Boky sy lesona
Toko 18: Finoana an’i Jesoa Kristy


Toko 18

Finoana an’i Jesoa Kristy

Sary
Full length profile portrait of Jesus Christ. He is depicted wearing a white robe with a blue belt. He has one hand extended. His other hand is touching His chest.

Inona no Atao hoe Finoana?

Ny finoana an’i Jesoa Kristy Tompo no fitsipika voalohan’ny filazantsara. Fanomezam-pahasoavana ara-panahy izany ary ilaina amin’ny famonjena antsika. Nanambara i Benjamina Mpanjaka hoe: “fa tsy tonga amin’ny toa azy ny famonjena … raha tsy amin’ny alalan’ny fibebahana sy ny finoana an’i Jesoa Kristy Tompo” (Môsià 3:12).

Ny finoana dia “manantena ny zavatra tsy hita kanefa marina” (Almà 32:21; jereo koa Hebreo 11:1). Ny finoana dia mifototra amin’ilay asa sy hery izay mampandeha ireo zavatra ataontsika isan’andro.

Moa ve isika handalina sy hianatra raha toa ka tsy mino fa afaka mahazo fahendrena sy fahalalana? Moa ve isika hiasa isan’andro raha toa ka tsy manantena fa ny fanaovana izany dia hahafahantsika hanatanteraka zavatra? Moa ve hamboly ny mpamboly sy mpiompy iray raha toa ka tsy manantena ny hioty vokatra izy? Isan’andro isika dia miasa ho an’ny zavatra izay antenaintsika kanefa isika tsy afaka mahita izay ho vokatr’izany any amin’ny farany. Izany no finoana. (Jereo Hebreo 11:3.)

Maro ireo tantara ao amin’ny soratra masina izay milaza ny fomba nahatanterahan’ireo zavatra lehibe tamin’ny alalan’ny finoana.

Tamin’ny alalan’ny finoana no nanamboaran’i Noa ilay sambofiara ary namonjeny ny fianakaviana tamin’ny safodrano (jereo Hebreo 11:7). Nosarahan’i Mosesy ny Ranomasina Mena (jereo Hebreo 11:29). Niantso mba hilatsahan’ny afo avy any an-danitra i Elia (jereo 1 Mpanjaka 18:17–40). Niantso mba hisian’ny mosary i Nefia (jereo Helamàna 11:3–5). Nangataka ny Tompo koa izy mba hampitsahatra ny mosary (jereo Helamàna 11:9–17). Nampitoniana ny ranomasina, nisy ny fahitana, novaliana ny vavaka ary izany dia tamin’ny alalan’ny herin’ny finoana daholo.

Rehefa mandalina tsara ny soratra masina isika, dia mahafantatra fa ny finoana dia ny fananana fahatokiana mafy ny fahamarinana ao anatintsika, izay mamporisika antsika hanao ny tsara. Izany dia mahatonga antsika hanontany hoe: Tokony hanana finoana an’iza isika?

  • Eritrereto ireo zavatra izay ataonao isan’andro. Inona avy ireo zavatra ataonao isan’andro izay tsy ho hitanao ny vokany any amin’ny farany? Ahoana no fomba hamporisihan’ny finoana anao hanao asa?

Nahoana no Tokony Hanana Finoana an’i Jesoa Kristy Isika?

Tokony hampifantoka ny finoantsika amin’i Jesoa Kristy Tompo isika.

Ny dikan’ny hoe mino an’i Jesoa Kristy dia ny fananana fahatokiana fatratra Azy ka mankatò izay handidiany antsika rehetra isika. Rehefa mametraka ny finoantsika amin’i Jesoa Kristy isika, ary lasa mpianany izay mankatò Azy, dia hamela ny fahotantsika sy hanomana antsika hiverina any Aminy ny Ray any An-danitra.

Nanambara ny Apôstôly Petera hoe: “tsy misy anarana hafa ambanin’ny lanitra nomena ny olona izay hahazoantsika famonjena” (Asan’ny Apôstôly 4:12; jereo koa Môsià 3:17). I Jakôba dia nampianatra fa ny olona dia tsy maintsy “manam-pinoana tanteraka ny Iray Masin’i Isiraely [Jesoa Kristy], fa raha tsy izany dia tsy ho azo vonjena ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra izy” (2 Nefia 9:23). Amin’ny alalan’ny finoana ny Mpamonjy sy ny fibebahana dia manao izay hampisy fiantraikany feno eo amin’ny fiainantsika ilay Sorompanavotany isika. Afaka mahazo hery handresena ny fakam-panahy koa isika amin’ny alalan’ny finoana (jereo Almà 37:33).

