Boky sy lesona
Toko 6: Ny Fahalavoan’i Adama sy Eva


Toko 6

Ny Fahalavoan’i Adama sy Eva

Sary
Adam and Eve walking together after leaving the Garden of Eden. There are storm clouds in the sky, and plant growth along the path they are walking. There is a waterfall in the background.

I Adama sy Eva no olona voalohany tonga teto an-tany

  • Inona no porofo izay manampy antsika ahafantatra fa fanahy mahery fo i Adama sy Eva?

Nomanin’Andriamanitra ho toy ny fonenan’ny zanany ity tany ity. I Adama sy Eva no olona voalohany voafidy hiaina teto an-tany (jereo Mosesy 1:34; 4:26). Ny anjarany tao anatin’ny drafitry ny Ray dia ny hitondra ny fahafatesana eo amin’izao tontolo izao. Natao mba ho ray aman-dreny voalohany izy ireo. (Jereo F&F 107:54–56.

I Adama sy Eva dia anisan’ireo zanaky ny Ray izay tena manana ny maha izy azy. Mikaela ilay Arikanjely no anaran’i Adama tany amin’ny tontolon’ny fanahy (jereo F&F 27:11; Joda 1:9). Nofidian’ny Raintsika any An-danitra izy mba hitarika ireo marina tamin’ny ady nifanaovana tamin’i Satana (jereo Apokalypsy 12:7–9). Voatendry mialoha ho ray aman-drenintsika voalohany i Adama sy Eva. Nampanantena fitahiana lehibe an’i Adama ny Tompo: “Efa napetrako ho lohany ianao; ary sesehena ireo firenena hivoaka avy aminao, ary ianao no printsy mandrakizay eo aminy” (F&F 107:55).

I Eva no “renin’ny olombelona rehetra” (Mosesy 4:26). Natambatr’Andriamanitra tao anatin’ny fanambadiana i Adama sy Eva satria “tsy tsara raha irery ny lehilahy” (Mosesy 3:18; jereo koa 1 Korintiana 11:11). Nandray anjara tamin’ny andraikitr’i Adama i Eva ary hahazo anjara amin’ireo fitahiany mandrakizay koa.

  • Inona no zavatra azontsika ianarana avy amin’ny ohatr’i Adama sy Eva?

Ny Sahan’i Edena

  • Tao anatin’ny toe-javatra manao ahoana no niainan’i Adama sy Eva tao amin’ny Sahan’i Edena?

Rehefa napetraka tao amin’ny Sahan’i Edena i Adama sy Eva dia mbola nanana vatana nofo sy taolana tsy mety maty. Teo anatrehan’izany toe-javatra izany dia, “tsy ho nanan-janaka izy ireo” (2 Nefia 2:23). Tsy nisy ny fahafatesana. Nanana fiainana ara-batana izy ireo satria nitoetra tao anatin’ny vatana nofo sy taolana izay natao avy tamin’ny vovo-tany ny fanahiny (jereo Mosesy 6:59; Abrahama 5:7). Nanana fiainana ara-panahy izy ireo satria niaina teo anatrehan’Andriamanitra. Mbola tsy nisafidy ny tsara na ny ratsy izy ireo.

Nodidian’Andriamanitra izy ireo mba hanan-janaka. Hoy Izy hoe: “Maroa fara sy mihabetsaha, ary mamenoa ny tany ka mampanompoa azy, ary manjakà … amin’izay rehetra mihetsika ambonin’ny tany” (Mosesy 2:28). Nolazain’Andriamanitra izy ireo fa afaka mihinana malalaka ny voan’ny hazo rehetra ao an-tsaha afa-tsy ny anankiray ihany, dia ny voan’ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy. Hoy Andriamanitra momba izany hazo izany hoe: “Amin’ny andro izay ihinananao aminy dia ho faty marina tokoa ianao” (Mosesy 3:17).

