Boky sy lesona
Toko 33: Asa Fitoriana


Toko 33

Asa Fitoriana

Sary
The resurrected Jesus Christ standing with the apostles outside the city of Jerusalem. Christ is dressed in white robes and has His arms extended as He speaks to the eleven apostles. Christ is commanding the apostles to preach the gospel to all nations. The city Jerusalem is visible in the background.

Ny Fiangonan’ny Tompo dia Fiangonana Mitory ny Filazantsara

  • Nahoana no anisan’ny ao anatin’ny drafitr’Andriamanitra ho an’ny zanany ny asa fitoriana?

Nambaran’ny Tompo tamin’i Adama ny drafitry ny filazantsara: “Ary dia toy izany no nanomboka nitoriana ny Filazantsara hatrany am-piandohana” (Mosesy 5:58). Taty aoriana, ireo taranaka marin’i Adama dia nirahina hitory ny filazantsara: “Niantso ny olon-drehetra [izy ireo], na taiza na taiza, hibebaka; ary nampianarina ny zanak’olombelona ny finoana” (Mosesy 6:23).

Efa misiônera daholo ny mpaminany rehetra. Samy nodidiana mba hitory ny hafatry ny filazantsara izy ireo tamin’ny vanimpotoana niainany tsirairay avy. Isaky ny teto an-tany ny fisoronana, dia nila misiônera hitory ny fitsipika mandraikizain’ny filazantsara ho an’ny zanany ny Tompo.

Fiangonana mitory ny filazantsara foana ny Fiangonan’ny Tompo. Tamin’ny Mpamonjy niaina teto an-tany, dia nanendry Apôstôly sy Fitopololahy Izy ary nomeny fahefana sy andraikitra hitory ny filazantsara izy ireo. Ny olony ihany, izay ny Jiosy, no nanaovany asa fitoriana tamin’ny ankapobeny (jereo Matio 10:5–6). Taorian’ny fitsanganany tamin’ny maty, dia nalefany nitory ny filazantsara tany amin’ny Jentilisa ny Apôstôliny. Nanome didy ny Apôstôly Izy hoe: “Mandehana any amin’izao tontolo izao ianareo, ka mitoria ny filazantsara amin’ny olona rehetra” (Marka 16:15).

Misiônera lehibe izay nalefa tany amin’ny Jentilisa i Paoly Apôstôly. Taorian’ny fiovam-pony ho lasa mpikamban’ny Fiangonana, dia nandany ny andro sisa niainany tamin’ny fitoriana ny filazantsara teo anivon’izy ireo izy. Tao anatin’ny fotoana maro samihafa nandritra ny asa fitoriany dia novelesina sy notoraham-bato ary nogadraina izy. Kanefa nanohy nitory ny filazantsara izy (jereo Asan’ny Apôstôly 23:10–12; 26).

Nanomboka indray ny asa fitoriana rehefa naverina tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith teto an-tany ny Fiangonan’i Tompo. Ankehitriny, ny Apôstôly sy ny Fitopololahy dia nomena ilay andraikitra tena lehibe hitory ny filazantsara ary manao izay hitoriana izany manerana an’izao tontolo izao. Hoy ny Tompo tamin’i Joseph Smith hoe: “[Hambarao] isam-paritra sy isan-tanàna ny [filazantsarako]. … Mijoroa ho vavolombelona amin’ny toerana rehetra, amin’ny olona rehetra” (F&F 66:5, 7). Tamin’ny volana Jiona 1830, i Samuel Harrison Smith, rahalahan’ny Mpaminany, no nanomboka voalohany ny fandehanana hitory ny filazantsara ho an’ny Fiangonana.

Nanomboka tamin’izay fotoana izay dia misiônera mihoatra ny iray tapitrisa no efa nantsoina sy nalefa hitory ny filazantsara. Ny hafatra entin’izy ireo eo amin’izao tontolo izao dia hoe: Zanak’Andriamanitra sy Mpamonjy antsika i Jesoa Kristy. Mijoro ho vavolombelona izy ireo fa naverina indray eto an-tany tamin’ny alalan’ny mpaminan’Andriamanita anankiray ny filazantsara. Nomena andraikitra mba hitory ny filazantsara amin’ny olona rehetra ny misiônera ary hanao batisa azy ireo sy hampianatra azy ireo hanao izay zavatra rehetra nandidian’ny Tompo azy ireo (jereo Matio 28:19–20). Ny misiôneran’ny Olomasin’ny Andro Farany dia mianto-tena rehefa mandeha mitory ny hafatry ny filazantsara manerana an’izao tontolo izao.

