Boky sy lesona
Toko 4: Ny Fahafahana Misafidy


Toko 4

Fahafahana Misafidy

Sary
Man standing at crossroads

Fitsipika Mandrakizay ny Fahafahana Misafidy

  • Raha misy olona manontany anao hoe nahoana no zava-dehibe ny fananana fahafahana misafidy dia inona no holazainao?

“Mahazo mifidy ho an’ny tenanao ianao satria omena anao izany” (Mosesy 3:17).

Nilaza tamintsika tamin’ny alalan’ny mpaminany Andriamanitra fa afaka misafidy malalaka isika na ny tsara na ny ratsy. Afaka mifidy ny fahafahana sy ny fiainana mandrakizay isika amin’ny alalan’ny fanarahana an’i Jesoa Kristy. Afaka ihany koa isika mifidy ny fahababoana sy ny fahafatesana amin’ny alalan’ny fanarahana an’i Satana. (Jereo 2 Nefia 2:27.) Izany zo ahafahana misafidy ny tsara na ny ratsy sy ny ho tompon’andraikitra amin’izay ataon’ny tenantsika izany dia antsoina hoe fahafahana misafidy.

Nanana fahafahana misafidy isika tany amin’ny fiainantsika talohan’ny nahaterahana. Ny iray amin’ny tanjon’ny fiainana an-tany dia ny hampiseho hoe inona no safidy hataontsika (jereo2 Nefia 2:15–16). Raha noterena hifidy ny tsara isika dia tsy ho afaka ny hampiseho hoe inona no hosafidiantsika ho an’ny tenantsika. Ankoatr’izany dia faly kokoa isika manao zavatra rehefa nanao ny safidintsika manokana.

Ny fahafahana misafidy dia anisan’ireo lohahevi-dehibe noresahana tany amin’ny Filankevitra tany An-danitra talohan’ny nahaterahana. Anisan’ny antony lehibe indrindra nahatonga fifandirana teo amin’ny mpanara-dia an’i Kristy sy ny mpanara-dia an’i Satana izany. Hoy i Satana hoe: “Indro, inty aho, iraho aho, ho zanakalahinao aho ary havotako ny olombelona rehetra ka tsy hisy olona iray ho very, ary hataoko marina tokoa izany; koa omeo ahy ny voninahitrao” (Mosesy 4:1). Raha nilaza izany izy dia “nikomy tamin’[Andriamanitra ] ary nikatsaka ny handrava ny safidin’ny olona” (Mosesy 4:3). Nolavina ny sosokeviny ary noroahana avy tao an-danitra izy sy ireo mpanara-dia azy (jereo F&F 29:36–37).

Lafiny iray Tsy Maintsy Ilaina eo amin’ny Drafitry ny Famonjena ny Fahafahana Misafidy

Ny fahafahana misafidy dia mahatonga ny fiainantsika eto an-tany ho fotoam-pisedrana. Rehefa nandrindra ny fahariana ara-nofo ny zanany Andriamanitra dia nilaza hoe: “[Hosedraintsika] amin’izany izy ireo, hahitana raha toa izy ireo ka hanao ny zava-drehetra handidian’ny Tompo Andriamaniny azy ireo” (Abrahama 3:25). Raha tsy nisy ny fanomezana ilay fahafahana misafidy dia tsy ho afaka ny hampiseho an’ilay Raintsika any An-danitra isika raha hanao tokoa izay rehetra nodidiany hataontsika. Tompon’andraikitra amin’ny zavatra ataontsika isika satria afaka manao safidy (jereo Helamàna 14:30–31).

Rehefa misafidy ny hiaina araka ny drafitr’Andriamanitra ho antsika isika dia mihamafy orina ny fahafahantsika misafidy. Ny safidy tsara dia mampitombo ny herintsika hanao safidy tsara bebe kokoa.

Rehefa mankatò ny tsirairay avy amin’ireo didin’ny Raintsika isika dia mitombo fahendrena sy mihamatotra. Mitombo ny finoantsika. Lasa mora amintsika ny manao safidy tsara.

Nanomboka nanao safidy isika fony mbola zanaka niendrika fanahy teo anatrehan’ny Raintsika any An-danitra. Ny safidy nataontsika tany dia nahamendrika antsika ny ho tonga tety an-tany. Tian’ny Raintsika any An-danitra isika hivoatra amin’ny finoana, hery, fahalalana sy fahendrena ary zavatra tsara hafa rehetra. Raha mitandrina ny didiny sy manao safidy tsara isika dia hianatra sy hahatakatra zavatra. Ho lasa tahaka Azy isika. (Jereo F&F 93:28.)

