Boky sy lesona
Toko 17: Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy Ankehitriny


Toko 17

Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy Ankehitriny

Sary
Painting of a young boy kneeling looking up at a grove of trees. At the center of the painting is a young boy (age 14) kneeling. His hands are resting on his thighs and he looks up at a light source above his head. The boy wears grey trousers (with suspenders) and grey vest and an off-white shirt. The shirt has a collar and two button placket at the front and the sleeves are rolled. The young boy had blond hair that is slightly rumpled. The background his a grove of trees, almost all with no leaves. There are some low saplings immediately behind the boy. The foreground has rocks, twings and small plants sprouting. "Walter Rane 04" appears in the lower right corner in red.

Nesorina teto An-tany ny Fiangonan’i Jesoa Kristy

  • Nahoana no nesorina teto an-tany ny Fiangonan’i Jesoa Kristy fotoana fohy taorian’ny nahafatesan’ny Mpamonjy sy nitsanganany?

Fony Jesoa niaina teto an-tany dia naoriny ny Fiangonany, ilay hany Fiangonana marina. Nanorina ny Fiangonany Izy mba hahafahana hampianatra ny fahamarinan’ny filazantsara amin’ny olona rehetra sy hahafahana hanatanteraka ireo ôrdônansin’ny filazantsara, araka ny tokony ho izy miaraka amin’ny fahefana. Tamin’ny alalan’izany rafitra izany dia afaka nitondra ireo fitahian’ny famonjena ho an’ny olombelona i Kristy.

Taorian’ny niakaran’ny Mpamonjy tany an-danitra dia novain’ny olona ireo ôrdônansy sy fotopampianarana izay napetrany sy napetraky ny Apôstôliny. Noho ny apôstazia dia tsy nisy ny fanambarana mivantana avy tamin’Andriamanitra. Tsy teto an-tany intsony ny Fiangonana marina. Nanorina fiangonana maro ny olona izay samy nilaza fa marina nefa nampianatra fotopampianarana mifanipaka. Nisy fisafotofotoana sy fifandirana lehibe teo amin’ny finoana. Efa hitan’ny Tompo ireo toe-javatra hiseho amin’ny apôstazia ireo ka nilaza Izy fa hisy “mosary amin’ny tany, tsy fanirian-kanina anefa, na hetahetan-drano, fa faniriana handre ny tenin’i Jehovah. … Hivezivezy … hitady ny tenin’i Jehovah izy, nefa tsy hahita” (Amosa 8:11–12).

  • Ahoana no fiantraikan’ilay mosary resahana ao amin’ny Amosa 8:11–12 eo amin’ny olona?

Nampanantena ny Tompo fa Hamerina indray ny Fiangonany Marina

  • Inona ireo toe-java-niseho sasany teto amin’izao tontolo izao izay nanomana ny lalan’ny Famerenana indray ny filazantsara?

Nampanantena ny Mpamonjy fa hamerina indray ny Fiangonany amin’ny andro farany. Hoy Izy hoe: “Dia indro koa, mbola hanao zava-mahagaga amin’ity firenena ity Aho, dia zava-mahagaga sy mahatalanjona” (Isaia 29:14).

Niaina tao anatin’ny haizina ara-panahy ny olona nandritra ny taona maro. Teo amin’ny 1700 taona taorian’i Kristy, dia lasa liana dia liana ny hahafantatra ny fahamarinana momba an’Andriamanitra sy ny finoana ny olona. Ny sasany tamin’izy ireo dia afaka nahita fa ny filazantsara izay nampianarin’i Jesoa dia tsy teto an-tany intsony. Ny sasany dia nahatsapa fa tsy nisy intsony ny fanambarana sy ny fahefana marina ary ilay Fiangonana izay naorin’i Kristy dia tsy teto an-tany intsony. Tonga ilay fotoana hamerenana indray ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto an-tany.

  • Nahoana no “asa mahagaga” ny Famerenana ny fahafenoan’ny filazantsara?