Hotorina Manerana an’Izao Tontolo Izao ny Filazantsara

  • Inona avy ireo fomba samihafa nomanin’ny Tompo ho antsika hizarana ny filazantsara?

Nolazaina isika tao anatin’ny fanambaran’ny andro farany fa tsy maintsy hotorina amin’ny firenena sy ny mponina rehetra ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny (jereo F&F 133:37). Tsy manome didy velively ho antsika ny Tompo raha tsy efa nanomana lalana ho antsika mba hanatontosantsika izany (jereo 1 Nefia 3:7). Ny Tompo dia nanomana fomba ho antsika mba hampianarana ny filazantsara any amin’ireo firenena izay nisy fotoana tsy nisokatra ho antsika. Rehefa manohy mivavaka sy mampihatra ny finoana isika dia hanokatra firenena hafa hanaovana asa fitoriana ny Tompo.

Ny Tompo koa dia “manome hevitra ao an-tsain’ireo olona manam-pahalalana mba hamorona zavatra hampandrosoana ny asan’ny Tompo amin’ny fomba izay mbola tsy fahitan’izao tontolo mihitsy” (Russell M. Nelson, ao amin’ny “Computerized Scriptures Now Available,” Ensign, Apr. 1988, 73). Manampy amin’ny fizarana ny hafatry ny filazantsara amin’ny olona an-tapitrisany maro ny gazety, ny gazetiboky, ny fahitalavitra, ny radiô, ny zana-bolana, ny solosaina ary ny Internet sy ny teknôlôjia mifandray amin’izany. Isika izay manana ny fahafenoan’ny filazantsara dia mila mampiasa ireo harimpamoronana ireo mba hanatanterahana ny didin’ny Tompo: “Satria marina tokoa fa tsy maintsy miala avy eo amin’ity toerana ity ny feo ka mankany amin’izao tontolo izao ary hatrany amin’ny faran’ny tany—Tsy maintsy torina amin’ny [olona] rehetra ny filazantsara” (F&F 58:64).

  • Amin’ny fomba ahoana no ahitanao fa ny fampiasana ny teknôlôjia dia ahitana fahombiazana eo amin’ny fizarana ny filazantsara?

Zava-dehibe ny Asa Fitoriana

  • Nahoana no zava-dehibe ho an’ny olona tsirairay ny mandre sy mahatakatra ny filazantsara?

“Ny tanjontsika voalohany amin’ny maha Fiangonana antsika—dia ny mamonjy sy manandratra ny fanahin’ny zanak’olombelona” (Ezra Taft Benson, ao amin’ny Tatitry ny Fihaonambe, Apr. 1974, 151; na Ensign, Mey 1974, 104). Ilaina ny asa fitoriana mba hanomezana fahafahana ny olona eto amin’izao tontolo izao haheno sy hanaiky ny filazantsara. Mila mahafantatra ny fahamarinana izy ireo sy mitodika any amin’Andriamanitra ary mandray ny famelana ny fahotany.

Maro amin’ireo rahalahy sy anabavintsika eto an-tany no jamban’ny fampianarana diso ary “[voasakana] tsy hahita ny fahamarinana noho ny tsy fahafantarany izay ahitana izany fotsiny” (F&F 123:12). Afaka mitondra ny fahamarinana ho azy ireo isika amin’ny alalan’ny asa fitoriana.

Ny Tompo dia nanome didy hoe: “Koa miasà ianareo, miasà farany ao amin’ny tanimboliko ianareo—antsoy farany ny mponin’ny tany” (F&F 43:28). Rehefa mampianatra ny filazantsara amin’ny rahalahintsika sy anabavintsika isika dia manomana ny fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany (jereo F&F 34:6).

