Boky sy lesona
Toko 39: Ny Lalàn’ny Fahadiovam-pitondrantena


Toko 39

Ny Lalàn’ny Fahadiovam-pitondrantena

Sary
Holding hands of a newly married couple.

Fanamarihana ho an’ny Ray aman-dreny

Ity toko ity dia misy ampahany vitsivitsy izay mihoatra ny zavatra tokony ho takatry ny ankizy. Tsara indrindra raha miandry ny ankizy ho lehibe mba hahatakarany ny momba ny firaisana ara-nofo sy ny fomba fananan-janaka ka amin’izay vao ampianarina azy ireo ampahany sasany ao amin’ity toko ity izy. Nolazain’ny mpitarika antsika ao amin’ny Fiangonantsika isika fa tompon’andraikitra amin’ny fampianarana ny zanany momba ny fomba hananana anaka. Tokony hampianatra azy ireo ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena koa ny ray aman-dreny izay hazavaina ao amin’ity toko ity.

Ny ray aman-dreny dia afaka manomboka mampianatra ny zanaka hanana fihetsika madio eo anatrehan’ny vatany dieny mbola kely izy ireo. Hanampy ny ankizy hitombo ao anatin’ny tsy fananan-kenatra momba ny vatany ny firesahana aminy amim-pahatsorana nefa amim-panajana ary amin’ny alalan’ny filazana ny anarana marin’ireo taova eo amin’ny vatany sy ny asan’izany.

Efa voajanahary ny fitiavan’ny ankizy manadinkadina. Te hahafantatra ny fomba fiasan’ny vatany izy ireo. Te hahafantatra izy ireo hoe avy aiza no fiavian’ny zazakely. Raha toa ny ray aman-dreny ka tonga dia mamaly mazava izany fanontaniana rehetra izany mba ho azon’ny ankizy dia hanohy hametraka fanontaniana amin’ny ray aman-dreniny ny ankizy. Kanefa raha toa ka mamaly ireo fanontaniana ireo amin’ny fomba izay mety hahamenatra na hahatsapany fandavana na tsy fahafaham-po ny ray aman-dreny, dia azo antoka fa hametraka ireo fanontaniany ireo any amin’ny olon-kafa izy ary mety hahazo hevitra diso sy hanao fihetsika ratsy.

Tsy tsara na tsy ilaina anefa ny milaza ny zava-drehetra indray mandeha amin’ny ankizy. Ny ray aman-dreny dia mila mamaly fotsiny ny zavatra nanontaniany sy manambara izay zavatra takany. Rehefa mamaly ireo fanontaniana ireo dia afaka mampianatra ny zanany momba ny lanjan’ny fanajana ny vatany sy ny vatan’ny hafa ny ray aman-dreny. Tokony hampianatra ny zanany hanao akanjo maotina ny ray aman-dreny. Tokony hanitsy ireo hevi-diso sy fiteny ratsy izay ianaran’ny ankizy avy amin’ny hafa izy ireo.

Raha vao tonga eo amin’ny taonan’ny fahamatorana ny zanaka dia tokony efa noresahan’ny ray aman-dreny tamim-pahatsorana tamin’izy ireo ny momba ny fomba hananana anaka. Ny zanaka dia tokony hahatakatra fa izany hery izany dia tsara ary nomen’ny Tompo antsika. Manantena antsika Izy mba tsy hampiasa izany raha tsy ao anatin’ny fepetra nomeny antsika.

Ny zazakely dia madio sy tsy manan-tsiny rehefa tonga eto an-tany avy any amin’ny Ray any An-danitra. Rehefa mivavaka mba hahazo fitarihana ny ray aman-dreny dia hotarihin’ny Tompo hampianatra ny zanany amin’ny fotoana sy fomba maha-mety izany.

Ny Hery Hananana Anaka

  • Nahoana no tokony hampianatra ny zanany momba ny fomba hananana anaka sy ny fahadiovam-pitondrantena ny ray aman-dreny? Ahoana no fomba tsara ahafahany manao izany?

Nodidian’Andriamanitra ny zavamananaina tsirairay mba hiteraka ny karazany ihany (jereo Genesisy 1:22). Ny fiterahana dia tao anatin’ny drafiny mba hahafahan’ny zavamananaina rehetra hitohy hisy eto ambonin’ny tany.

Dia napetrany teto an-tany i Adama sy Eva. Samy hafa tamin’ireo zavatra hafa nohariany izy ireo satria fanahy izay zanany izy ireo. Nampiraisiny tao anatin’ny fanambadiana tao amin’ny Sahan’i Edena i Adama sy Eva ary nodidiany izy ireo mba hihabetsaka sy hameno ny tany (jereo Genesisy 1:28). Kanefa ny fiainan’izy ireo dia fehezin’ny fitsipi-pitondrantena fa tsy ny saim-batana akory.