Fanambarana Vaovao avy amin’Andriamanitra

  • Inona no zavatra nianaran’i Joseph Smith momba an’Andriamanitra tao anatin’ny Fahitany Voalohany?

Tamin’ny lohataon’ny taona 1820, dia nisy zava-niseho faran’izay manan-danja indrindra nitranga teo amin’ny tantaran’izao tontolo izao. Tonga ilay fotoana ho an’ilay asa mahagaga sy mahatalanjona izay nolazain’ny Tompo. Fony izy zatovolahy, dia te hahafantatra izay Fiangonan’i Jesoa Kristy marina tao anatin’ireo fiangonana rehetra i Joseph Smith. Nandeha tany anaty ala akaikin’ny tranony izy ary nivavaka tamim-panetrentena sy tamin-kitsimpo tamin’ny Rainy any An-danitra. Nisy zava-mahagaga nitranga tamin’izay maraina izay. Niseho tamin’i Joseph Smith ny Ray any An-danitra sy Jesoa Kristy. Niteny taminy ny Tompo mba tsy hilatsaka ho mpikambana amin’izay fiangonana misy satria tsy teto an-tany ilay Fiangonana marina. Nilaza koa izy fa ny fanekem-pinoan’ireo fiangonana nisy dia “fahavetavetana teo imasony” (Joseph Smith—Tantara 1:19; jereo koa andininy 7–18, 20). Nanomboka tamin’izay zava-niseho izay, dia nisy indray ny fanambarana mivantana avy any an-danitra. Nifidy mpaminany vaovao ny Tompo. Nanomboka tamin’izay fotoana izay dia tsy nihidy intsony ny lanitra. Mitohy hatramin’izao fotoana izao ny fanambarana amin’ny alalan’ireo mpaminany nofinidiny. I Joseph no natao mba hanampy amin’ny famerenana indray ny filazantsara marin’i Jesoa Kristy.

  • Nahoana no iray amin’ireo zava-niseho tena faran’izay manan-danja indrindra eo amin’ny tantaran’izao tontolo izao ny Fahitana Voalohany?

Naverina Indray ny Fahefana avy amin’Andriamanitra

  • Nahoana no nilaina ny famerenana indray ny Fisoronana Aharôna sy Melkizedeka?

Rehefa namerina indray ny filazantsara Andriamanitra dia nanome indray ny fisoronana ho an’ny lehilahy Izy. Tonga i Jaona mpanao batisa tamin’ny 1829 mba hanome ny Fisoronana Aharôna an’i Joseph Smith sy Oliver Cowdery (jereo F&F 13; 27:8). Dia tonga koa i Petera, i Jakoba ary i Jaona, izay fiadidian’ny Fiangonana fahiny ary nanome an’i Joseph sy Oliver ny Fisoronana Melkizedeka sy ny fanalahidin’ny fanjakan’Andriamanitra (jereo F&F 27:12–13). Taty aoriana dia nisy fanalahidin’ny fisoronana fanampiny izay naverin’ireo iraky ny lanitra indray toa an’i Mosesy sy i Elià ary i Elia (jereo F&F 110:11–16). Naverina teo an-tany ny fisoronana tamin’ny alalan’ny Famerenana tamin’ny laoniny. Ireo izay mihazona izany fisoronana izany amin’izao fotoana izao dia manana ny fahefana hanatanteraka ôrdônansy toy ny batisa. Manana ny fahefana hitantanana ny fanjakan’ny Tompo eto an-tany koa izy ireo.

Naorina Indray ny Fiangonan’i Kristy

  • Inona ireo zava-niseho izay nitondra tany amin’ny fanorenana indray ny Fiangonana eto an-tany?

Tamin’ny 6 Aprily 1830, dia nitarika indray ny fanorenana ny Fiangonany teto an-tany ny Mpamonjy (jereo F&F 20:1). Antsoina hoe: Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany izany (jereo F&F 115:4). I Kristy no lohan’ny Fiangonana ankehitriny, toy ny naha lohan’izany Azy fahiny. Nilaza ny Tompo hoe izany no “hany fiangonana marina sy velona eto ambonin’ny tany manontolo, izay ankasitrahako, Izaho Tompo” (F&F 1:30).