Tokony ho Misiônera Daholo Isika Rehetra

  • Amin’ny fomba ahoana no ahafahantsika mitady amim-pahavitrihana fotoana mahamety hizarana ny filazantsara amin’ny hafa? Amin’ny fomba ahoana no ahafahantsika manomana ny tenantsika amin’izany fotoana mahamety hizarana ny filazantsara izany?

Misiônera ny Mpikamban’ny Fiangonana Rehetra. Tokony ho misiônera isika na dia tsy voantso sy natokana aza. Tompon’andraikitra amin’ny fampianarana ny filazantsara ny zanaky Ray any An-danitra rehetra isika amin’ny alalan’ny teny sy ny asa. Hoy ny Tompo tamintsika hoe: “Ilaina ny olona nampitandremana mba hampitandrina ny namany” (F&F 88:81). Nolazain’ny mpaminany iray isika fa tokony hampisehontsika amin’ny namantsika aloha fa tia azy isika alohan’ny hampitandremana azy (jereo ny Teachings of the Presidents of the Church (Enseignements des Présidents de l’Église): Spencer W. Kimball [2006], 262). Mila mahatsapa ny fanehoam-pitiavantsika amin’ny maha-namana izy ireo.

Nanaiky tamim-pahavononana ny andraikiny hitory ny filazantsara ny zanakalahin’i Môsià. Rehefa niova fo ka lasa mpikamban’ny Fiangonana izy ireo, dia feno fangorahana ny hafa ny fony. Naniry ny hitory ny filazantsara tamin’ireo Lamanita fahavalony izy ireo, “satria tsy tantiny ny mety hisian’ny fanahin’olona ho very; eny, na dia ny fieritreretana aza fa mety hisy fanahy hiaritra fijaliana tsisy fiafarany dia nahatonga azy ireo hihorohoro sy hangovitra” (Môsià 28:3). Rehefa fenoin’ny filazantsara fifaliana ny fiainantsika, dia hahatsapa izany karazana fitiavana sy fangorahana izany ho an’ny rahalahintsika sy anabavintsika isika. Te hizara ny hafatry ny filazantsara amin’ny olona rehetra izay maniry ny hihaino izany isika.

Maro ny fomba izay ahafahantsika mizara ny filazantsara. Ireto manaraka ireto misy torohevitra:

  1. Afaka mampiseho amin’ny namantsika sy ny hafa ny fifaliana azontsika avy amin’ny fiainana ny fahamarinan’ny filazantsara isika. Amin’izay dia ho lasa fahazavan’izao tontolo izao isika (jereo Matio 5:16).

  2. Afaka mandresy ny fahamenarantsika ara-boajanahary isika amin’ny alalan’ny fanehoantsika fitiavana ny hafa sy fanaovana zavatra feno hatsaram-panahy ho azy ireo. Afaka manampy azy ireo isika mba hahita fa tena te ho namana tokoa isika ary tsy mitady tombontsoa ho an’ny tena manokana.

  3. Afaka manazava ny filazantsara amin’ny namana sy ny olon-kafa izay tsy mpikambana isika.

  4. Afaka manasa namana isika izay liana hianatra bebe kokoa momba ny filazantsara any an-tranontsika amin’ny alalan’ny misiônera. Raha toa mipetraka lavitra ny namantsika tsy mpikambana, dia afaka mangataka ny misiônera any amin’ny faritra misy azy ireo isika mba hamangy azy.

  5. Afaka mampianatra ny zanatsika ny lanjan’ny fizarana ny filazantsara isika ary manomana azy ireo ara-panahy sy ara-bola handeha hanao asa fitoriana. Afaka manomana ny tenantsika koa isika mba hanao asa fitoriana mandritra ny fotoana maharitra any amin’ny taonan’ny fahanterana.

  6. Afaka mandoa ny fahafolonkarenantsika isika ary manome ny anjara birikintsika ao amin’ny petra-bola ho an’ny asa fitoriana. Izany fanomezana izany dia ampiasaina amin’ny fampandrosoana ny asa fitoriana.