Tian’Andriamanitra ireo zanany izay mbola fanahy mba ho teraka ao anatin’ny fianakaviana ka afaka ho voakarakara sy handray fampianarana tsara. Isika koa toa an’i Adama sy Eva dia natao mba hanome vatana nofo sy taolana an’ireo zanaka fanahy ireo. Ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanambara hoe: “Ambaranay fa ny fomba namoronana ny fiainana an-tany dia tendrin’Andriamanitra” (“Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’Izao Tontolo Izao,” Ensign, Nôv. 1995, 102). Nomen’Andriamanitra didy isika fa ny lehilahy sy ny vehivavy mivady ihany no tokony hanao firaisana ara-nofo. Antsoina hoe lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena izany didy izany.

Ny Lalàn’ny Fahadiovam-pitondrantena

  • Inona no atao hoe lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena?

Amin’ny vadintsika izay novadiantsika ara-dalàna ihany isika no manao firaisana ara-nofo. Tsy misy na iza na iza, na lahy na vavy tokony hanao firaisana ara-nofo alohan’ny fanambadiana. Amin’ny vadintsika ihany no hahazoana lalana hanaovana firaisana ara-nofo aorian’ny fanambadiana.

Hoy ny Tompo tamin’ny Isiraelita hoe: “Aza mijangajanga” (Eksodosy 20:14). Ireo Isiraelita izay nandika izany didy izany dia tratran’ny famaizana henjana. Naverin’ny Tompo indray izany didy izany amin’izao andro farany izao (jereo F&F 42:24).

Nampianarina isika fa ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena dia mahafaoka mihoatra noho ny firaisana ara-nofo fotsiny. Nampitandrina ny tanora momba ireo fahotana hafa mikasika ny filan’ny nofo ny Fiadidiana Voalohany:

“Alohan’ny fanambadiana dia aza mampifoha ireo fiontanam-po mahery vaika izay tsy tokony hiseho raha tsy ao anatin’ny fanambadiana ihany. Aza mifanoroka amim-pirehetampo fatratra, na mandry eo ambonin’ny olona iray hafa, na mikasika ny faritra manokana sy masina eo amin’ny vatan’ny olona iray hafa na miakanjo izy na tsia. Aza avela hisy olona hanao izany aminao. Aza fohazinao mba hiseho koa amin’ny vatanao ireo fiontanam-po ireo” (For the Strength of Youth (Ry Tanora Mahereza) [bokikely, 2001], 27).

Fahotana lehibe ny firaisana ara-nofo eo amin’ny lehilahy samy lehilahy na vehivavy samy vehivavy, toy ireo fandikana hafa ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena. Niresaka momba ny loza avy amin’ny fanaovana firaisana eo amin’ny samy lehilahy na eo amin’ny samy vehivavy ireo mpaminanin’ny andro farany ary koa ny fiahiahian’ny Fiangonana ny amin’ireo olona izay mety hanana izany fironana izany. Hoy ny Filoha Gordon B. Hinckley hoe:

“Voalohany indrindra dia mino isika fa ny fanambadiana eo amin’ny lehilahy sy vehivavy dia voatendrin’Andriamanitra. Mino isika fa ny fanambadiana dia afaka ny ho mandrakizay amin’ny alalan’ny fampiasana ny herin’ny fisoronana maharitra mandrakizay ao amin’ny tranon’ny Tompo.

“Manontany ny hevintsika ny olona momba ireo izay mitonon-tena ho lehilahy miaraka amin’ny lehilahy sy ireo izay mitonon-tena ho vehivavy miaraka amin’ny vehivavy. Ny valinteniko dia hoe tiantsika izy ireo amin’ny maha-zanakalahy sy zanakavavin’Andriamanitra azy ireo. Mety manana karazana fironana sasantsasany izay mahery vaika sy mety ho sarotra fehezina izy ireo. Ny ankamaroan’ny olona dia manana karazana fironana iray na anankiray hafa amin’ny fotoana samihafa. Rehefa tsy manao fihetsika manaraka izany fironana izany izy ireo dia afaka ny handroso toy ireo mpikambana hafa rehetra ao amin’ny Fiangonana. Raha mandika ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena sy ireo fenitra ara-pitondrantenan’ny Fiangonana izy ireo dia iharan’ny fitsipi-pifehezan’ny Fiangonana tsisy hafa amin’ireo olon-kafa.

