izany amin’ilay olona nanaovantsika ny tsy mety isika. Ny fahotana tsy dia mamohehatra kosa dia tsy misy idiran’ny hafa afa-tsy isika sy ny Tompo irery ihany. Afaka miaiky izany manokana amin’ny Tompo isika.

Mila Manarina ny Ratsy Vitantsika Isika

Tafiditra ao anatin’ny fibebahana ny fanarenana ny ratsy vita. Izany dia midika fa raha mbola azo atao dia tokony hanitsy ny zavatra ratsy nataontsika isika. Ohatra, tokony hamerina izay nangalariny ny mpangalatra iray. Tokony hampahafantatra ny marina ny mpandainga iray. Ny mpifosa iray izay nanaratsy ny toetran’ny olona iray dia tokony hanao izay hamerenana ny laza tsaran’ilay olona nomeny fanafintohinana. Rehefa manao ireo zavatra ireo isika, dia tsy holazain’Andriamanitra amintsika ireo fahotantsika rehefa hotsaraina isika (jereo Ezekiela 33:15–16).

Mila Mamela ny Hafa Isika

Anisan’ny lafiny iray tena lehibe ao amin’ny fibebahana ny mamela ireo izay nanao ratsy tamintsika. Tsy hamela antsika ny Tompo raha tsy efa tsy ahitana fankahalana, alahelo sy eritreri-dratsy momba ny olona hafa intsony ny fontsika (jereo 3 Nefia 13:14–15). “Koa lazaiko aminareo, fa tokony hifamela ianareo; fa izay tsy mamela ny fahadisoan’ny rahalahiny dia meloka eo anoloan’ny Tompo; ary mitoetra ao amin’ny fahotana lehibe kokoa” (F&F 64:9).

Mila Mitandrina ny Didin’Andriamanitra isika

Mba hahafeno tsara ny fibebahantsika dia tokony hitandrina ny didin’ny Tompo isika (jereo F&F 1:32). Tsy tena nibebaka tanteraka isika raha toa ka tsy mandoa fahafolonkarena na tsy mitandrina ny andro Sabata na tsy mankatò ny Tenin’ny Fahendrena. Tsy tena nibebaka isika raha toa ka tsy manohana ireo manampahefana ao amin’ny Fiangonana ary tsy tia ny Tompo sy ny namantsika. Raha toa isika ka tsy mivavaka ary ratsy fanahy amin’ny hafa, dia azo antoka fa tsy nibebaka marina isika. Miova ny fiainantsika rehefa mibebaka isika.

Hoy ny Filoha Kimball hoe: “Voalohany aloha dia mibebaka ny olona iray. Rehefa vitany izany dia tsy maintsy mitandrina ny didin’ny Tompo izy avy eo mba hihazonany izany zava-bitany izany. Ilaina izany mba hiarovana ny famelan-keloka tanteraka” (Teachings of Presidents of the Church (Enseignements des Présidents de l’Église): Spencer W. Kimball, 43).

  • Inona no tsy mampitovy ny fampianarana ao amin’ity fizarana ity amin’ilay hevi-diso hoe ny fibebahana dia fanatanterahana ireo dingana tsotra vitsivitsy na zavatra atao efa mahazatra?

Ahoana no Fomba Hanampian’ny Fibebahana Antsika

  • Eo amin’ny lafiny inona no hanampian’ny fibebahana antsika?

Rehefa mibebaka isika dia lasa misy fiantraikany feno eo amin’ny fiainantsika ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy ary avelan’ny Tompo ny fahotantsika. Afaka amin’ny gejan’ny fahotantsika isika ary mahazo fifaliana.

Nitantara ny zavatra niainany nandritra ny fibebahany tamin’ny lasany feno fahotana i Almà:

“Ny fanahiko dia [norotidrotehina] hatrany amin’ny faran’izay lalina indrindra sy nampijalian’ny fahotako rehetra.

“Eny, nahatsiaro ny fahotako sy ny heloko rehetra aho, izay nampijaly ahy tamin’ny fanaintainan’ny helo; any, hitako fa izaho dia efa nikomy tamin’Andriamanitro ary tsy nitandrina ny didiny masina.

“… Lehibe loatra ny heloko, ka ny fieritreretana indrindra ny fiverenana eo anatrehan’Andriamanitro dia nampijaly ny fanahiko tamin’ny horohoro tsy hay lazaina.

“… Ary ny zava-nitranga dia … norotidrotehan’ny fahatsiarovana ny fahotako maro [aho] dia indro nahatsiaro koa ho efa nandre ny raiko naminany … momba ny fiavian’izany Jesoa Kristy izany, izay Zanak’Andriamanitra mba hanonitra ny fahotan’izao tontolo izao.

“Ankehitriny, raha nifantoka tamin’izany eritreritra izany ny saiko, dia nihiaka tao am-poko aho hoe: Ry Jesoa ô, Ianao Ilay Zanak’Andriamanitra, mamindra fo amiko. …

“Ary ankehitriny, indro, nieritreritra izany aho, dia tsy nety nahatsiaro intsony ny fanaintainako. …

“Ary ô, endrey fifaliana, ary endrey hazavana mahagaga no hitako; eny, ny fanahiko dia feno fifaliana izay nihoa-pampana toy izay fanaintainako izay!

“…Tsy mety hisy na inona na inona mahafinaritra sy mamy tokoa toy izay fifaliako izay” (Almà 36:12–14, 17–21).

  • Ahoana no fomba nitondran’ny fibebahana sy famelan-keloka fifaliana ho an’i Almà?

Ny Loza Hitranga amin’ny Fanemorana ny Fibebahantsika

  • Inona no mety ho vokatra sasany ateraky ny fanemorana ny fibebahantsika?

Nanambara ny mpaminany fa “izao fiainana izao no fotoana ho an’ny olona mba hiomanana hihaonana amin’Andriamanitra” (Almà 34:32). Tokony hibebaka isika izao, ary isan’andro. Rehefa mifoha isika isa-maraina, dia tokony handinika ny tenantsika mba hijerena raha miaraka amintsika ny Fanahin’Andriamanitra. Alohan’ny hatoriantsika amin’ny alina, dia tokony hanao jery todika ireo zavatra nataontsika sy ny teny nolazaintsika nandritra izany andro izany isika ary mangataka amin’ny Tompo mba hanampy antsika hamantatra ireo zavatra izay ilaintsika ibebahana. Rehefa mibebaka isan’andro isika ary avelan’ny Tompo ny fahotantsika, dia hahatsapa ny dingana isan’andro mba hahatongavana ho tanteraka isika. Ho mahafinaritra sy mamy tokoa toy ny an’i Almà ny fifaliantsika.

Soratra Masina Fanampiny