Boky sy lesona
Toko 43: Ireo Famantarana ny Fiaviana Fanindroany


Toko 43

Ireo Famantarana ny Fiaviana Fanindroany

Sary
The resurrected Jesus Christ (wearing white robes with a magenta sash) standing above a large gathering of clouds. Christ has His arms partially extended. The wounds in the hands of Christ are visible. Numerous angels (each blowing a trumpet) are gathered on both sides of Christ. A desert landscape is visible below the clouds. The painting depicts the Second coming of Christ. (Acts 1:11)

Hiverina Eto An-tany i Jesoa Kristy

  • Inona avy ireo famantarana sasany momba ny Fiaviana Fanindroany?

Hoy ny Mpamonjy tamin’i Joseph Smith hoe: “Haneho ny tenako avy any an-danitra amin’ny hery sy ny voninahi-dehibe Aho … ka hitoetra amim-pahamarinana miaraka amin’ny olona eto an-tany arivo taona, ary ny olon-dratsy tsy hahatanty” (F&F 29:11; jereo koa ny toko 44 ary 45 ao amin’ity boky ity). Nilaza i Jesoa fa ny famantarana sy ny zava-mitranga sasantsasany dia hampitandrina antsika fa akaiky ny fotoan’ny Fiaviany Fanindroany.

Efa niandrandra an’arivotaonany maro ny Fiaviana Fanindroany ho toy ny fotoan’ny fiadanana sy fifaliana ny mpanara-dia an’i Jesoa Kristy. Saingy alohan’ny hahatongavan’ny Mpamonjy dia handalo fitsapana sy loza lehibe ny olona eto an-tany. Tian’ny Raintsika any An-danitra isika mba hiomana amin’ireo olana ireo. Manantena antsika mba ho vonona ara-panahy Izy rehefa tonga ao anatin’ny voninahiny ny Mpamonjy. Noho izany dia nanome famantarana ho antsika Izy, izay zava-miseho hanambara fa akaiky ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany. Nandritra ny tantaran’izao tontolo izao dia nanambara ireo famantarana ireo tamin’ny mpaminaniny Andriamanitra. Nolazainy fa ireo mpanara-dia mahatokin’i Kristy rehetra dia hahafantatra ireo famantarana ireo ary hitandrina ny amin’izy ireo (jereo F&F 45:39). Raha mankatò sy mahatoky isika dia hianatra ny soratra masina ary hahalala ireo famantarana ireo.

Ny sasany amin’ireo famantarana milaza mialoha ny Fiavian’i Jesoa Kristy ireo dia efa tanteraka na efa eo am-pahatanterahana ankehitriny. Ho tanteraka amin’ny hoavy ny sasany.

Faharatsiana, Ady, Korontana

Maro amin’ireo famantarana no mampihorohoro sy mahatsiravina. Efa nampitandrina ireo mpaminany fa ny tany dia hianjadian’ny korontana, faharatsiana, ady sy fijaliana lehibe. Nilaza ny mpaminany Daniela fa ny fotoana mialohan’ny Fiaviana Fanindroany dia ho fotoan’ny olana izay mbola tsy hita teto an-tany hatramin’izay (jereo Daniela 12:1). Hoy ny Tompo hoe: “Hihamangatsiaka ny fitiavan’ny olona ary ho betsaka ny faharatsiana” (F&F 45:27). “Ary hisamboaravoara ny zava-drehetra; ary … ho tonga amin’ny olon-drehetra ny tahotra” (F&F 88:91). Azontsika ampoizina fa hisy horohoron-tany, aretina, mosary, rivo-doza, tselatra sy kotroka (jereo Matio 24:7; F&F 88:90). Hanimba ny vokatry ny tany ny havandra vaventy (jereo F&F 29:16).