“Te hanampy ireny olona ireny izahay ary hampahery sy hanampy azy ireo amin’ireo olana ananany sy hanampy azy amin’ny zava-tsarotra lalovany. Nefa tsy afaka ny hijery fotsiny isika raha toa izy ireo manao fihetsika mifanohitra amin’ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena sy raha miezaka izy ireo ny hanohana sy hiaro ary hiaina an’ilay lazaina hoe fanambadian’ny lehilahy samy lehilahy na fanambadian’ny vehivavy samy vehivavy. Ny fandeferana amin’izany dia toy ny manamaivan-danja ilay fototra tena lehibe sy masina iorenan’ny fanambadiana izay eken’Andriamanitra sy ny tena tanjon’izany, dia ny fanorenana fianakaviana” (ao amin’ny Tatitry ny Fihaonambe, Ôkt. 1998, 91; na Ensign, Nôv. 1998, 71).

Tian’i Satana Handika ny Lalàn’ny Fahadiovam-pitondrantena Isika

  • Inona avy ireo fomba entin’i Satana hakana fanahy ny olona mba handika ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena?

Ny drafitr’i Satana dia ny hamitaka araka izay vitany olona faran’izay betsaka eo anivontsika mba hanakanana antsika tsy hiverina hiara-hiaina amin’ny Raintsika any An-danitra. Ny iray amin’ireo zavatra ratsy indrindra afaka hataony dia maka fanahy antsika mba handika ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena. Tena fetsifetsy sy manana hery lehibe izy. Tiany isika hino fa tsy fahotana ny fandikana izany lalàna izany. Maro ireo olona voafitaka. Tsy maintsy miaro tena amin’ny ireo fitarihan-dratsy isika.

Ny fitsipiky ny fahamaotinana no hozongozonin’i Satana. Tiany isika hino fa satria kanto ny vatan’olombelona dia zavatra tokony haderadera sy hasehoseho izany. Tian’ny Raintsika isika mba hanarona foana ny vatantsika mba tsy hampiteraka eritreritra ratsy ao an-tsain’ny hafa.

Tsy hoe mamporisika antsika hanao akanjo tsy maotina fotsiny i Satana fa amporisihiny koa isika mba hieritreritra zavatra maloto sy vetaveta. Ataony amin’ny alalan’ny sary, sarimihetsika, tantara, vazivavy sy hira ary dihy izay manome vahana ny fahavetavetana izany. Ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena dia mitaky ny fahadiovan’ny saintsika ary ny zavatra ataontsika koa. Nampianatra ny mpaminany Almà fa rehefa hotsarain’Andriamanitra isika dia, “hanameloka antsika koa ny eritreritsika; ary amin’izany toetra mahatsiravina izany isika dia tsy ho sahy ny hiandrandra ny Andriamanitsika” (Almà 12:14).

Nampianatra i Jesoa hoe: “Efa renareo fa voalaza hoe: Aza mijangajanga:

“Fa Izaho kosa milaza aminareo fa izay rehetra mijery vehivavy ka hila azy dia efa nijangajanga tam-pony sahady” (Matio 5:27–28).

Ny Filoha Gordon B. Hinckley dia nampianatra hoe: “Miaina ao anatin’ny tontolo feno fakam-panahy mahatsiravina ianareo. Ny pôrnôgrafia miaraka amin’ilay fahalotoany maharikoriko dia mandrakotra ny tany toy ny onja lehibe mampidi-doza. Poizina izany. Aza mijery na mamaky izany. Hanimba anao izany raha hataonao. Hanala ny hajan’ny tenanao aminao izany. Halain’izany ny fahafahanao mankafy ny hatsaran’ny fiainana. Hamotika hanao izany ary hisintona anao ho ao anatin’ny honahona feno fotaky ny eritreritra ratsy sy ny asa ratsy koa. Alaviro izany. Sorohy toy ny hisorohanao areti-mandoza izany satria tena mahafaty. Aoka ianao hadio amin’ny eritreritra sy ny asa. Novolen’Andriamanitra ao anatinao noho ny antony iray, ny faniriana masina te-hanao zavatra izay mety hivadika moramora ho fanaovan-javatra ratsy sy mamotika. Rehefa ao anatin’ny fahatanorana ianao dia aza mirotsaka ao anatin’ny fiarahana aman’olona izay ahitana fanehoam-pitiavana lalina. Rehefa tonga amin’ny taona tokony hieritreretanao momba ny fanambadiana ianao, dia amin’izay no fotoana tokony hirotsahana amin’izany. Saingy ianareo ankizilahy any amin’ny sekoly ambaratonga faharoa dia tsy mila izany ary torak’izany koa ny vehivavy” (ao amin’ny Tatitry ny Fihaonambe, Ôkt. 1997, 71–72; na Ensign, Nôv. 1997, 51).