Tsy afaka manana finoana an’i Jesoa Kristy isika raha tsy manana finoana ny Raintsika any An-danitra ihany koa. Raha mino Azy ireo isika, dia hino koa fa ny Fanahy Masina izay nalefan’izy ireo, izay hampianatra antsika ny fahamarinana rehetra sy hankahery antsika.

  • Inona no fiantraikan’ny finoana an’i Kristy eo amin’ny antsontsika ao am-piangonana? eo amin’ny fifandraisan’ny fianakaviantsika? eo amin’ny asantsika? Ahoana no fomba itondran’ny finoana an’i Jesoa Kristy fiantraikany eo amin’ny fanantenantsika hahazo ny fiainana mandrakizay?

Ahoana no Fomba Hampitomboantsika ny Finoantsika an’i Jesoa Kristy?

Noho ny fahafantarana ireo fitahiana maro izay azo amin’ny alalan’ny fampiharana ny finoana an’i Jesoa Kristy dia tokony hikatsaka ny hampitombo ny finoantsika isika. Hoy ny Mpamonjy hoe: “Raha manana finoana hoatra ny voatsinapy iray aza ianareo, … [dia] tsy hisy tsy ho hainareo hatao” (Matio 17:20). Tena kely ny voatsinapy, saingy mitombo ka lasa hazo lehibe izany.

Ahoana no fomba hampitomboantsika ny finoantsika? Mitovy amin’ny fomba fampitomboantsika na fampivelarantsika fahaiza-manao iray hafa ihany izany. Ahoana no fomba ananantsika fahaiza-manao eo amin’ny fanaovana sary sokitra amin’ny hazo, na fanenoman-damba, na fanaovana sary hosodoko, na fandrahoan-tsakafo, na fanaovana taozavatra amin’ny alalan’ny tanimanga, na ny filalaovana zavamaneno iray? Mianatra sy mampihatra isika ary mifofotra. Rehefa manao izany isika dia mivoatra. Dia toy izany koa no hatao eo amin’ny finoana. Raha te hampitombo ny finoantsika an’i Jesoa Kristy isika dia tsy maintsy mifofotra manao izany. Ny mpaminany Almà dia nampitaha ny tenin’Andriamanitra tamin’ny voa iray izay tsy maintsy kolokoloina amin’ny alalan’ny finoana:

“Nefa indro, raha te hamoha sy hanaitra ny faharanitan’ny sainareo ianareo, na dia ho fanandramana ny teniko aza, ary hampihatra sombiny amin’ny finoana, eny, na dia tsy afa-manao mihoatra noho ny maniry ny hino aza ianareo, dia avelao izany faniriana izany hiasa ao aminareo, ambara-pinoanareo amin’ny fomba izay hahafahanareo manisa toerana ho an’ny ampahany amin’ny teniko.

“Ankehitriny, dia hampitahaintsika amin’ny voa iray ny teny. Ankehitriny, raha manisa toerana ianareo mba hahazoana mamboly voa iray ao am-ponareo, indro, raha tena voa marina izany na voa tsara, raha tsy mandroaka izany hivoaka ianareo noho ny tsy finoanareo izay hanoheranareo ny Fanahin’ny Tompo, dia indro hanomboka handrobona ao an-tratranareo izy; ary rehefa tsapanareo ireo fihetsiny mandrobona, dia hanomboka hiteny anakampo ianareo hoe--tsy azo ihodivirana ny maha tsy maintsy voa tsara azy, na ny teny dia tsara, satria manomboka mpampivelatra ny fanahiko izy; eny, manomboka manazava ny fahazavan-tsaiko izy, eny manomboka ho fy amiko izy.. …

“Ankehitriny indro, moa va izany tsy hampitombo ny finoanareo?” (Almà 32:27–29).

Noho izany dia afaka mampitombo ny finoantsika an’Andriamanitra isika amin’ny alalan’ny fanaovana asa araka ilay faniriantsika hanana finoana Azy.

Afaka mampitombo ny finoantsika koa isika amin’ny alalan’ny fivavahana amin’ny Raintsika any An-danitra momba ny fanantenantsika, sy ny faniriantsika ary izay zavatra ilaintsika (jereo Almà 34:17–26). Saingy tsy tokony hieritreritra isika fa ny hany ataontsika dia ny mangataka. Ny soratra masina dia milaza amintsika fa “ny finoana raha tsy misy asa, dia maty mihitsy” (Jakoba 2:17). Ity tantara manaraka ity dia momba ny lehilahy iray izay niseho tamin’ny asany ny finoany.