  7. Isika dia afaka mitondra ny anjara birikintsika ao amin’ny petra-bola ho an’ny asa fitoriana ao amin’ny paroasy na sampana na ny petra-bola amin’ny ankapobeny mba hanomezana fanampiana ara-bola an’ireo misiônera noho ny tsy fahafahan’ny fianakaviany manampy azy ireo.

  8. Afaka manao fikarohana momba ny tetiarana isika sy asa any amin’ny tempoly mba hanampiana ny razambentsika hahazo ny fitahiana feno avy amin’ny filazantsara.

  9. Afaka manasa ny olona tsy mpikambana isika hanatrika zavatra toy ny takarivan’ny mpianakavy, ny fiaraha-mientana, fihaonambe sy fivoriana any am-piangonana.

  10. Afaka Manome Tahadikan’ny Gazetibokin’ny Fiangonana isika. Afaka mizara ny hafatry ny filazantsara isika amin’ny alalan’ny fampiasana ireo karazan-dahatsoratra misy ao amin’ny tranokala ôfisialin’ny Fiangonana, LDS.org sy Mormon.org.

Hanampy antsika ho misiônera mahomby ny Raintsika any An‑danitra rehefa manana faniriana ny hizara ny filazantsara sy hivavaka mba hangataka fitarihana isika. Hanampy antsika hahita fomba hizarana ny filazantsara amin’ireo manodidina antsika izy.

  • Eritrereto ireo olona izay azonao hizarana ny filazantsara. Manapaha hevitra amin’ny fomba hanaovanao izany. Mametraha tanjona mba hizara ny filazantsara amin’ireo olona ireo amin’ny daty iray voafaritra.

Mampanantena Fitahiana ho Antsika ny Tompo amin’ny Fanaovana Asa Fitoriana

Nolazain’ny Tompo ny Mpaminany Joseph Smith fa hahazo fitahiana lehibe ny misiônera. Raha niresaka tamin’ireo loholona izay niverina avy nanao ny asa fitoriany ny Tompo, dia hoy Izy hoe: “Sambatra ianareo fa ny tenivavolombelona izay efa nambaranareo dia voasoratra any an-danitra mba hojeren’ireo anjely, ary mifaly aminareo ireo” (F&F 62:3). Nilaza koa Izy fa ireo izay miasa ho famonjena ny hafa dia hahazo ny famelana ny fahotany ary hitondra famonjena ho an’ny fanahiny (jereo F&F 4:4; 31:5; 84:61).

Hoy ny Tompo hoe:

“Ary raha toa ka miasa amin’ny andronareo rehetra ianareo hitory fibebahana amin’ity vahoaka ity ary mitondra olona iray monja ho Ahy, akory ny halehiben’ny fifalianareo miaraka aminy ao amin’ny fanjakan’ny Raiko!

“Ary ankehitriny, raha lehibe ny fifalianareo miaraka amin’ny fanahy izay nentinareo ho Ahy ho ao amin’ny fanjakan’ny Raiko, akory ny ho halehiben’ny fifalianareo raha mitondra fanahy maro ho Ahy!” (F&F 18:15–16).

  • Oviana ianao no nahatsapa ilay fifaliana avy tamin’ny fanaovana asa fitoriana?

Soratra Masina Fanampiny

  • F&F 1:17–23 (Nodidiana i Joseph Smith mba hitory)

  • F&F 24:12 (Mampahery ireo izay mikatsaka foana ny hitory ny filazantsarany ny Tompo)

  • F&F 38:41 (zarao amin’ny fahamorana sy halemem-panahy ny filazantsara)

  • F&F 34:4–6; Asan’ny Apôstôly 5:42 (natao hotorina ny filazantsara)

  • F&F 60:1–2 (mampitandrina ireo izay matahotra ny hitory ny filazantsara ny Tompo)

  • F&F 75:2–5 (ireo izay mitory ny filazantsara sy mahatoky dia hahazo ny fiainana mandrakizay)

  • F&F 88:81–82 (ireo izay nampitandremana dia mila mampitandrina ny namany)

  • Matio 24:14 (hotorina ny filazantsara alohan’ny hahatongavan’ny farany)

  • Abrahama 2:9–11 (hoentina ho an’ny amin’ny firenen-drehetra ny filazantsara sy ny fisoronana)