Boky sy lesona
Toko 44: Ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany


Toko 44

Ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany

Sary
The resurrected Jesus Christ (wearing white robes with a magenta sash) standing above a large gathering of clouds. Christ has His arms partially extended. The wounds in the hands of Christ are visible.

Miandrandra ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany

Efapolo andro taorian’ny Fitsanganany tamin’ny maty dia niara-nivory tamin’ny Apôstôliny tany an-tendrombohitra Oliva i Jesoa. Tonga ny fotoana handaozan’i Jesoa ny tany. Nahatanteraka ny asa rehetra nasaina nataony Izy tamin’izany fotoana izany. Nila niverina tany amin’ny Raintsika any An-danitra Izy mandrapahatonga ilay fotoan’ny Fiaviany Fanindroany.

Rehefa avy nanome toromarika ny Apôstôliny i Jesoa dia lasa niakatra tany an-danitra. Rehefa nitraka nijery ny lanitra ireo Apôstôly dia nisy anjely anankiroa nijoro teo akaikiny izy ireo ary nilaza hoe: Nahoana no mijanona eto mijery ny lanitra ianareo? Iny Jesosy Izay nampiakarina niala taminareo ho any an-danitra iny dia mbola ho avy tahaka ny nahitanareo Azy niakatra ho any an-danitra” (Asan’ny Apôstôly 1:11).

Nanomboka tamin’izay ka hatramin’izao dia niandrandra ny Fiaviana Fanindroany ireo mpanara-dia an’i Jesoa Kristy.

Inona no Hataon’i Jesoa Rehefa Miverina Indray Izy?

Rehefa tonga eto an-tany indray i Jesoa Kristy dia hanao ireto zavatra manaraka ireto Izy:

  1. Handio ny tany Izy. Rehefa tonga indray i Jesoa dia ho avy amin-kery sy amim-boninahitra lehibe Izy. Hopotehina ny olon-dratsy amin’izany fotoana izany. Ny zavatra mety ho lo rehetra dia holevonina ary hodiovina amin’ny alalan’ny afo ny tany (jereo F&F 101:24–25).

  2. Hitsara ny Olony Izy. Rehefa miverina i Jesoa, dia hitsara ny firenena rehetra Izy ary hanasaraka ny olo-marina amin’ny olon-dratsy (jereo Matio 25:31–46; jereo koa ny toko 46 ao amin’ity boky ity). Nanoratra momba izany fitsarana izany i Jaona Mpanambara: “Ary nahita seza fiandrianana maro aho, ary nisy nipetraka teo amboniny, ary nomena fahefana hitsara izy; ary hitako koa ny fanahin’izay notapahin-doha noho ny filazana an’i Jesoa sy ny tenin’Andriamanitra, … ary velona izy ka niara-nanjaka tamin’i Kristy arivo taona.” Ny olon-dratsy dia hitany fa “tsy mbola velona mandrapatapitry ny arivo taona” (Apokalypsy 20:4–5; jereo koa F&F 88:95–98).

  3. Hanomboka ny Arivotaona Izy. Ny Arivotaona dia ilay fotoana mandritra ny arivo taona hanjakan’i Jesoa eto an-tany. Ireo olo-marina dia hakarina mba hitsena an’i Jesoa amin’ny fiaviany (jereo F&F 88:96). Ny fiaviany no hanombohan’ny fanjakan’ny arivotaona (Jereo ny toko 45 ao amin’ity boky ity).

