Boky sy lesona
Toko 46: Ny Fitsarana Farany


Toko 46

Ny Fitsarana Farany

Sary
Resurrected Christ with arms outstretched stands above a throng of people of all races and times, some prone, some standing. The people on the right side of Christ are in the attitude of worship. The people on the left side of Christ are in anguish. Scenes of ruin are in the foreground and background. The Washington D.C. temple is pictured in the upper left corner.

Fitsaran’Andriamanitra

  • Inona avy ireo karazana fitsarana izay hitranga alohan’ny fitsarana farany? Inona no ifandraisan’ireo fitsarana rehetra ireo?

Lazaina isika matetika fa ho avy ilay andro izay hijoroantsika eo anatrehan’Andriamanitra ary hitsarana antsika. Mila mahatakatra ny fisehon’ny fitsarana isika mba hahafahantsika ho tafaomana tsara kokoa amin’izany fotoana manan-danja izany.

Ny soratra masina dia mampianatra antsika fa hotsaraina araka ny asantsika isika: “Ary nahita ny maty aho na ny lehibe na ny kely, nitsangana teo anoloan’ny seza fiandrianana; ary novelarina ny boky; ary nisy boky iray koa novelarina, dia ny bokin’ny fiainana izany; ary ny maty dia notsaraina araka izay zavatra voasoratra tao anatin’ny boky, araka ny asany” (Apokalypsy 20:12; jereo koa F&F 76:111; 1 Nefia 15:32; Abrahama 3:25–28). Isika koa dia hotsaraina “araka ny fanirian’ny fon[tsika]” (F&F 137:9; jereo koa Almà 41:3).

Isika eto an-tany dia matetika tsaraina araka ny fahamendrehantsika mba hahazoana fahafahana manao zavatra ao anatin’ny fanjakan’Andriamanitra. Rehefa atao batisa isika dia efa notsaraina fa mendrika ny handray izany ôrdônansy izany. Rehefa voantso hanompo ao amin’ny Fiangonana isika na rehefa manao dinidinika momba ny fandrosoana ao amin’ny fisoronana na dinidinika hahazoana fahazoan-dalana mankany amin’ny tempoly dia tsaraina isika.

Nampianatra i Almà fa rehefa maty isika dia na mankany amin’ny toetry ny fahasambarana ny fanahintsika na mankany amin’ny toetry ny fahorian’ny fanahy (jereo Almà 40:11–15). Fitsarana izany.

Ampiasaina mba Hitsarana Antsika ny Tenintsika sy ny Asantsika ary ny Eritreritsika

  • Alaivo sary an-tsaina izany hoe tsaraina amin’ny eritreritsika sy ny tenintsika ary ny asantsika isika.

Nijoro ho vavolombelona ny mpaminany Almà hoe: “Hanameloka antsika ny tenintsika, eny, ny asantsika rehetra no hanameloka antsika; … ary hanameloka antsika koa ny eritreritsika” (Almà 12:14).

Hoy ny Tompo hoe: “Fa hampamoahina ny olona amin’ny andro fitsarana noho ny amin’ny teny foana rehetra izay ataony. Fa ny teninao no hanamarinana anao ary ny teninao no hanamelohana anao” (Matio 12:36–37).

Ny finoana an’i Jesoa Kristy dia manampy antsika ho tafaomana amin’ny Fitsarana Farany. Amin’ny alalan’ny fanarahana Azy amim-pahatokiana sy ny fibebahana amin’ny fahotantsika rehetra, dia afaka ny ho voavela isika ary ho lasa madio sy masina ka afaka ny hitoetra eo anatrehan’Andriamanitra. Rehefa mibebaka amin’ny fahotantsika isika ary manajanona ny eritreritra sy ny asa ratsy rehetra, dia hanova ny fontsika ny Fanahy Masina ka tsy hanana fironana hanao ratsy intsony isika (jereo Môsià 5:2). Ary rehefa tsaraina isika dia ho hita fa vonona ny hiditra eo anatrehan’Andriamanitra.

  • Eritrereto izay zavatra azonao atao mba hanatsarana ny eritreritrao, ny teninao ary ny asanao.

Hotsaraina Araka izay Voarakitra ao anatin’ny Boky Firaketana isika

  • Inona ilay boky firaketana hitsarana antsika? Iza no hitsara antsika?