Notohanana ho mpaminany sy “loholona voalohany” ao amin’ny Fiangonana i Joseph Smith (jereo F&F 20:2–4). Taty aoriana dia naorina ny Fiadidiana Voalohany ary notohanana ho Filoha izy. Rehefa tafaorina ilay Fiangonana, dia ny rafitra fototra ihany aloha no napetraka. Hivelatra ihany izany rafitra izany rehefa miha mitombo ny Fiangonana.

Ny Fiangonana dia narafitra tamin’ny alalan’ireo anjara fanompoana izay hita tany amin’ny Fiangonana fahiny ihany. Izany rafitra izany dia ahitana ny apôstôly, mpaminany, fitopololahy, evanjelistra (patriarika), mpiandry (mpitarika miahy), mpisorona avo, loholona, eveka, mpisorona, mpampianatra ary diakona. Ireo anjara fanompoana ireo dia ao anatin’ny Fiangonany ankehitriny (jereo Fanekem-pinoana 1:6).

Mpaminany iray, izay miasa eo ambany fitarihan’ny Tompo, no mitarika ny Fiangonana. Izany mpaminany izany dia Filohan’ny Fiangonana ihany koa. Mihazona ny fahefana rehetra ilaina mba hitantanana ny asan’ny Tompo eto an-tany izy (jereo F&F 107:65, 91). Misy mpanolotsaina roa manampy ny Filoha. Ny Apôstôly Roambinifolo, izay vavolombelona manokan’ny anaran’i Jesoa Kristy, dia mampianatra ny filazantsara ary misahana ny raharahan’ny Fiangonana manerana an’izao tontolo izao. Ireo mpitarika ambonin’ny Fiangonana hafa izay manana andraikitra manokana, toy ny Episkôpà Mpiahy sy ny Kôlejin’ny Fitopololahy dia miasa eo ambany fitarihan’ny Fiadidiana Voalohany sy ny Roambinifololahy.

Ny anjara fanompoan’ny fisoronana dia ahitana apôstôly, fitopololahy, patriarika, mpisorona avo, eveka, loholona, mpisorona, mpampianatra sy diakona. Ireo ihany koa no anjara fanompoana nisy tao amin’ny Fiangonana fony i Jesoa teto an-tany.

Nihalehibe lavitra noho ny tamin’ny andron’i Jesoa ny Fiangonana. Rehefa nitombo izany, dia nanambara ny hisian’ny rafitra hafa eo anivon’ny Fiangonana ny Tompo. Rehefa voaorina tanteraka eo amin’ny faritra iray ny Fiangonana, dia misy fizarazaram-paritra eo an-toerana izay antsoina hoe tsatòka. Ny filohan’ny tsatòka sy ny mpanolotsainy anankiroa no mitarika ny tsatòka tsirairay. Ny tsatòka dia manana mpikamban’ny filankevitra avo 12 izay manampy amin’ny fanaovana ny asan’ny Tompo ao amin’ny tsatòka. Aorina ao amin’ny tsatòka eo ambany fitarihan’ny filohan’ny tsatòka ny kôlejin’ny Fisoronana Melkizedeka (jereo toko 14 ao amin’ity boky ity). Ny tsatòka tsirairay dia zaraina ho faritra kelikely antsoina hoe paroasy. Eveka iray sy mpanolotsaina anankiroa no miahy ny paroasy tsirairay.

Any amin’ny faritra eto amin’izao tontolo izao izay eo an-dalam-pandrosoana ny Fiangonana, dia misy distrika izay mitovy amin’ny tsatòka. Ny distrika dia mizara ho vondrona kely antsoina hoe sampana izay mitovy amin’ny paroasy.