Nolazain’i Jesoa tamin’ny mpianany fa ho feno ady ny tany: “Ary handre ady sy filazana ady ianareo. … Fa hisy firenena hitsangana hamely firenena, ary hisy fanjakana hitsangana hamely fanjakana” (Matio 24:6–7). Hoy ny Mpaminany Joseph Smith hoe: “Aza kivy raha milaza aminareo momba ireo andro mahory aho satria tsy maintsy ho avy tsy ho ela izany, ary manakaiky ny sabatra, ny mosary sy ny areti-mandringana. Hisy faharavana lehibe hitranga eto ambonin’ity tany ity ary tsy tokony hieritreritra ianao fa tsy ho tanteraka na ny litera iray na tendron- tsoratra iray ao amin’ny faminanian’ny mpaminany masina rehetra, ary mbola misy maro hafa aza any izay mbola ho tanteraka” (Teachings of Presidents of the Church (Enseignements des Présidents de L’Église): Joseph Smith [2007], 252).

Maro amin’ireo famantarana ireo no efa ao andalam-pahatanterahana. Eny rehetra eny ny faharatsiana. Misy ady tsy tapaka eo amin’ireo firenena. Mitranga ny horohoron-tany sy ny loza hafa. Olona maro no mijaly vokatry ny rivo-doza mandravarava, ny tondra-drano, ny hanoanana ary ny aretina. Afaka mahatoky isika fa mbola hahery vaika kokoa ireo loza ireo alohan’ny hahatongavan’ny Tompo.

Kanefa tsy hoe hahatsiravina daholo ny zavatra hiseho alohan’ny Fiaviany Fanindroany. Maro amin’izy ireo no mitondra fifaliana ho an’izao tontolo izao.

Ny Famerenana amin’ny Laoniny ny Filazantsara

Hoy ny Tompo hoe: “Hiposaka eo anivon’ireo mitoetra eo amin’ny haizina ny hazavana, ary izany no fahafenoan’ny filazantsara” (F&F 45:28). Nanambara mialoha ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara ireo mpaminany. Ny Apôstôly Jaona dia nahita fa haverina amin’ny laoniny amin’ny alalan’ny anjely iray ny filazantsara (jereo Apokalypsy 14:6–7). Ho fahatanterahan’izany faminaniana izany, dia nentin’ny anjely Môrônia sy ireo iraky ny lanitra hafa tany amin’i Joseph Smith ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

Ny Fahatongavan’ny Bokin’i Môrmôna

Nolaizain’ny Tompo tamin’ny Nefita ny momba ny famantarana iray hafa: Ho avy eo amin’ny taranak’izy ireo ny Bokin’i Môrmôna (jereo 3 Nefia 21). Tao anatin’ny vanimpotoanan’ny Testamenta Taloha dia nahita mialoha ny hiavian’ny Bokin’i Môrmôna ny mpaminany Isaia sy Ezekiela (jereo Isaia 29:4–18; Ezekiela 37:16–20). Tanteraka ireo faminaniana ireo ankehitriny. Tonga ny Bokin’i Môrmôna ary entina manerana an’izao tontolo izao.

Torina Manerana an’izao Tontolo izao ny Filazantsara

Ny famantarana iray hafan’ny andro farany dia ny “fitoriana amin’izao tontolo izao ity filazantsaran’ny fanjakana ity ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra” (Matio 24:14; jereo koa Joseph Smith—Matio 1:31). Handre ny fahafenoan’ny filazantsara amin’ny fiteniny ny olona rehetra (jereo F&F 90:11). Hatramin’ny namerenana tamin’ny laoniny ny Fiangonana dia nitory ny filazantsara ny misiônera. Nitombo hatramin’izao ny ezaka atao amin’ny asa fitoriana ary misiônera an’arivorivony no mitory ny filazantsara amin’ny fiteny maro any amin’ny firenena manerana an’izao tontolo izao. Alohan’ny Fiaviana Fanindroany sy mandritra ny arivotaona, dia hanome fomba hitondrana ny fahamarinana eo amin’ny firenena rehetra ny Tompo.