Nilaza ny Mpaminany Joseph Smith fa hotsaraina araka izay ao anatin’ny boky firaketana izay tanana eto an-tany ny maty. Hotsaraina araka izay ao anatin’ny “bokin’ny fiainana” koa isika izay tanana any an-danitra (jereo F&F 128:6–8).

“Tsy maintsy hiseho eo anoloan’ny ‘toeram-pitsaran’ny Iray Masin’ny Isiraely ianareo tsirairay … dia tsy maintsy tsaraina araka ny fitsarana masin’Andriamanitra.’ (2 Nefia 9:15.) Ary araka ny fahitan’i Jaona dia, ‘Novelarina ny boky; ary nisy boky iray koa novelarina, dia ny bokin’ny fiainana izany; ary ny maty dia notsaraina araka izay zavatra voasoratra tao anatin’ny boky.’ (Apokalypsy 20:12.) Ilay ‘boky’ resahana eto dia ilay ‘firaketana [ny asantsika] izay tanana eto an-tany. … Ny bokin’ny fiainana dia ilay firaketana tanana any an-danitra.’ (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana. 128:7.)” (Teachings of Presidents of the Church (Enseignements des Présidents de l’Église): Harold B. Lee [2000], 226–27).

Hisy boky firaketana iray hafa izay hampiasaina hitsarana antsika. Nampianatra ny Apôstôly Paoly fa efa boky mirakitra ny fiainantsika ihany isika (jereo Romana 2:15). Voatahiry ao anatin’ny vatantsika sy ny saintsika ny tantara fenon’ny zavatra rehetra nataontsika. Nampianatra ity fahamarinana ity ny Filoha John Taylor: “[Ny olona iray] dia mitantara ny tantarany ary mijoro ho vavolombelona ny amin’ny tenany. … Izany rakitsoratra nosoratan’izany olona izany eo amin’ny takelaky ny sainy ihany, sy izany rakitsoratra izay tsy afaka ny handainga izany dia havelatra eo anatrehan’Andriamanitra sy ny anjely ary ireo izay hipetraka ho mpitsara” (Deseret News, Mar. 8, 1865, 179).

Nampianatra ny Apôstôly Jaona hoe: “Fa ny Ray aza tsy mitsara olona, fa ny fitsarana rehetra dia nomeny ny Zanaka” (Jaona 5:22). Ny Zanaka kosa dia hiantso olona hafa hanampy amin’ny fitsarana. Ny Roambinifololahy izay niaraka Taminy nandritra ny asa fanompoany dia hitsara ny foko roa ambin’ny folon’i Isiraely (jereo Matio 19:28; Lioka 22:30). Ireo mpianatra Nefita roa ambin’ny folo dia hitsara ny vahoaka Nefita sy Lamanita (jereo 1 Nefia 12:9–10; Môrmôna 3:18–19).

Mandova Toerana ao amin’ny Fanjakam-boninahitra iray

  • Inona no ho fiantraikan’ny fahatokiantsika mandritra ny fiainantsika eto an-tany amin’ny fiainantsika any amin’ny mandrakizay?

Amin’ny fitsarana farany dia handova toerana iray isika any amin’ny fanjakana izay niomanantsika. Mampianatra momba ireo fanjakam-boninahitra telo ny soratra masina—ny fanjakana selestialy, ny fanjakana terestrialy sy ny fanjakana telestialy (jereo F&F 88:20–32).

Ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76, dia faritan’ny Tompo ireo fomba ahafahantsika misafidy ny fomba hiainantsika ny fiainantsika eto an-tany. Nanazava Izy fa hamaritra izay fanjakana niomanantsika ireo safidy ataontsika. Fantatsika amin’ny alalan’izany fanambarana izany fa na dia ny mpikamban’ny Fiangonana aza dia handova fanjakana samihafa satria tsy hitovy ny fahatokiany sy ny fahavitrihany teo amin’ny fankatoavana an’i Kristy.

Ireto manaraka ireto no karazana fiainana izay azontsika hisafidianana sy ny fanjakana izay ho azontsika avy amin’ny safidy nataontsika.