Naverina Indray ireo Fahamarinana Manan-danja

  • Inona avy ireo fahamarinana manan-danja izay naverina niaraka tamin’ny Famerenana amin’ny laoniny ny Fiangonana?

Ny Fiangonana ankehitriny dia mampianatra ihany koa ireo fitsipika tamin’ny andron’i Jesoa ary manatanteraka ireo ôrdônansy izay notanterahana tamin’izany andro izany. Ireo fitsipika sy ôrdônansy voalohan’ny filazantsara dia ny finoana, ny fibebahana, ny batisa asitrika ary ny fametrahan-tanana ho fanomezana ny Fanahy Masina (jereo Fanekem-pinoana 1:4). Naverina tanteraka ireo fahamarinana sarobidy ireo rehefa naverina tamin’ny laoniny ny Fiangonana.

Tamin’ny alalan’ny fanomezam-pahasoavana sy hery avy amin’Andriamanitra no nandikan’i Joseph Smith ny Bokin’i Môrmôna, izay ahitana ireo fahamarinana tsotra sy sarobidin’ny filazantsara. Nisy fanambarana maro hafa tonga avy eo izay noraketina ho soratra masina ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana ary ao amin’ny Voahangy Lafo Vidy (jereo ny toko 10 ao amin’ity boky ity).

Ireto avy ireo fahamarinana manan-danja hafa izay naverin’ny Tompo:

  1. Ny Ray dia tena olona izay manana vatana nofo sy taolana azo tsapain-tanana sy lavorary; ary manana izany koa i Jesoa Kristy. Ny Fanahy masina dia manana vatana Fanahy.

  2. Niaina toy ny fanahy zanak’Andriamanitra isika tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana.

  3. Ilaina ny fisoronana hanatanterahana ny ôrdônansin’ny filazantsara.

  4. Hofaizina noho ny fahotantsika ihany isika fa tsy noho ny fandikan-dalàna nataon’i Adama.

  5. Tsy ilaina atao batisa ny ankizy raha tsy amin’ny taona maha-tompon’andraikitra azy (valo taona).

  6. Misy fanjakam-boninahitra telo any an-danitra ary amin’ny alalan’ny fahasoavan’ny Tompo dia hahazo ny valisoany arakaraka ny asany teto an-tany sy ny fanirian’ny fony ny olona.

  7. Afaka haharitra mandrakizay ny fifandraisan’ny fianakaviana amin’ny alalan’ny hery famehezan’ny fisoronana.

  8. Ny ôrdônansy sy ny fanekempihavanana dia ilaina amin’ny famonjena ary misy ho an’ny velona sy maty.

  • Inona no vokatr’ireo fahamarinana ireo teo aminao sy teo amin’ny hafa?

Tsy ho Rava Intsony ny Fiangonan’i Jesoa Kristy

  • Inona no asa nanirahana ny Fiangonana?

Nitombo haingana dia haingana ny mpikambana hatramin’ny namerenana tamin’ny laoniny ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany tamin’ny 1830. Saika misy mpikambana any amin’ny firenena rehetra eto amin’izao tontolo izao. Hitohy hitombo hatrany ny Fiangonana. Hoy i Kristy hoe: “Ity Filazantsaran’ny Fanjakana ity dia hotorina manerana izao tontolo izao, ho vavolombelona amin’ny firenen-drehetra” (Joseph Smith—Matio 1:31). Tsy hoesorina eto an-tany intsony ny Fiangonana. Ny hitondra ny fahamarinana amin’ny olona rehetra no asa nanirahana azy. Nilaza ny Tompo an’arivotaonany lasa izay fa “hanorina fanjakana izay tsy ho rava mandrakizay [Izy]; ary izany fanjakana izany tsy havela ho an’olon-kafa, … fa hitoetra mandrakizay” (Daniela 2:44).

  • Inona no nataonao ho fandraisana anjara amin’ny asan’ny fanjakan’Andriamanitra? Inona no azonao atao hanohizanao izany asa izany?

Soratra Masina Fanampiny