Boky sy lesona
Toko 5: Ny Fahariana


Toko 5

Ny Fahariana

Sary
The Earth as seen from space.

Ny Drafitr’Andriamanitra ho Antsika

  • Nahoana no nilaintsika ny tonga teto an-tany?

Fony isika zanaka fanahy niara-niaina tamin’ny ray aman-drenintsika tany an-danitra, dia nolazain’ny Raintsika tany An-danitra tamintsika ny momba ilay drafiny ho antsika mba hahatonga antsika hitovy bebe kokoa Aminy. Nihoby isika rehefa nahare ilay drafiny (jereo Joba 38:7). Nangetaheta traikefa vaovao isika. Mba hitrangan’ireo zavatra ireo dia nila niala teo anatrehan’ny Raintsika isika ary nandray vatana mety maty. Nila toerana iray hafa iainana isika izay ahafahantsika miomana ho lasa tahaka Azy. Nantsoina hoe tany ilay fonenantsika vaovao.

  • Nahoana araka ny eritreritrao no nihoby isika rehefa nahafantatra momba ilay drafitry ny famonjena?

Nanao ny Tany i Jesoa

Nahary an’izao tontolo izao sy ny zava-drehetra ao anatiny i Jesoa Kristy. Nanao ny tontolo maro hafa koa izy. Nataony tamin’ny alalan’ny herin’ny fisoronana izany ary teo ambany fitarihan’ny Raintsika any An-danitra. Hoy Andriamanitra Ray hoe: “Ary tontolo tsy hita isa no efa nohariako; … ary tamin’ny alalan’ny Zanaka no nohariako ireny, izay ny Lahitokako” (Mosesy 1:33). Manana fijoroana ho vavolombelona hafa momba izany fahamarinana izany isika. Nahita an’i Jesoa tao anatin’ny fahitana iray i Joseph Smith sy Sidney Rigdon. Nijoro ho vavolombelona izy ireo “fa tamin’ny alalany sy tao Aminy ary avy Aminy no ary sy nahariana ireo tontolo, ary ny mponina eo aminy dia ateraka ho zanakalahy sy ho zanakavavy ho an’Andriamanitra” (F&F 76:24).

Fanatanterahana ny Fahariana

  • Inona avy ireo tanjon’ny Fahariana?

Nohariana ara-panahy ny tany sy ny zava-drehetra ao anatiny talohan’ny nahariana azy ireo ara-batana (jereo Mosesy 3:5). Tao anatin’ny fandrindrana ny fahariana ny tany ara-batana dia nilaza tamin’ireo izay niaraka Taminy i Kristy hoe: “Hidina isika fa misy toerana eny, … ary haka amin’ireto akora ireto isika dia hanao tany iray izay hahazoan’ireto [fanahy zanaky ny Raintsika any an-danitra] ireto mitoetra” (Abrahama 3:24).

Nanao sy nandrindra ny tany i Kristy teo ambany fitarihan’ny Ray. Nosarahany ny mazava sy ny maizina mba hanaovany ny andro sy alina. Nanao ny masoandro, ny volana ary ny kintana izy. Nosarahany ny rano sy ny tany maina mba hanaovana ranomasina sy ony ary renirano. Nataony tsara tarehy sy mahavokatra ny tany. Namboly bozaka, hazo, voninkazo ary zavamaniry hafa maro karazana Izy. Ahitana voa ireo zavamaniry ireo ka nisy zavamaniry vaovao afaka naniry avy tamin’izany. Avy eo dia nahary ny biby Izy—trondro, biby lehibe fiompy, bibikely ary vorona isan-karazany. Ireo biby ireo dia nanana fahafahana hiteraka karazam-biby toa azy ihany.

Vonona ho amin’ilay fahariana lehibe indrindra amin’izay ny tany—dia ny olombelona. Homena vatana nofo sy ra ny fanahintsika mba hahafahan’izy ireo hiaina eto an-tany. “Ary Izaho Andriamanitra dia niteny tamin’ny Lahitokako, izay niaraka Tamiko hatrany am-piandohana, hoe: Andeha isika hamorona olona araka ny endritsika, araka ny tarehintsika; dia to izany” (Mosesy 2:26). Noho izany dia namboarina ilay lehilahy voalohany, i Adama, sy ilay vehivavy voalohany, i Eva, ary nomena vatana izay mitovy amin’ny an’ireo ray aman-drenintsika any an-danitra. “Tahaka ny endrik’Andriamanitra no namoronany azy; lahy sy vavy no namoronany azy” (Genesisy 1:27). Rehefa vitan’ny Tompo ireo zavatra nohariany, dia faly Izy ary nahafantatra fa tsara ny asany ary dia nitsahatra Izy tao anatin’ny fotoana iray.

Mampiseho ny Fitiavan’Andriamanitra ireo Zavatra Nohariany

  • Ahoana no fomba entin’ireo zavatra noharian’Andriamanitra mampiseho fa tia antsika Izy?

Monina ao amin’ity izao tontolo izao izay tsara tarehy ity isika ankehitriny. Eritrereto ny masoandro izay manome hafanana sy hazavana ho antsika. Eritrereto ny orana izay mampaniry ny zavamaniry ary mampahatonga an’izao tontolo izao hadio sy hangatsiatsiaka. Eritrereto ny maha tena mahafinaritra ny maheno vorona iray mihira na namana iray mihomehy. Eritrereto ny maha tena tsara ny vatantsika—ny fahafahantsika miasa sy milalao ary miala sasatra. Rehefa mandinika ireo zavatra rehetra nohariana ireo isika dia manomboka mahatakatra fa tena olona hendry sy manam-pahefana ary be fitiavana i Jesoa Kristy sy ny Raintsika any An-danitra. Nampiseho fitiavana lehibe ho antsika Izy ireo tamin’ny alalan’ny fanomezana ny zavatra rehetra ilaintsika.

Ny zavamaniry manan’aina sy ny biby manan’aina dia namboarina mba hanome fifaliana ho antsika. Hoy ny Tompo hoe: “Eny, ny zavatra rehetra izay avy amin’ny tany, amin’ny fotoany avy, dia natao ho tombontsoa sy hampiasain’ny olona, sady hahafinaritra ny maso no hamalifaly ny fo; eny ho hanina sy ho fitafiana, ho fankafizana sy ho fanamboloana, hampahery ny vatana sy hamelombelona ny fanahy.” (F&F 59:18–19). Na dia maro aza ireo zavatra noharian’Andriamanitra dia fantany sy tiany daholo izy rehetra. Hoy Izy hoe: “Fa ny zava-drehetra dia voaisa ho Ahy, fa Ahy ireny ary fantatro ireny.” (Mosesy 1:35).

  • Inona avy ireo zavatra tianao momba ireo zavatra noharian’Andriamanitra?

Soratra Masina Fanampiny