Boky sy lesona
Toko 9: Ireo Mpaminanin’Andriamanitra


Toko 9

Mpaminanin’Andriamanitra

Solontenan’Andriamanitra eto Ambonin’ny Tany ny Mpaminany

  • Inona avy ireo hery sy fanomezam-pahasoavana ananan’ny mpaminany?

“Tsy manao na inona na inona tokoa Jehovah Tompo, raha tsy milaza ny heviny amin’ny mpaminany mpanompony” (Amosa 3:7).

Maro ireo olona miaina ao anatin’ny haizina noho ny tsy fahalalana ny sitrapon’Andriamanitra. Mino izy ireo fa mihidy ny lanitra ary tsy maintsy miatrika irery ny loza miseho eto amin’izao tontolo izao ny olona. Tena sambatra tokoa ny Olomasin’ny Andro Farany! Fantatsika fa mifandray amin’ny Fiangonana amin’ny alalan’ny mpaminaniny Andriamanitra. Amin’ny fo feno fankasitrahana no ihiran’ny Olomasina manerana an’izao tontolo izao ilay hira hoe: “Misaotra noho ny Mpaminany nomenao hitarika anay” (Fihirana, faha-72).

Ny mpaminany dia lehilahy antsoin’Andriamanitra ho solontenany eto an-tany. Rehefa misy mpaminany miteny eo amin’ny toeran’Andriamanitra dia toy ireny Andriamanitra ireny mihitsy no miteny (jereo F&F 1:38). Ny Mpaminany dia vavolombelona manokan’i Kristy ary mijoro ho vavolombelona momba ny maha-Andriamanitra Azy sy mampianatra ny filazantsarany. Mampianatra ny fahamarinana ny mpaminany ary mandika ny tenin’Andriamanitra. Manasa ny olona manao ny tsy marina mba hibebaka izy. Mandray fanambarana sy fitarihana avy amin’ny Tompo hanasoavana antsika izy. Afaka mahita ny hoavy sy milaza mialoha izay zavatra hitranga amin’ny hoavy Izy mba hahafahana hampitandrina an’izao tontolo izao.

Ny mpaminany dia mety olona avy ao amin’ny sarangam-piainana samihafa. Mety ho tanora izy na antitra, na mety ho manam-pahaizana na tsy nandia fianarana. Mety ho mpamboly sy mpiompy izy, na mpisolo vava na mpampianatra. Ny mpaminany fahiny dia nanao akanjo lava sy nitondra tehina. Ny mpaminany maoderina dia manao palitao sy pataloha ary mitondra kitapo. Raha izany dia inona no hamantarana ny mpaminany marina? Ny mpaminany marina dia nofidian’Andriamantira foana ary nantsoina tamin’ny alalan’ny fahefan’ny fisoronana marina (jereo Fanekem-pinoana 1:5).

Ny Olomasin’ny Andro Farany dia manohana ny Fiadidiana Voalohany sy ny Apôstôly Roambinifolo ho toy ny mpaminany. Kanefa, rehefa miteny hoe “ny mpaminanin’ny Fiangonana” isika, dia ny Filohan’ny Fiangonana no tiantsika holazaina, izay Filohan’ny fisoronana avo.

Niantso Mpaminany mandrakariva Andriamanitra mba Hitarika ny Olombelona tao anatin’ny Tantaran’izao tontolo izao

  • Tamin’ny fomba ahoana no nitarihan’ireo mpaminany ny zanak’Andriamanitra fahiny?

Ny mpaminany dia efa nisy teto an-tany hatrany amin’ny andron’i Adama. Mampientanentana antsika sy mitaona fanahy ny zavatra nataon’ireo lehilahy manana ny maha-izy azy ireo. I Mosesy, izay mpaminany ao amin’ny Testamenta Taloha, dia nitarika ny vahoakany an’arivony hivoaka tany Egypta sy handositra ny fanandevozana hankany amin’ilay tany nampanantenaina. Nanoratra ireo boky dimy voalohan’ny Testamenta Taloha izy ary nirakitra ny Didy Folo. I Nefia, izay mpaminany ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, dia niala tao Jerosalema nankany Amerika, 600 taona talohan’ny nahaterahan’i Kristy. Io mpitarika lehibe io dia nanome antsika rakitsoratra manan-danja maro ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. I Jaona Mpanao Batisa dia voafidy hanomana an’izao tontolo izao amin’ny fahatongavan’i Jesoa Kristy Tompo. Tamin’ny alalan’i Joseph Smith, izay mpaminanin’ny andro farany no namerenan’ny Tompo tamin’ny laoniny ny Fiangonana. I Joseph Smith koa no nandika ny Bokin’i Môrmôna fony izy zatovolahy.