    Hoy ny Filoha Brigham Young hoe:

    “Mandritra ny arivotaona rehefa tafaorina eto amin-kery sy amim-boninahitra ary ao anatin’ny fahalavorariana ny fanjakan’Andriamanitra, ary rehefa tapitra ilay fanjakan’ny ratsy izay nanjaka nandritra ny fotoana ela, dia hanana fahafahana hanorina ny tempoliny ireo Olomasin’Andriamanitra ary hiditra ao anatin’izany ka ho lasa ho toy ny andry eo amin’ny tempolin’Andriamanitra [jereo Apokalypsy 3:12], ary hanatanteraka ny andraikiny amin’ireo matiny izy ireo. Dia ho hitantsika hanatona ireo namantsika sy ireo olon-kafa izay mety tsy fantatsika tety. … Ary hahazo fanambarana hahafantarana ny razambentsika nanomboka tany amin’ny ray sy renintsika Adama sy Eva isika ka hiditra ny tempolin’Andriamanitra ary hanatanteraka ny andraikitsika amin’izy ireo. Dia hofehezina amin’ny [zanaka] ny [ray aman-dreny] mandrapahatonga ny fitohitohizan’izany hatrany amin’i Adama, mba hisian’ny fitohizan’ny Fisoronana izay lavorary manomboka hatrany amin’i Adama ka hatrany amin’ny fiafaran’izao tontolo izao” (Teachings of Presidents of the Church (Enseignements des Présidents de l’Église): Brigham Young [1997], 333–34).

  4. Hanatanteraka ny Fitsanganana amin’ny maty Voalohany Izy. Ireo izay nahazo fahafahana ho avy amin’ny fitsanganana amin’ny matin’ny olo-marina dia hitsangana avy any am-pasany. Dia hakarina izy ireo hitsena ny Mpamonjy rehefa midina avy any an-danitra Izy. (Jereo F&F 88:97–98.)

    Taorian’ny fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty dia nisy olo-marina hafa izay maty nitsangana tamin’ny maty koa. Niseho tany Jerosalema sy tany amin’ny kaontinanta Amerikana koa izy ireo (jereo Matio 27:52–53; 3 Nefia 23:9–10). Izay no fiantombohan’ny Fitsanganana amin’ny maty Voalohany. Nanomboka tamin’izay dia nisy olona sasantsasany efa nitsangana tamin’ny maty. Ireo izay efa nitsangana tamin’ny maty sy izay hitsangana amin’ny maty amin’ny fotoana hiaviany dia handova ny voninahitry ny fanjakana selestialy daholo (jereo F&F 76:50–70).

    Aorian’ny fitsanganan’ireo izay handova ny fanjakana selestialy amin’ny maty, dia hisy vondrona iray hafa izay hitsangana amin’ny maty: dia ireo izay hahazo ny voninahitra terestrialy. Rehefa mitsangana amin’ny maty daholo ireo olona ireo dia ho vita tanteraka ny fitsanganana amin’ny maty voalohany.

    Ireo olon-dratsy izay miaina ao anatin’ny fotoan’ny Fiavian’ny Tompo Fanindroany dia horavana ao amin’ny nofo. Tsy maintsy mila miandry ny fitsanganana amin’ny maty farany izy ireo miaraka amin’ireo olon-dratsy izay efa maty. Ny maty rehetra ambiny dia hitsangana mba hifanatrika amin’Andriamanitra. Na izy ireo handova ny fanjakana telestialy na hatsipy any amin’ny haizina ivelany miaraka amin’i Satana (jereo F&F 76:32–33, 81–112).

  5. Horaisiny ilay toerana izay Azy ara-dalàna amin’ny maha Mpanjakan’ny lanitra sy ny tany Azy. Rehefa tonga i Jesoa dia hanorina fitondram-panjakana eto an-tany Izy. Ho tafiditra ao anatin’izany fanjakana izany ny Fiangonana. Hitondra ny olona rehetra eto an-tany ao anatin’ny fiadanana mandritra ny 1000 taona Izy.