  • Ahoana no ahafahan’ny fanaovana safidy tsara manampy antsika hanao safidy tsara bebe kokoa?

Ny Fahafahana misafidy dia mitaky ny hisian’ny Safidy

  • Nahoana no ilaina ny fifanoherana?

Tsy afaka misafidy ny fahamarinana isika raha tsy apetraka eo anoloantsika ny mifanohitra amin’ny tsara sy ny ratsy. I Lehia, izay mpaminany lehibe iray ao amin’ny Bokin’i Môrmôna dia nilaza tamin’ny zanakalahiny Jakôba fa mba hanatanterahana ireo tanjona mandrakizain’Andriamanitra dia tsy maintsy misy “ny fifanoherana amin’ny zava-drehetra. Raha tsy izany, … tsy ho azo notanterahina ny fahamarinana na ny faharatsiana na ny fahamasinana na ny fahoriana na ny tsara na ny ratsy” (2 Nefia 2:11).

Avelan’Andriamanitra hanohitra ny tsara i Satana. Hoy Andriamanitra momba an’i Satana hoe:

“Nasaiko nazera ety ambany izy;

“Ary tonga Satana izy, eny dia ny devoly, ny rain’ny lainga rehetra, mba hamitaka sy hanajamba ny olona, mba hitarika azy ho babo araka ny sitrapony, dia izay rehetra tsy te hihaino ny feoko” (Mosesy 4:3–4).

Manao izay vitany i Satana mba hamotehana ny asan’Andriamanitra. Izy dia mikatsaka ny “fahorian’ny olombelona rehetra. … Katsahiny ny hahatonga ny olon-drehetra ho ory tahaka azy” (2 Nefia 2:18, 27). Tsy tia antsika izy. Tsy maniry zavatra tsara ho antsika izy (jereo Môrônia 7:17). Tsy tiany ho faly isika. Tiany hatao andevony isika. Mampiasa famitahana maro izy hanandevozana antsika.

Raha vao manaraka ny fakam-panahin’i Satana isika dia mametra ny safidintsika. Ity ohatra manaraka ity dia manazava ny fomba fisehon’izany. Alaivo sary an-tsaina hoe mahita mari-pamantarana izay milaza izao ianao: “Tandremo—ranomody Tsy azo ilomanosana eto.” Mety mieritreritra isika fa famerana izany. Saingy tena izany tokoa ve? Mbola manana safidy maro isika. Afaka milomano any amin’ny toeran-kafa isika. Afaka mandehandeha eny amoron-dranomasina sy mitsimpona akorandriaka isika. Afaka mijery ny masoandro mody isika. Afaka mandeha mody isika. Afaka tsy miraharaha ilay mari-pamantarana koa isika ary milomano ao amin’ilay toerana mampidi-doza. Saingy raha vao azon’ilay ranomody isika sy sintoniny hilentika dia vitsy kely ny safidy ananantsika. Afaka manandrana ny hanavotra aina isika na hiantso vonjeo, kanefa mety ho faty an-drano.

Na dia malalaka aza isika hisafidy ny zavatra hataontsika, dia tsy afaka ny hisafidy ny vokatry ny zavatra nataontsika. Ny vokatry ny natao, na tsara izany na ratsy, dia miseho aty aoriana toy ny valin’izay safidy nataontsika tsotra fotsiny (jereo Galatiana 6:7; Apokalypsy 22:12).

Nilaza tamintsika momba ny fomba hialana amin’ny fambaboan’i Satana ny Ray any An-danitra. Tsy maintsy miambina sy mivavaka mandrakariva isika, ary mangataka amin’Andriamanitra mba hanampy antsika hahatohitra ny fakam-panahin’i Satana (jereo 3 Nefia 18:15). Ny Raintsika any An-danitra dia tsy hamela antsika ho alaina fanahy mihoatra noho izay azontsika zakaina (jereo 1 Korintiana 10:13; Almà 13:28).

Ny didin’Andriamanitra dia mampanalavitra antsika amin’ny loza ary mitarika antsika mankany amin’ny fiainana mandrakizay. Rehefa manao safidy amim-pahendrena isika dia hahazo ny fisandratana sy hivoatra mandrakizay ary hiaina fifaliana tanteraka (jereo 2 Nefia 2:27–28).

  • Inona ireo ohatra sasantsasany amin’ireo karazan-javatra atao izay mametra ny safidintsika? Inona ireo ohatra sasantsasany amin’ireo karazan-javatra atao izay manome antsika fahafahana bebe kokoa?

Soratra Masina Fanampiny