Nanatona an’i Eva tao amin’ny Sahan’i Edena i Satana, noho ny tsy fahafantarany ny sain’Andriamanitra fa dia nikatsaka fotsiny ny handrava ny drafitr’Andriamanitra. Nalainy fanahy mba hihinana ilay voan’ny hazon’ny fahalalana ny tsara sy ny ratsy izy. Nomeny toky izy fa tsy ho faty izy sy Adama, fa kosa ho “toy ireo andriamanitra, mahafantatra ny tsara sy ny ratsy” (Mosesy 4:11). Tsy nahatohitra ny fakam-panahy i Eva ka nihinana ilay voankazo. Fantatr’i Adama ny zava-niseho ary nisafidy ny hihinana izany koa izy. Ny fiovana niseho tamin’i Adama sy Eva noho ny fihinanany ny voankazo dia antsoina hoe ny Fahalavoana.

Ny Fisarahan’i Adama sy Eva tamin’Andriamanitra

  • Inona ireo fiovana ara-batana sy ara-panahy niseho teo amin’i Adama sy Eva vokatry ny fandikan-dalàna nataony?

Noho i Adama sy Eva nihinana ny voan’ny hazon’ny fahalalana ny tsara sy ny ratsy dia noroahin’ny Tompo tany ivelan’ny Sahan’i Edena ho ao amin’izao tontolo izao izy ireo. Niova ny toe-batany vokatry ny fihinanany ilay voankazo voarara. Araka ny nampanantenain’Andriamanitra dia lasa mety maty izy ireo. Izy sy ny zanany dia handalo aretina, fanaintainana ary fahafatesana ara-batana.

Noho ny fandikan-dalàna nataony dia nisedra fahafatesana arapanahy koa i Adama sy Eva. Izany dia nidika hoe tsy afaka niara-niriaria sy niresaka nivantana tamin’Andriamanitra intsony izy ireo sy ny zanak’izy ireo. Nisaraka ara-batana sy ara-panahy tamin’Andriamanitra i Adama sy Eva ary ny zanany.

Nisy Fitahiana Lehibe avy tamin’ilay Fandikan-dalàna

  • Ahoana no hanomezan’ny Fahalavoana antsika fahafahana ho lasa tahaka ny Raintsika any An-danitra?

Misy olona mino fa nanao fahotana lehibe i Adama sy Eva rehefa nihinana ilay voan’ny hazon’ny fahalalana ny tsara sy ny ratsy. Kanefa ny soratra masin’ny andro farany dia manampy antsika hahatakatra fa ny Fahalavoany dia dingana nilaina tao anatin’ny drafitry ny fiainana ary fitahiana lehibe ho antsika rehetra. Noho ny Fahalavoana dia nahazo vatana nofo sy taolana isika, sy fahafahana misafidy ny tsara na ny ratsy ary fahafahana hahazo ny fiainana mandrakizay. Raha nijanona tao amin’ny Sahan’i Edena i Adama sy Eva dia tsy ho azontsika ireo tombontsoa ireo.

Taorian’ny Fahalavoana dia hoy i Eva hoe: “Raha tsy nandika lalàna isika dia tsy ho nanana taranaka [zanaka] na oviana na oviana, ary tsy ho nahafantatra ny tsara na ny ratsy na oviana na oviana, sy ny fifaliana noho ny fanavotana antsika ary ny fiainana mandrakizay izay omen’Andriamanitra ho an’ny mpankatò rehetra” (Mosesy 5:11).

Nanazava ny mpaminany Lehia hoe:

“Ary ankehitriny, indro fa raha tsy nandika lalàna i Adama dia tsy ho lavo [noroahana tsy ho eo anatrehan’Andriamanitra] izy, fa ho tafatoetra kosa tao amin’ny Saha Edena.. Ary ny zavatra rehetra izay nohariana dia tsy maintsy ho tafajanona araka ny toetra izay nananany taorian’ny nahariana azy ireny. …

“Ary tsy ho nanan-janaka izy ireo; noho izany izy ireo dia ho tafajanona tamin’ny toetry ny tsy fananan-tsiny, tsy nanam-pifaliana satria tsy nahalala fahoriana; tsy nanao ny tsara satria tsy nahafantatra ny fahotana.

“Nefa indro fa ny zava-drehetra dia efa natao araka ny fahendren’Ilay mahafantatra ny zava-drehetra.

“Lavo i Adama mba hisian’ny olona; ary misy ny olona mba hahazo fifaliana” (2 Nefia 2:22–25).

  • Nahoana araka ny eritreritrao no zava-dehibe ny mahafantatra momba ny Fahalavoana sy ny fomba fiantraikan’izany eo amintsika?

Soratra Masina Fanampiny