    Rehefa tonga voalohany teto an-tany i Jesoa dia tsy tonga teto tamim-boninahitra. Teraka tao anatin’ny tranon’omby tena tsotra iray Izy ary nampatoriana teo amin’ny fihinanam-bilona. Tsy tonga niaraka tamin’ny tafika lehibe araka ny nantenain’ny Jiosy tamin’ny Mpamonjiny Izy. Fa tonga kosa Izy hilaza hoe: “Tiava ny fahavalonareo, … ary mivavaha ho an’izay manenjika anareo” (Matio 5:44). Nolavina sy nohomboana tamin’ny hazo fijaliana Izy Saingy tsy holavina Izy amin’ny Fiaviany Fanindroany, “fa ny sofina tsirairay dia handre izany, ary ny lohalika rehetra hitsaoka ary ny lela rehetra hiaiky” fa i Jesoa no Kristy (F&F 88:104). Horaisina toy ny “Tompon’ny tompo sy Mpanjakan’ny mpanjaka” Izy (Apokalypsy 17:14). Hantsoina hoe “Mahagaga, Mpanolotsaina, Andriamanitra mahery, Rain’ny mandrakizay, Andrian’ny fiadanana” Izy (Isaia 9:6).

  • Inona no zavatra ao an-tsainao na tsapanao rehefa mandinika ny zavatra hiseho amin’ny Fiaviana Fanindroany ianao?

Ahoana no Ahafantarantsika fa Akaiky ny Fahatongavan’ny Mpamonjy?

Rehefa teraka i Jesoa dia olona vitsy monja no nahafantatra fa tonga ilay Mpamonjy an’izao tontolo izao. Rehefa tonga indray Izy dia tsy misy hiahiahiana intsony hoe iza Izy. Tsy misy na iza na iza mahafantatra ny fotoana hahatongavan’ny Mpamonjy indray. “Fa amin’izany andro sy ora izany dia tsy misy mahalala na dia ny anjelin’ny lanitra aza afa-tsy ny Ray ihany” (Matio 24:36; jereo koa F&F 49:7).

Nampiasa fanoharana ny Tompo mba hanomezana antsika vinavinan-kevitra ny amin’ny fotoana hahatongavany:

“Ary mianara ny fanoharana ny amin’ny aviavy: Raha vao manaroka ny rantsany ka mandravina, dia fantatrareo fa efa akaiky ny lohataona:

“Dia tahaka izany koa ianareo, raha vao hitanareo fa tonga izany zavatra izany, dia aoka ho fantatrareo fa efa akaiky eo am-baravarana” (Marka 13:28–29).

Nanome antsika famantarana koa ny Tompo mba hampahafantarana antsika fa efa akaiky ny fiaviany. Taorian’ny nanambarany ireo famantarana dia nampitandrina Izy hoe:

“Koa amin’izany miambena ianareo; fa tsy fantatrareo izay andro hihavian’ny Tomponareo. …

“… Koa miomàna kosa ianareo; fa amin’izay ora tsy ampoizinareo no hihavian’ny Zanak’olona” (Matio 24:42, 44).

Ho fampahalalana bebe kokoa momba ny fomba hahafantarantsika fa akaiky ny Fiavian’i Jesoa Fanindroany dia jereo ny toko 43 ao amin’ity boky ity.

Inona no Azontsika Atao Mba Ho Vonona Rehefa Ho Avy ny Mpamonjy?

Ny fomba tsara indrindra izay ahafahantsika miomana amin’ny fiavian’ny Mpamonjy dia ny fanekena ny fampianaran’ny filazantsara sy ny fampidirana izany ao anatin’ny fiainantsika. Tokony hiaina ny andro tsirairay amin’ny fomba tsara indrindra vitantsika isika, toy ny nampianarin’i Jesoa fony Izy teto an-tany. Afaka miankina amin’ny mpaminany isika mba hahazoana fitarihana ary afaka manaraka ny toroheviny. Afaka miaina ao anatin’ny fahamendrehana ny hanana ny Fanahy Masina mba hitarika antsika isika. Dia hiandrandra ny fiavian’ny Mpamonjy amim-pifaliana isika fa tsy amim-pahatahorana. Hoy ny Tompo hoe: “Aza matahotra ry ondry vitsy, fa anareo ny fanjakana mandra-piaviko. Indro avy faingana Aho Izany tokoa. Amena” (F&F 35:27).

  • Nahoana isika no tokony hieritreritra ny fahavononantsika toy izay hieritreritra ny fotoana marin’ny Fiaviana Fanindroany?

Soratra Masina Fanampiny