Boky sy lesona
Toko 21: Ny Fanomezana ny Fanahy Masina


Toko 21

Ny Fanomezana ny Fanahy Masina

Sary
A young girl being confirmed. Two men are standing behind her with their hands on her head.

Ny Fanahy Masina

Tao amin’ny toko 7 dia nianatra isika fa ny Fanahy Masina dia mpikambana ao amin’Ny Andriamanitra. “Vatana Fanahy” Izy (F&F 130:22). Tsy manana vatana nofo sy taolana Izy. Afaka miely na aiza na aiza ao anatin’ny fotoana iray ny fitarihany. Ny anjara asany dia ny mijoro ho vavolombelona momba ny Ray sy ny Zanaka ary ny fahamarinana rehetra. Ankoatra izany, ny Fanahy Masina dia manadio na manamasina antsika mba hanomanana antsika hitoetra eo anatrehan’Andriamanitra. Manadio ny fontsika ny Fanahy Masina ka tsy manana faniriana ny hanao ratsy intsony isika.

Misy fahasamihafana eo amin’ny Fanahy masina sy ny fanomezana ny Fanahy Masina. Ao amin’ity toko ity dia hianatra momba ny Fanomezana ny Fanahy Masina isika ary ny fomba ahafahantsika mahazo izany fanomezana lehibe avy amin’Andriamanitra izany.

Ny Fanomezana ny Fanahy Masina

  • Inona no maha samy hafa ny Fanahy Masina sy ny fanomezana ny Fanahy Masina?

Ny fanomezana ny Fanahy Masina dia tombontsoa iray—nomena ny olona izay nametraka ny finoany tamin’i Jesoa Kristy sy natao batisa ary noraisina ho mpikamban’ny Fiangonana—mba hahazoana fitarihana sy fitaomam-panahy tsy tapaka avy amin’ny Fanahy Masina.

Nilaza i Joseph Smith fa isika dia mino ny fanomezana ny Fanahy Masina izay noraisintsika sy ampiasaintsika amin’izao fotoana izao toy ny tamin’ny nandraisana sy nampiasana izany tamin’ny andron’ny Apôstôly. Isika dia mino izany fanomezana izany ao anatin’ny fahafenoany, ny heriny ary ny halehibeny sy ny voninahiny tanteraka. (Jereo Teachings of Presidents of the Church (Enseignements des Présidents de l’Église) [2007], 97–98.)

Mety hotarihan’ny Fanahy Masina ao anatin’ny fotoana mandalo ny olona iray na dia tsy nandray ny Fanahy Masina aza (jereo F&F 130:23). Kanefa, tsy hitohy izany fitarihana izany raha tsy atao batisa sy mandray ny fametrahan-tanana ho an’ny fanomezana ny Fanahy Masina ilay olona. Hitantsika ao amin’ny Asan’ny Apôstôly toko 10 fa ilay miaramila Romana Kornelio, dia nahazo fitaomam-panahy avy tamin’ny Fanahy Masina, ka nahafantarany fa marina ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Saingy tsy nahazo ny fanomezana ny Fanahy Masina i Kornelio raha tsy taorian’ny nanaovana batisa azy. Nampianatra ny Mpaminany Joseph Smith fa raha tsy natao batisa sy tsy nandray ny fanomezana ny Fanahy Masina i Kornelio, dia nandao azy ny Fanahy Masina (jereo Teachings of Presidents of the Church (Enseignements des Présidents de l’Église): Joseph Smith, 97).

Ankehitriny, ireo olona izay tsy mpikamban’ny Fiangonana dia mahafantatra amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina fa marina ny Bokin’i Môrmôna (jereo Môrônia 10:4–5). Saingy hiala aminy izany fijoroana ho vavolombelona voalohany izany raha toa ka tsy mandray ny fanomezana ny Fanahy Masina izy ireo. Tsy mahazo ilay fananana fahatokiana tsy tapaka izay tonga eo amin’ireo izay manana ny fanomezana ny Fanahy Masina izy ireo.