Alain’i Satana fanahy amin’ny alalan’ny fihetseham-pontsika isika indraindray. Fantany isika rehefa irery na sahiran-tsaina na reran-tsaina amam-panahy. Fidiany izany fotoan’ny fahalemena izany mba hakana fanahy antsika handika ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena. Afaka manome antsika ny hery mba hiatrehana izany fitsapana izany ny Raintsika any an-danitra ka tsy haninona mihitsy isika.

Ny soratra masina dia mitantara momba ny tovolahy tsara toetra iray antsoina hoe Josefa izay nananan’ilay tompony, Potifara, fahatokiana lehibe. Natolotr’i Potifara ho andraikiny izay rehetra nananany. Notsiriritin’ny vadin’i Potifara i Josefa ary nalainy fanahy mba handry hiaraka aminy. Saingy nahatohitra azy i Josefa ary nandeha nandositra azy. (Jereo Genesisy 39:1–18.)

Nampianatra i Paoly hoe: “Tsy misy fakam-panahy nahazo anareo afa-tsy izay zakan’ny olombelona; nefa mahatoky Andriamanitra ka tsy hamela anareo halaim-panahy mihoatra noho izay zakanareo; fa momba ny fakam-panahy dia hasiany lalana hahafahanareo koa mba hahazakanareo izany” (1 Korintiana 10:13). Nanamafy i Almà fa isika dia tsy ho “halaina fanahy mihoatra noho izay azon[tsika] zakaina” rehefa “manetry tena eo anoloan’ny Tompo [isika], ary miantso ny anarany masina ary miambina sy mivavaka” (Almà 13:28).

  • Inona no ifandraisan’ny fahamaotinana sy ny fahadiovam-pitondrantena? Ahoana no fomba ahafahan’ny ray aman-dreny mampianatra ny zanaka mba ho maotina amin’ny fitafiana sy amin’ny fiteny ary amin’ny fihetsika?

  • Ahoana no ahafahantsika miady amin’ny fiparitahan’ny pôrnôgrafia sy ny fitaomany?

  • Inona no fampanantenana nomen’ny Tompo antsika mba hanampiana antsika handresy ny fakam-panahin’i Satana?

Tena Zava-doza ny Fandikana ny Lalàn’ny Fahadiovam-pitondrantena

Nalahelo ny mpaminany Almà satria nisy iray tamin’ireo zanany lahy nandika ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena. Hoy i Almà tamin’ny zanany lahy Kôriantôna hoe: “Tsy fantatrao, va, anaka, fa ireny zavatra ireny dia fahavetavetana eo imason’ny Tompo; eny tena fahavetavetana indrindra noho ny fahotana rehetra, afa-tsy ny fandatsahana ny ran’ny tsy manan-tsiny, na ny fandavana ny Fanahy Masina?” (Almà 39:5). Ny tsy fahadiovam-pitondrantena dia manakaiky ny famonoan’olona eo amin’ny lafiny maha zavatra lehibe azy.

Raha misy lehilahy sy vehivavy mandika ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena sy mahaforona zaza dia mety ho alaim-panahy hanao fahotana mahatsiravina iray hafa izy ireo: ny fanalan-jaza. Tsy misy antony mihitsy raha tsy hoe vitsy kely monja angamba hanekena ny fanalan-jaza. Nilaza ny mpitarika ny Fiangonana fa mety misy toe-javatra manokana vitsivitsy izay afaka hanekena ny fanalan-jaza toy ny hoe raha toa ny fitondrana vohoka, vokatry ny firaisana ara-nofo tamin’ny havana na vokatry ny fanolanana, ary raha toa ka tandindomin-doza ny ain’ilay reny na ny fahasalamany araka ny hevitry ny dokotera manam-pahaizana, na raha toa ka fantatry ny dokotera manam-pahaizana fa misy tsy fetezany ilay zaza vao mitsaika ka mety tsy ho velona alohan’ny hahaterahany akory ilay zaza. Kanefa na dia ireo toe-javatra ireo aza dia tsy tonga dia manamarina avy hatrany ny fanalan-jaza. Ireo izay sendran’ireo toe-javatra ireo dia tsy tokony hieritreritra ny fanalan-jaza raha tsy aorian’ny firesahany amin’ny mpitarika ny Fiangonany eo an-toerana sy aorian’ny fahazoany fanamafisana avy amin’ny vavaka lalina.