Ity lehilahy ity dia te-handalina ny soratra masina nefa tsy nahay namaky teny. Nivavaka tamin’ny Ray any An-danitra izy mba hanampy Azy hahay hamaky teny. Taty aoriana dia nisy mpampianatra tonga tao amin’ilay tanànany, ary nangataka ilay mpampianatra izy mba hanampy azy. Nianatra ny abidia izy. Nianatra ireo fomba fanononana izy ary nianatra nanambatra ny tarehintsoratra hanaovana teny. Vetivety izy dia nahavaky teny tsotra. Rehefa nitombo kokoa ny fampiharana nataony dia nitombo kokoa ny fahaizany. Nisaotra ny Tompo izy tamin’ny fandefasany an’ilay mpampianatra sy tamin’ny fanampiany azy hahay hamaky teny. Tena nitombo be dia be tokoa ny finoana sy ny fanentren-tena ary ny fahalalan’ity lehilahy ity, ka lasa filohan’ny sampana tao amin’ny Fiangonana izy.

Nanazava ny Filoha Spencer W. Kimball hoe: “Tsy maintsy misy asa miaraka amin’ny finoana. Tena hadalana ny mangataka ny Tompo mba hanome antsika fahalalana, fa tena fahendrena kosa ny fangatahana ny fanampian’ny Tompo mba hikatsahana fahalalana, handalinana amim-pahazotoana sy hananana fomba fisainana mazava ary hitazonana ireo zavatra izay nianarantsika” (Faith Precedes the Miracle [1972], 205; miendrika soramandry tany amin’ny boky niaingana).

Ny Finoana dia mitaky ny fanaovana izay vitantsika mba hanatanterahana ireo zavatra hantenaintsika sy hivavahantsika. Hoy ny Filoha Kimball: “Mamboly ny voa ao anatin’ny finoana isika ary vetivety dia ho hitantsika ny fahagagan’ny fandrobonan’izany. Matetika izany no tsy takatry ny olona tsara ka navadik’izy ireo ilay dingana.” Notohizany izany tamin’ny fanazavana fa maro amintsika no te hahazo fahasalamana sy tanjaka nefa tsy mitandrina ny lalàn’ny fahasalamana. Te hiroborobo isika nefa tsy mandoa fahafolonkarena. Te hanakaiky ny Tompo isika nefa tsy te hifady hanina sy hivavaka. Te hahazo orana amin’ny fotoana maha mety izany isika sy te hahazo fandriampahalemana eo amin’ny tany nefa tsy manaja ny andro Sabata ho masina ary tsy mitandrina ireo didin’ny Tompo hafa. (Jereo Teachings of Presidents of the Church (Enseignements des Présidents de l’Église): Spencer W. Kimball [2006], 142.)

Ny fomba iray manan-danja mba hampitomboantsika ny finoantsika dia ny fihainoantsika sy ny fandalinantsika ny tenin’ny Tompo. Maheno ny tenin’ny Tompo isika any amin’ny Fivoriam-piangonantsika. Afaka mandalina ny teniny isika ao amin’ny soratra masina. “Ary satria tsy manana finoana ny rehetra, dia mikatsaha fatratra sy mifampianara ny teny fahendrena ianareo; eny katsahonareo ao amin’ny tsara indrindra ny teny fahendrena; katsahonareo ny fianarana amin’ny alalan’ny fandinihina ary koa amin’ny alalan’ny finoana” (F&F 88:118).

  • Inona no ifandraisan’ny finoantsika sy ny asantsika araka ny fahitanao azy?

Inona Avy ireo Fitahiana Avy amin’ny Finoana?

Amin’ny alalan’ny fanomezam-pahasoavan’ny finoana dia miseho ny fahagagana, miseho ny anjely, omena ireo fanomezam-pahasoavana ara-panahy hafa, voavaly ny vavaka ary lasa zanak’Andriamanitra ny olona (jereo Môrônia 7:25–26, 36–37).

“Rehefa misy ny finoana dia mitondra … apôstôly, mpaminany, evanjelistra, mpiandry, mpampianatra, fanomezam-pahasoavana, fahendrena, fahalalana, fahagagana, fahasitranana, fiteny, sy fandikana ny fiteny, sns. Miseho ireo rehetra ireo rehefa miseho eto an-tany ny finoana ary manjavona ireo rehefa manjavona eto an-tany ny finoana; satria izay no vokatry ny finoana. … Ary izay manana azy dia hahazo ny fahalalana sy fahendrena ilaina rehetra amin’ny alalany mandrapahafantany an’ilay Andriamanitra sy i Jesoa Kristy Tompo izay nirahiny—izay fiainana mandrakizay ny fahafantarana Azy” (Lectures on Faith [1985], 83).

  • Inona avy ireo tantara ao amin’ny soratra masina izay ahitana olona lasa natanjaka bebe kokoa noho ny fananany finoana an’i Jesoa Kristy? Ahoana ny fomba fisehon’izany teo amin’ny fiainanao?

Soratra Masina Fanampiny