Selestialy

“Izy ireo no ireo izay nandray ny tenivavolombelon’i Jesoa sy nino ny anarany ary natao batisa, … mba ho amin’ny fitandremana ny didiny no hahazoana manasa sy manadio azy ireo amin’ny fahotany rehetra, ka handray ny Fanahy Masina.” Ireo no mandresy an’izao tontolo izao amin’ny finoany. Marina sy mahitsy izy ireo mba ho azon’ny Fanahy Masina fehezina eo amin’izy ireo ny fitahiany (jereo F&F 76:51–53). Ireo izay mandova ny ambaratonga avo indrindra ao amin’ny fanjakana selestialy, sy lasa andriamanitra, dia tsy maintsy ihany koa efa natao fanambadiana mandrakizay tany amin’ny tempoly (jereo F&F 131:1–4). Ireo rehetra izay mandova ny fanjakana selestialy dia hiara-hiaina mandrakizay amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy (jereo F&F 76:62).

Amin’ny alalan’ny asa ataontsika any amin’ny tempoly, dia afaka manana fahafahana mitovy handray ny fahafenoan’ny filazantsara sy ny ôrdônansin’ny famonjena ny olona rehetra izay niaina teto an-tany, mba hahafahan’izy ireo handova toerana iray any amin’ny ambaratonga avo indrindra any amin’ny voninahitra selestialy.

Terestrialy

Ireo no ireo izay nandà ny filazantsara teto an-tany saingy nandray izany ihany tany amin’ny tontolon’ny fanahy. Ireo no ireo izay olom-banona teto an-tany, izay nohajambain’ny famitahan’ny olona ka tsy nahita ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Ireo koa no ireo izay nandray ny filazantsara sy ny fijoroana ho vavolombelon’i Jesoa fa tsy nahery fo avy eo. Hovangian’i Jesoa Kristy izy ireo fa tsy ny Raintsika any An-danitra (jereo F&F 76:73–79).

Telestialy

Ireo olona ireo dia tsy nandray ny filazantsara na ny fijoroana ho vavolombelon’i Jesoa na teto an-tany izany na tany amin’ny tontolon’ny fanahy. Hijaly noho ny fahotany any amin’ny helo izy ireo mandrapahavitan’ny Arivotaona, rehefa hatsangana amin’ny maty. “Ireny no ireo izay mpandainga sy mpanompo sampy sy mpanitsakitsa-bady sy mpijangajanga ary izay rehetra tia sy manao lainga.” Fa izy ireo dia tsy omby alinalina tahaka ny kintana eny amin’ny habakabaky ny lanitra na tahaka ny fasika eny amoron-dranomasina. Ny Fanahy Masina ihany no hamangy azy ireo fa tsy ny Ray na ny Zanaka (jereo F&F 76:81–88, 103–6, 109).

Ny Haizina Ivelany

Ireo no ireo izay nanana fijoroana ho vavolombelona momba an’i Jesoa tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina ary nahafantatra ny herin’ny Tompo saingy namela an’i Satana haka fanahy azy ireo. Nandà ny fahamarinana izy ireo ary nihantsy ny herin’ny Tompo. Tsy misy ny famelana ho azy ireo satria nandà ny Fanahy Masina izy ireo taorian’ny nandraisany izany. Tsy hahazo fanjakam-boninahitra mihitsy izy ireo. Hiaina ao anatin’ny haizina sy korontana ary fahoriana mandrakizay miaraka amin’i Satana sy ny anjeliny izy ireo. (Jereo F&F 76:28–35, 44–48.)

Tokony Hiomana amin’ny Fitsarana Isika Dieny Izao

  • Inona no tokony hataontsika mba ho vonona amin’ny Fitsarana Farany?

Raha ny marina isan’andro dia androm-pitsarana. Miresaka sy mieritreritra ary manao asa araka ny lalàna selestialy na terestrialy na telestialy isika. Ny finoantsika an’i Jesoa Kristy izay miseho amin’ny alalan’ny zavatra ataontsika isan’andro dia hamaritra izay fanjakana holovaintsika.

Manana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny ao amin’ny fahafenoany isika. Ny filazantsara no lalàn’ny fanjakana selestialy. Efa nambara daholo ireo ôrdônansin’ny fisoronana rehetra izay ilaina ho an’ny fivoarantsika. Efa niditra ny ranon’ny batisa isika ary nanao fanekempihavanana mba hanana fiainana tahaka ny an’i Kristy. Raha mahatoky sy mitandrina ny fanekempihavanana nataontsika isika dia efa nolazain’ny Tompo antsika izay ho endriky ny fitsarana antsika. Hilaza amintsika Izy hoe: “Avia ianareo, izay notahian’ny Raiko, mandovà ny fanjakana izay voavoatra ho anareo hatrizay nanorenana izao tontolo izao” (Matio 25:34).

Soratra Masina Fanampiny