Ny Fandraisana ny Fanomezana ny Fanahy Masina

  • Inona no tokony hataontsika mba hananana ny Fanahy Masina ho namana mandrakariva?

Rehefa vita batisa ny olona dia raisina ho mpikamban’ny Fiangonana izy ireo ary omena ny Fanahy Masina amin’ny alalan’ny fametrahan-tanana. Hoy ny Tompo hoe: “Ary na zovy na zovy no manana finoana dia ho raisinareo ho mpikambana ao amin’ny fiangonako amin’ny alalan’ny fametrahan-tanana, ary hatolotro azy ny fanomezana ny Fanahy Masina” (F&F 33:15).

Ny loholona mendrika rehetra ao amin’ny Fiangonana dia afaka manome olona anankiray hafa ny fanomezan’ny Fanahy Masina. Kanefa tsy misy ny antoka hoe hahazo fitaomam-panahy sy fitarihana avy amin’ny Fanahy Masina ilay olona, satria nametraka ny tanany teo ambonin’ny lohany ireo loholona. Tokony “handray ny Fanahy Masina” ny olona tsirairay. Midika izany fa tsy ho tonga ao amintsika ny Fanahy Masina raha tsy mahatoky sy mitady fanampiana avy amin’ny iraka nalefany avy any an-danitra isika.

Tsy maintsy mikatsaka fatratra ny hankatò ny didin’Andriamanitra isika, mba ho mendrika ny hahazo fanampiana avy amin’ny Fanahy Masina. Tsy maintsy mitazona ny saintsika sy ny asa ataontsika mba hadio isika.

Famantarana ny Fitarihan’ny Fanahy Masina

Mifandray mangina amintsika mazàna ny Fanahy Masina. Lazaina matetika ho toy ny “feo tony sy malefaka” ny fitarihany (jereo 1 Mpanjaka 19:9–12; Helamàna 5:30; F&F 85:6). Nanazava ny Filoha Boyd K. Packer hoe: “Ny Fanahy Masina dia miresaka amin’ny feo izay tsapanao kokoa fa tsy tena henonao. … Rehefa miresaka momba ny hoe ‘mihaino’ ny bitsiky ny Fanahy isika, dia matetika ny olona iray mamaritra ny bitsika ara-panahy amin’ny filazana hoe: ‘Nahatsapa …aho’” Notohizany hoe: “Izany feon’ny Fanahy izany dia miresaka moramora ary mibitsika aminao ny zavatra tokony hatao na ny tokony holazaina na mampitandrina anao” (ao amin’ny Tatitry ny Fihaonambe, Ôkt. 1994, 77; na Ensign, Nôv. 1994, 60).

Iray amin’ireo Fanomezana Lehibe Indrindra avy amin’Andriamanitra

  • Inona avy ireo fitahiana afaka ho azontsika amin’ny alalan’ny fanomezana ny Fanahy Masina?

Ny fanomezana ny Fanahy Masina dia anisan’ny iray amin’ireo fanomezana lehibe indrindra avy amin’Andriamanitra ho antsika. Amin’ny alalan’ny Fanahy Masina dia afaka mahafantatra isika fa velona Andriamanitra, i Jesoa no Kristy ary naverina eto an-tany indray ny Fiangonany. Afaka mahazo ny bitsiky ny Fanahy Masina isika hanoro antsika ny zavatra rehetra tokony hataontsika (jereo 2 Nefia 32:5). Manamasina antsika ny Fanahy Masina mba hanomanana antsika hiaina eo anatrehan’Andriamanitra. Afaka mahazo ireo fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy isika (jereo ny toko 22 ao amin’ity boky ity). Izany fanomezana lehibe avy amin’ny Raintsika any An-danitra izany koa dia afaka mitondra fiadanana ao am-pontsika ary fahatakarana an-tsaina ireo zavatr’Andriamanitra (jereo 1 Korintiana 2:9–12).

  • Nahoana no anisan’ny iray amin’ireo fanomezana lehibe indrindra avy amin’Andriamanitra ny fanomezana ny Fanahy Masina?

Soratra Masina Fanampiny