Boky sy lesona
Toko 40: Asa Atao any amin’ny Tempoly sy Tetiarana


Toko 40

Asa Atao any amin’ny Tempoly sy Tetiarana

Sary
The east spires of the Salt Lake Temple with the Angel Moroni and clouds in the sky.

Tian’ny Raintsika any An-danitra ny zanany hiverina any Aminy

Manome antoka antsika tsirairay ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy fa hitsangana amin’ny maty isika ary hiaina mandrakizay. Saingy raha te hiaina mandrakizay hiaraka amin’ny fianakaviantsika eo anatrehan’ny Raintsika any An-danitra isika dia tsy maintsy manao izay zavatra rehetra didian’ny Mpamonjy hataontsika. Izany dia ahitana ny fahavitana batisa sy fandraisana ny tena ho mpikamban’ny Fiangonana ary ny fandraisana ireo ôrdônansy any amin’ny tempoly.

Amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany antsika dia natao batisa sy noraisina ho mpikambana tamin’ny alalan’ny olona iray mihazona ny fisoronana voantso hanao izany isika. Isika tsirairay koa dia afaka mandeha any amin’ny tempoly mba handray ireo ôrdônansin’ny famonjena tanterahana any. Saingy maro ny zanak’Andriamanitra izay tsy nanana fahafahana hanao izany. Niaina tamin’ny fotoana iray na tany amin’ny toerana iray izay tsy nahafahany nandray ny filazantsara izy ireo.

Tian’ny Ray any An-danitra ny zanany rehetra mba hiverina sy hiara-hiaina Aminy. Nanome fomba iray ho an’ireo izay maty tsy vita batisa sy tsy nandray ny ôrdônansin’ny tempoly Izy mba hahatanterahan’izany. Nangataka antsika Izy mba hanatanteraka ireo ôrdônansy any amin’ny tempoly ho an’ny razambentsika.

Ny Tempolin’ny Tompo

  • Nahoana no zava-dehibe eo amin’ny fiainantsika ny tempoly?

Ny tempolin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia trano manokana natokana ho an’ny Tompo. Afaka mandeha any ireo mpikamban’ny Fiangonana mendrika mba handray ôrdônansy masina sy hanao fanekempihavanana miaraka amin’Andriamanitra. Toy ny batisa ihany, dia ilaina amin’ny famonjena antsika koa ireo ôrdônansy sy fanekempihavanana ireo. Tsy maintsy tanterahana any amin’ny tempolin’ny Tompo izy ireo.

Mankany amin’ny tempoly koa isika mba hianatra bebe kokoa momba ny Ray any An-danitra sy ny Zanany, Jesoa Kristy. Mahazo fahatakarana tsara kokoa momba ny tanjontsika eo amin’ny fiainana isika sy ny fifandraisantsika amin’ny Ray any An-danitra sy Jesoa Kristy. Ampianarina momba ny fiainantsika talohan’ny nahaterahana isika sy ny dikan’ny fiainana an-tany ary ny fiainana aorian’ny fahafatesana.

Mamehy ny Fianakaviana Hiaraka Mandrakizay ny Ôrdônansin’ny Tempoly

  • Inona no dikan’ny hoe voafehy?

Ny ôrdônansin’ny tempoly rehetra dia tanterahana amin’ny alalan’ny fahefan’ny fisoronana. Ny ôrdônansy tanterahana eto an-tany dia voafehy any an-danitra amin’ny alalan’izany fahefana izany. Nampianatra ny Apôstôliny ny Mpamonjy hoe: “Fa na inona na inona fehezinao ety ambonin’ny tany dia hofehezina any an-danitra” (Matio 16:19; jereo koa F&F 132:7).

Any amin’ny tempoly ihany no ahafahantsika hiara-hofehezina mandrakizay amin’ny maha-fianakaviana. Ny fanambadiana any amin’ny tempoly dia manambatra ny lehilahy iray sy vehivavy iray ho mpivady mandrakizay raha toa ka manaja ny fanekempihavanany izy ireo. Ny batisa sy ireo ôrdônansy hafa rehetra dia manomana antsika amin’izany fotoana masina izany.

Raha mivady any amin’ny tempoly ny lehilahy iray sy vehivavy iray dia lasa tafiditra ao anatin’ny fianakaviany mandrakizay koa ireo zanany teraka aorian’izany. Ny olon-droa izay nivady ara-panjakana dia afaka mahazo ireo fitahiana ireo amin’ny alalan’ny fiomanan’izy ireo sy ny zanany mba handeha any amin’ny tempoly ary hofehezina. Ny ray aman-dreny izay nanangan-jaza ara-dalàna dia afaka mamehy ireo ankizy ireo aminy.

  • Inona no tokony hataon’ny mpivady mba hampisy fiantraikany an’ilay herin’ny famehezena eo amin’ny fanambadian’izy ireo?

Mila ny Fanampiantsika ny Razambentsika

  • Inona avy ireo andraikitsika amin’ny razambentsika izay maty nefa tsy nandray ireo ôrdônansin’ny fisoronana?