  • Inona no zavatra nianaranao avy tamin’ny fiainan’ny mpaminany sy ny fampianarany?

Manana Mpaminany Velona isika eto An-tany Ankehitriny

  • Nahoana no mila mpaminany velona isika ankehitriny?

Manana mpaminany izay miaina eto an-tany isika ankehitriny. Ny Filohan’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany izany mpaminany izany. Manana zo hahazo fanambarana ho an’ny Fiangonana iray manontolo izy. Mihazona ny “fanalahidin’ny fanjakana” izy, izay midika fa manana ny fahefana hitarika ny Fiangonana iray manontolo sy ny fanjakan’Andriamanitra eto an-tany izy, ary tafiditra ao anatin’izany ny fanatanterahana ny ôrdônansin’ny fisoronana (jereo Matio 16:19). Tsy misy olona afa-tsy ny mpaminany sy Filoha voafidy ihany no afaka mandray ny sitrapon’Andriamanitra ho an’ny mpikamban’ny Fiangonany rehetra. Hoy ny Tompo hoe: “Tsy misy na oviana na oviana afa-tsy olona iray ihany no omeko ireo fanalahidin’ny fisoronana” (F&F 132:7). Ny Filohan’ny Fiangonana dia ampian’ny mpanolotsainy ao amin’ny Fiadidiana Voalohany sy ireo mpikambana ao amin’ny Kôlejin’ny Roambinifololahy izay mpaminany sy mpahita ary mpanambara koa.

Tokony hanao ireo zavatra izay asain’ny mpaminany ataontsika isika. Nilaza ny Filoha Wilford Woodruff fa tsy havela hamily lalana ny Fiangonana velively ny mpaminany:

“Ny Tompo dia tsy hamela velively ahy na lehilahy hafa izay voantso ho Filohan’ity Fiangonana ity mba hamily lalana anao. Tsy ao anatin’ilay lamina izany. Tsy ao an-tsain’Andriamanitra izany. Raha toa aho ka te hanao izany, dia hesorin’ny Tompo eo amin’ny toerako” (Teachings of Presidents of the Church: Wilford (Enseignements des Présidents de l’Église): Wilford Woodruff [2004], 199).

  • Inona no fiantraikan’ny asan’ny mpaminany velona eo anivon’ny Fiangonana?

Tokony hanohana ny Mpaminanin’ny Tompo isika

  • Inona no azontsika atao mba hanarahana sy hanohanana ny mpaminany?

Ho an’ny olona maro dia mora ny mino ireo mpaminany fahiny. Saingy tsara lavitra kokoa ny mino sy manaraka ny mpaminany velona. Manangana ny tanantsika isika mba hanohana ny Filohan’ny Fiangonana ho toy ny mpaminany sy mpahita ary mpanambara.

Ahoana no ahafahantsika manohana ny mpaminany? Tokony hivavaka ho azy isika. Mavesatra ny entany ary mila fampaherezana amin’ny alalan’ny vavaky ny Olomasina izy.

Tokony handalina ny teniny isika. Afaka mihaino ny lahateniny mandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana isika. Afaka manao famandrihana ahazoana ny boky Ensign na Liahona isika mba hahafahantsika hamaky ireo lahateny amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana sy ny hafatra hafa izay omeny.