Ny Fahatongavan’i Elia

Naminany ny mpaminany Malakia fa alohan’ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany dia halefa ety an-tany ny mpaminany Elia. Hamerina amin’ny laoniny ny herin’ny famehezana i Elia mba hahafahan’ny fianakaviana hiaraka hofehezina. Hitarika ny olona koa izy mba hieritreritra ny razambeny sy ny taranany. (Jereo Malakia 3:23–24; F&F 2.) Tonga teo amin’i Joseph Smith ny mpaminany Elia tamin’ny volana Aprily 1836. Nanomboka tamin’izay fotoana izay dia nitombo ny fahalianana momba ny tetiarana. Afaka manatanteraka ôrdônansin’ny famehezana any amin’ny tempoly ho an’ny velona sy ho an’ny maty isika.

Ho Olona Manana ny Maha Izy azy ny Taranak’i Lehia

Nilaza ny Tompo fa rehefa akaiky ny fiaviany dia ho lasa vahoaka tsara sy mendri-kaja ny Lamanita. Hoy izy hoe: “Mialohan’ny hahatongavan’ny andro lehiben’ny Tompo, … dia hamony tahaka ny raozy ny Lamanita” (F&F 49:24). Maro be ireo ao anatin’ny taranak’i Lehia no mandray ny fitahian’ny filazantsara ankehitriny.

Fanorenana an’ilay Jerosalema Vaovao

Rehefa akaiky ny fiavian’i Jesoa Kristy, dia hanorina tanàna marina ireo Olomasina mahatoky, tanànan’Andriamanitra izay antsoina hoe Jerosalema Vaovao. I Jesoa Kristy mihitsy no hitantana ao. (Jereo 3 Nefia 21:23–25; Mosesy 7:62–64; Fanekem-pinoana 1:10.) Nilaza ny Tompo fa haorina ao amin’ny faritanin’i Missouri any Etazonia izany tanàna izany (jereo F&F 84:2–3).

Ny sasantsasany amin’ireo famantarana nomen’ny Tompo antsika ihany ireo. Mamaritra bebe kokoa momba izany ny soratra masina.

  • Inona ireo porofo hitanao izay manamarina fa eo am-pahatanterahana ireo famantarana ireo?

Afaka Manampy Antsika ny Fahalalana ireo Famantarana ny Fotoana

  • Ahoana no ahafahantsika mitoetra ho tony na dia mampihorohoro sy mahatsiravina aza ny sasany amin’ireo famantarana ireo?

Raha niresaka momba ny Fiaviany Fanindroany ny Tompo dia hoy Izy hoe: “Tsy misy olona mahafantatra ny ora sy ny andro, na dia ny anjely any an-danitra aza” (F&F 49:7). Nampianariny tamin’ny alalan’ilay fanoharana ny amin’ny aviavy izany. Nilaza Izy fa rehefa hitantsika fa mandravina ny aviavy dia afaka miteny isika fa ho avy tsy ho ela ny lohataona. Torak’izany koa, rehefa mahita ireo famantarana voafaritra ao amin’ny soratra masina isika dia afaka mahafantatra fa akaiky ny fiaviany. (Jereo Matio 24:32–33.)

Omen’ny Tompo antsika ireny famantarana ireny mba hanampiana antsika. Afaka mandamina ny fiainantsika isika ary manomana ny tenantsika sy ny fianakaviantsika amin’ireo zavatra izay mbola ho avy ireo.

Efa nampitandremana ny amin’ireo loza ireo isika ary nolazaina mba hiomana amin’izany, nefa afaka miandrandra ny fiavian’ny Mpamonjy koa isika ary hifaly amin’izany. Hoy ny Tompo hoe: “Aza matahotra, fa rehefa hitranga ireo [famantarana] ireo, dia hahafantatra ianareo fa ho tanteraka ny fampanantenana izay efa natao taminareo” (F&F 45:35). Nilaza Izy fa ireo olo-marina dia tsy hopotehina rehefa tonga Izy: “fa hahatanty ny andro. Ary homena azy ny tany ho lovany; … ary ny zanany dia hitombo tsy manam-pahotana. … Fa ny Tompo no ho eo afovoany, ary ny voninahiny no ho eo aminy, ary Izy no ho mpanjakany sy mpanome lalàna azy” (F&F 45:57–59).

Soratra Masina Fanampiny