Nanambady an’i Maria Vitta i Mario Cannamela tamin’ny 1882. Nipetraka tany Tripani, any Italie izy ireo izay nanorenany fianakaviana ary niarahan’izy ireo niaina tao anatin’ny taona maro nahafinaritra. Tsy nahare ny hafatry ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny i Mario sy Maria nandritra ny fiainany. Tsy vita batisa izy ireo. Tsy nanana fahafahana nandeha tany amin’ny tempoly ary tsy nanana fahafahana mba hiaraka hofehezina ho toy ny fianakaviana mandrakizay. Vita hatreo ny fanambadian’izy ireo rehefa tonga ny fahafatesana.

Taonjato iray mahery kely taty aoriana dia nisy fivoriana lehibe natao. Nandeha tany amin’ny tempolin’i Los Angeles ny taranak’i Mario sy Maria, izay toerana nandohalihan’ny zafiafiny lahy iray sy ny vadiny teo amin’ny alitara izay nisolo tena an’i Mario sy Maria tamin’ny famehezana azy ireo. Latsa-dranomaso izy ireo rehefa niara-nizara fifaliana tamin’i Mario sy Maria.

Maro amin’ireo razambentsika no maty ka tsy nahare ny filazantsara fony izy ireo teto an-tany. Mipetraka ao amin’ny tontolon’ny fanahy izy ireo amin’izao fotoana izao (jereo ny toko 41 ao amin’ity boky ity). Ampianarina ny filazantsaran’i Jesoa Kristy izy ireo any. Ireo izay nanaiky ny filazantsara dia miandry ireo ôrdônansin’ny tempoly mba hotanterahana ho azy ireo. Rehefa manatanteraka ireo ôrdônansy ireo any amin’ny tempoly ho an’ny razambentsika isika dia afaka ny hiara-hifaly aminy.

  • Ahoana no fomba hanehoan’ny fotopampianaran’ny famonjena ny maty ny fahamarinana sy ny fangorahana ary ny famindram-pon’Andriamanitra?

  • Inona avy ireo zavatra niainanao tamin’ny ianao nanao asa tany amin’ny tempoly ho an’ny razambenao?

Tetiarana—Ahoana no Fomba Hanombohantsika ny Fanampiantsika ny Razambentsika

  • Inona avy ireo dingana fototra amin’ny fanaovana tetiarana?

Ny Olomasin’ny Andro Farany dia entanina mba handray anjara amin’ny atrik’asa fanaovana tetiarana. Amin’ny alalan’ireo asa atao ireo dia mahafantatra momba ny razambentsika isika mba hahafahantsika hanatanteraka ireo ôrdônansy ho azy ireo. Ahitana dingana fototra anankitelo ny tetiarana:

  1. Mitady ireo razambentsika.

  2. Mijery hoe iza amin’ireo razambe ireo no ilàna hanatanterahana ôrdônansy.

  3. Maka antoka tsara fa ireo ôrdônansy ireo dia notanterahana ho azy ireo.

Ny ankamaroan’ny paroasy sy sampana dia manana tompon’andraikitra misahana ny tetiarana izay afaka mamaly fanontaniana sy mitondra antsika any amin’izay loharano ilaintsika. Raha tsy manana tompon’andraikitra misahana ny tetiarana ny paroasy na sampana iray dia afaka manome torolalana ny eveka na ny filohan’ny sampana.

Mitady ireo Razambentsika

Mba hanatanterahana ireo ôrdônansy ho an’ny razambentsika dia mila mahafantatra ny anarany isika. Maro ireo fitaovana afaka hampiasaina mba hanampiana antsika hitady ny anaran’ireo razambentsika.

Ny fomba tsara hanombohana ny fanangonana izay mombamomba ny razambentsika dia ny mijery izay zavatra ananantsika ao antokantranontsika. Mety manana taratasy fanamarinana ny nahaterahana na ny fanambadiana na ny fahafatesana isika. Mety mahita ny baibolin’ny fianakaviana isika na filazana manjo na diary. Ankoatra izany dia afaka manontany izay zavatra fantatry ny havana isika. Rehefa avy nanangona ireo fampahalalana azo tao an-tokantranontsika sy avy amin’ny razambentsika isika dia afaka mikaroka loharano hafa, toy ny FamilySearch.org. Afaka mitsidika ny foibe irain’ny tetiarana ao amin’ny Fiangonana eo an-toerana isika.

Ny habetsaky ny zavatra ho fantatsika dia hiankina amin’izay fampahalalana ananantsika. Mety fampahalalana kely momba ny fianakaviana fotsiny no ananantsika ary mety tsy afaka hahita mihoatra noho ny ray aman-drenintsika sy ny raibe sy renibentsika isika. Raha toa isika ka efa manana amboaran-taratasy lehibe misy ny firaketana ny fianakaviana dia mety ho afaka ny hahita razambe tany amin’ny taranaka tany aloha be tany isika.

Afaka manara-maso ny fampahalalana nangonintsika ao amin’ny taratasy firaketana ny fianakaviana isika na ao amin’ny taratasy misy ny rafi-tetiarana.

Mijery hoe iza amin’ireo razambe ireo no ilàna hanatanterahana ôrdônansy.