Tokony hanaraka tanteraka ny fampianarany izay tena tsara isika. Tsy tokony hisafidy ny hanaraka ny ampahany fotsiny amin’ilay toroheviny izay tena tsara isika sy hisafidy ny tsy hiraharaha ny zavatra tsy mahafinaritra na sarotra. Nandidy antsika ny Tompo mba hanaraka ny fampianaran’ny mpaminaniny izay tena tsara:

“Koa miteny aminareo fiangonana Aho hampandrianareo sofina amin’ny teny sy ny didin’ny [mpaminany] rehetra izay homeny anareo araka ny andraisany azy ireny, amin’ny fandehanana amin’ny fahamasinana tanteraka eo anoloako;

“Fa ny teniny dia horaisinareo toa ireny avy amin’ny vavako ireny, amin’ny faharetana sy ny finoana rehetra” (F&F 21:4–5).

Tsy havelan’ny Tompo na oviana na oviana hamily lalana antsika ny Filohan’ny Fiangonana.

  • Inona no zavatra nampianarin’ny Filohan’ny Fiangonana na nantitranteriny vao haingana?

Fitahiana Lehibe no Vokatry ny Fankatoavana ny Mpaminany

Raha mankatò isika dia nampanantena ny Tompo hoe: “Ny vavahadin’ny helo dia tsy haharesy anareo; eny, ary ny Tompo Andriamanitra dia hampihanaka ny herin’ny haizina eo anoloanareo ary hampihozongozona ny lanitra mba ho soa ho anareo sy ho voninahitry ny anarany” (F&F 21:6). Raha manao izay lazain’ny mpaminanintsika isika, dia hirotsaka avy any an-danitra ny fahasoavana.

Mba hahamafy orina ilay Fiangonana marina dia tsy maintsy “hatsangana eo ambonin’ny fanorenan’ny Apôstôly sy ny mpaminany [izany], ary Jesoa Kristy no fehizoro indrindra” (Efesiana 2:20). Sambatra isika ao anatin’ity izao tontolo izao izay mampiahiahy ity fa manana mpaminany izay hanambaran’ny Tompo ny sitrapony.

  • Inona avy ireo zavatra niseho teo amin’ny fiainanao rehefa nankatò ny torohevitry ny mpaminany ianao?

Soratra Masina Fanampiny

  • Nomery 12:6 (Miresaka amin’ny alalan’ny mpaminany Andriamanitra)

  • 1 Samoela 9:9 (antsoina hoe mpahita ny mpaminany)

  • Amosa 3:7 (Manambara ny tsiambaratelony amin’ny mpaminany Andriamanitra)

  • Môsià 8:16–18 (Afaka mahafantatra ny zavatra izay efa lasa ary ny zavatra izay ho avy ny mpahita)

  • Lioka 1:70 (Miresaka amin’ny alalan’ny mpaminany Andriamanitra)

  • F&F 45:10, 15 (Miresaka toy ny tamin’ny andro fahiny Andriamanitra amin’izao fotoana izao)

  • 1 Nefia 22:2 (amin’ny alalan’ny Fanahy no ampahafantarana ny mpaminany ny zava-drehetra)

  • F&F 68:3–5 (rehefa miteny ny mpanompon’ny Tompo amin’ny alalan’ny fanentanan’ny Fanahy dia sain’ny Tompo, sitrapon’ny Tompo ary feon’ny Tompo izany)

  • F&F 107:65–67, 91–92 (andraikitry ny Filohan’ny Fiangonana)

  • F&F 43:1–7 (ny mpaminany ihany no afaka mahazo fanambarana ho an’ny Fiangonana)

Sary
Joseph Smith

Joseph Smith

Sary
Brigham Young

Brigham Young

Sary
John Taylor

John Taylor

Sary
Wilford Woodruff

Wilford Woodruff

Sary
Lorenzo Snow

Lorenzo Snow

Sary
Joseph F. Smith

Joseph F. Smith

Sary
Heber J. Grant

Heber J. Grant

Sary
George Albert Smith

George Albert Smith

Sary
David O. McKay

David O. McKay

Sary
Joseph Fielding Smith

Joseph Fielding Smith

Sary
Harold B. Lee

Harold B. Lee

Sary
Spencer W. Kimball

Spencer W. Kimball

Sary
Ezra Taft Benson

Ezra Taft Benson

Sary
Howard W. Hunter

Howard W. Hunter

Sary
Gordon B. Hinckley

Gordon B. Hinckley

Sary
Thomas S. Monson

Thomas S. Monson