“Raha toa ka nanao zaza ivelan’ny fanambadiana ny lehilahy sy ny vehivavy dia tokony hatao ny ezaka rehetra mba hamporisihana azy ireo hivady. Raha koa tsy ho tanteraka ny fanambadiana noho ny taona na ny antony hafa dia tokony hotoroana hevitra ilay ray sy reny tsy nivady mba hanolotra ny zaza mba hatsangana amin’ny alalan’ny LDS Family Services mba hananana toky fa hofehezina amin’ny ray aman-dreny mendrika ilay zaza” (Taratasin’ny Fiadidiana Voalohany, 26 Jiona 2002, sy 19 Jolay 2002).

Tena zava-dehibe ho an’ny Raintsika any An-danitra tokoa ny fankatoavan’ny zanany ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena. Ny mpikamban’ny Fiangonana izay mandika izany lalàna izany na mitarika ny hafa hanao izany dia tsy maintsy ampiharana ny fitsipi-pifehezan’ny Fiangonana.

Ireo izay Mandika ny Lalàn’ny Fahadiovam-pitondrantena dia Afaka ny ho Voavela

Afaka ny ho tonga amin’ireo izay nandika ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena ny fiadanana. Hoy ny Tompo amintsika hoe:“Fa raha ny ratsy fanahy miala amin’ny fahotana rehetra izay nataony ka mitandrina ny didiko rehetra, … ny fahadisoana rehetra izay nataony tsy hotsarovana aminy intsony” (Ezekiela 18:21–22). Amin’ny alalan’ny famelan-keloka ihany no hahatongavan’ny fiadanana.

Hoy ny Filoha Kimball hoe: “Misy fepetra ny famelan-keloka rehetra. … Ny fifadian-kanina, ny vavaka, sy ny fanetren-tena dia tokony hitovy amin’ilay fahotana na tokony ho lehibe kokoa noho izany. Tokony hisy ny fo torotoro sy fanahy manenina. … Tokony hisy ny ranomaso sy ny fiovam-po tanteraka. Tokony hisy ny fiaikena marina ny fahotana sy ny fialana amin’ny ratsy ary ny fibabohana ny fahadisoana natao any amin’ireo mpitarika voantson’ny Tompo” (The Miracle of Forgiveness (Le Miracle de Pardon) [1969], 353).

Ny fibabohana no zavatra tena sarotra ao anatin’ny fibebahana ho an’ny olona maro. Tsy amin’ny Tompo fotsiny isika no tokony hibaboka fa amin’ilay olona izay nanaovantsika ny tsy mety koa, toy ny vady, ary ny mpihazona ny fisoronana izay nahazo antso mifanaraka amin’izany. Ilay mpitarika ao amin’ny fisoronana (eveka na filohan’ny tsatòka) no hitsara ny fahamendrehantsika ao amin’ny Fiangonana. Hoy ny Tompo tamin’i Almà hoe: “Na zovy na zovy mandika ny lalàko … raha miaiky ny fahotany eo anatrehanao sy eo anatrehako izy ary mibebaka amin’ny fahitsin’ny fony, dia hamela azy ianao ary Izaho koa hamela azy” (Môsià 26:29).

Saingy nampitandrina ny Filoha Kimball hoe: “Na dia tena nampanantenaina aza ny famelan-keloka dia tsy misy fampanantenana na fampahafantarana momba ny famelana ny olona izay tsy nibebaka tanteraka. … Tsy afaka ny hampahatsiahy ny olona mafy loatra izahay hoe tsy mety raha manota izy ireo, ary voavela heloka, dia avy eo manota foana indray ka manantena famelan-keloka miverimberina” (The Miracle of Forgiveness (Le Miracle de Pardon) 353, 360). Ireo izay nahazo famelan-keloka ary mamerina indray ilay fahotana dia ho lasa tompon’andraikitra amin’ireo fahotany taloha indray (jereo F&F 82:7; Etera 2:15).

Mahazo Fitahiana Lehibe Ireo izay Mitandrina ny Lalàn’ny Fahadiovam-pitondrantena

  • Inona no fitahiana azontsika rehefa mitandrina ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena isika?

Rehefa mankatò ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena isika dia afaka ny hiaina ao anatin’ny tsy fahamelohana sy ny tsy fahamenarana. Voatahy ny fiainantsika sy ny fiainan’ny zanatsika rehefa mitoetra ho madio sy tsisy pentina eo anoloan’ny Tompo isika. Afaka mijery ny ohatra asehontsika ny zanaka ary manaraka ny diantsika.

Soratra Masina Fanampiny