Ny ôrdônansin’ny tempoly dia notanterahana ho an’ny maty efa hatrany am-piandohan’ny Fiangonana. Noho izany dia mety misy ôrdônansy sasany ho an’ny razambentsika efa vita. Mba hahitana izay razambe mila ôrdônansin’ny tempoly dia afaka mijery any amin’ny toerana anankiroa isika. Ireo taratasintsika manokana mirakitra ny fianakaviana dia mety manana fampahalalana momba izay zavatra efa vita. Raha tsy izany dia manana firaketana ireo ôrdônansy rehetra izay efa notanterahana tany amin’ny tempoly ny Fiangonana. Afaka manampy anao amin’izany asa izany ny tompon’andraikitra misahana ny tetiarana ao amin’ny paroasy na ny sampana.

Makà Antoka Tsara fa ireo Ôrdônansy ireo dia Notanterahana ho Azy ireo.

Maro amin’ireo razambentsika any amin’ny tontolon’ny fanahy no mety maniry mafy ny handray ny ôrdônansin’ny tempoliny. Raha vao mahafantatra ireo razambe ireo isika da tokony hikarakara ny fanatanterahana ny asa ho azy ireo.

Ny iray amin’ireo fitahian’ny fanaovana ny asa tetiarana dia avy amin’ny fandehanana any amin’ny tempoly sy ny fanatanterahana ôrdônansy ho an’ireo razambentsika. Tokony hiomana ny handray fahazoan-dalana mankany amin’ny tempoly isika mba hahafahantsika hanao izany asa izany rehefa misy ny fahafahana. Raha toa ka 12 taona no ho miakatra ny zanatsika dia afaka mandray anjara amin’izany fitahiana izany izy ireo amin’ny alalan’ny fanaovana batisa sy fandraisana ho mpikambana azy ireo ho an’ny razambeny.

Raha toa ka tsy afaka mandeha any amin’ny tempoly isika mba handray anjara amin’ireo ôrdônansy ireo dia hokarakarain’ny tempoly ny hanatanterahan’ny mpikamban’ny Fiangonana hafa ireo ôrdônansy ireo.

  • Ahoana no fomba nanampian’ny Tompo na ny olona ao amin’ny fianakavianao anao mba hahita fampahalalana momba ny razambenao?

Fomba Hafa Fanampiny Ahafahana Manao ny Tetiarana

  • Inona avy ireo fomba tsotra ho an’ny olona be andraikitra iray mba handraisany anjara amin’ny asa tetiarana?

Ankoatra ny fanaovana ny ôrdônansin’ny tempoly ho an’ny razambentsika izay fantatsika ny momba azy, dia afaka manampy amin’ny fomba maro hafa an’ireo izay any amin’ny tontolon’ny fanahy isika. Tokony hikatsaka ny fitarihan’ny Fanahy isika rehefa mieritreritra ombam-bavaka ny zavatra mety hataontsika. Afaka manao ireto zavatra manaraka ireto isika arakaraka ny toe-javatra iainantsika:

  1. Mandeha any amin’ny tempoly matetitetika raha azo atao. Aorian’ny fandehanantsika tany amin’ny tempoly ho an’ny tenantsika manokana dia afaka manatanteraka ireo ôrdônansin’ny famonjena ho an’ireo hafa izay miandry any amin’ny tontolon’ny fanahy isika.

  2. Manao fikarohana momba ireo razambe izay tena sarotra hita. Ireo tompon’andraikitra misahana ny asa tetiarana dia afaka mampiseho antsika ireo loharano mitondra fanampiana ireo.

  3. Miampiasa ilay fandaharan’asan’ny Fiangonana izay manamboatra ny filaharan’ny anaran’ireo maty araka ny abidia. Amin’ny alalan’ izany fandaharan’asa izany dia manomana ireo fampahalalana avy amin’ny tetiarana mba ho ampiasaina ao amin’ilay fandaharan’asan’ny Fiangonana momba ny tetiarana ao amin’ny solosaina ny mpikambana. Ireo fandaharan’asa ireo dia mahamora ny fitadiavantsika ny razambentsika.

  4. Mandray anjara amin’ilay fampahalalana momba ny tetiarana ao amin’ny fandaharan’asan’ny Fiangonana ho an’ny tetiarana ao amin’ny solosaina. Io fandaharan’asa io dia ahitana ireo tetiarana nataon’ny olona manerana an’izao tontolo izao. Ahafahan’ny olona mizara fampahalalana momba ny fianakaviany izany. Ireo tompon’andraikitra misahana ny asa tetiarana dia afaka manome fampahalalana bebe kokoa momba ny fandaharan’asan’ny Fiangonana ao amin’ny solosaina.

  5. Mandray anjara amin’ny lamin’ny fianakaviana. Afaka manatanteraka zavatra bebe kokoa ho an’ny razambentsika isika rehefa miara-miasa amin’ireo olona hafa ao amin’ny fianakaviana.

  • Mieritreritra izay zavatra azontsika atao mba hampitomboana ny fandraisantsika anjara any amin’ny tempoly sy amin’ny asan’ny tetiarana.

Soratra Masina Fanampiny