Boky sy lesona
Toko 13: Ny Fisoronana


Toko 13

Ny Fisoronana

Sary
Two Fijian men administering to a young girl lying in a bed.

Inona no atao hoe Fisoronana?

Ny fisoronana dia hery mandrakizay sy fahefan’Andriamanitra. Tamin’ny alalan’ny fisoronana no nahariany ny lanitra sy ny tany ary hitantanany an’izany. Amin’ny alalan’izany hery izany no itazonana ny filaminana tanteraka eo amin’izao tontolo izao. Amin’ny alalan’izany hery izany no hanatanterahany ny asany sy ny voninahiny dia “ny manatanteraka ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizain’ny olona” (Mosesy 1:39).

Omen’ny Raintsika any An-danitra an’ireo lehilahy mendrika izay mpikamban’ny Fiangonana ny fahefan’ny fisoronany. Ny fisoronana dia ahafahan’izy ireo miasa amin’ny anaran’Andriamanitra ho famonjena ny fianakavian’olombelona. Manana alalana ny hitory ny filazantsara, hanatanteraka ireo ôrdônansin’ny famonjena sy hitantana ny fanjakan’Andriamanitra eto an-tany izy ireo amin’ny alalan’izany.

  • Eritrereto ny dikan’ny hoe, manome fahafahana ny lehilahy sy ny zatovolahy mendrika hihazona ny fisoronany Andriamanitra.

Nahoana no Mila ny Fisoronana Isika eto An-tany?

Tsy maintsy manana ny fahefan’ny fisoronana isika mba hahafahana hanao asa amin’ny anaran’Andriamanitra rehefa manatanteraka ny ôrdônansin’ny filazantsara, toy ny batisa, ny fandraisana ho mpikambana sy ny fikarakarana ny Fanasan’ny Tompo ary ny fanambadiana any amin’ny tempoly. Raha misy lehilahy tsy manana ny fisoronana, na dia mahitsy toetra aza izy, dia tsy ho eken’ny Tompo ny ôrdônansy izay tanterahany (jereo Matio 7:21–23; Fanekem-pinoana 1:5). Tsy maintsy tanterahina eto an-tany amin’ny alalan’ny lehilahy mihazona ny fisoronana ireo ôrdônansy manan-danja ireo.

Mila ny fisoronana ny lehilahy mba hitondrana ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany sy hitantanana ny asan’ny Fiangonana manerana an’izao tontolo izao. Fony i Kristy niaina teto an-tany dia nifidy Apôstôly Izy ary nanendry azy ireo mba hahafahany hitarika ny Fiangonany. Nomeny ny hery sy ny fahefan’ny fisoronana mba hanaovana asa amin’ny Anarany izy ireo. (Jereo Marka 3:13–15; Jaona 15:16.)

Ny antony iray ilana ny fisoronana eto an-tany dia ny mba hahafahantsika hahatakatra ny sitrapon’ny Tompo sy hanatanteraka ny Tanjony. Manambara ny sitrapony amin’ny solontenany eto an-tany izay manana ny fahefan’ny fisoronana Andriamanitra, dia ny mpaminany izany. Ny mpaminany, izay Filohan’ny Fiangonana, no mpitondra ny tenin’Andriamanitra ho an’ny mpikamban’ny Fiangonana rehetra sy ho an’ny vahoaka rehetra eto an-tany.

  • Nahoana no ilain’ny lehilahy iray ny manana ny fahefana marina mba hanatanterahany ôrdônansy iray?

Ahoana no Ahazoan’ny Lehilahy ny Fisoronana?

Nanomana rindran-damina iray ny Tompo mba hanomezana ny fisoronany an’ireo zanakalahiny eto an-tany. Ny lehilahy mendrika iray izay mpikambana ao amin’ny Fiangonana dia mandray ny fisoronana amin’ny alalan’ny “fametrahan-tanana, ataon’ireo izay manana ny fahefana, vao mitory sy manatanteraka ny ôrdônansin’ny filazantsara” (Fanekem-pinoana 1:5).

Mitovy amin’izany koa no nandraisana ny fisoronana fahiny, na tamin’ny andron’i Mosesy aza: “Ary tsy misy maka izany voninahitra izany ho an’ny tenany afa-tsy izay antsoin’Andriamanitra, tahaka an’i Aharôna” (Hebreo 5:4). Nandray ny fisoronana avy tamin’i Mosesy izay mpitarika azy ao amin’ny fisoronana i Aharôna (jereo Eksodosy 28:1). Ireo izay manana ny fisoronana ihany no afaka manendry ny hafa ary tsy afaka manao izany izy raha tsy efa nomen’ireo izay manana ny fanalahidy ny fahefana hanaovana izany fanendrena izany (jereo toko 14 ao amin’ity boky ity).

Tsy afaka mividy na mivarotra ny hery sy ny fahefan’ny fisoronana ny lehilahy. Ary tsy afaka maka izany irery fotsiny amin’izao izy ireo. Hitantsika ao amin’ny Testamenta Vaovao ilay lehilahy antsoina hoe Simona izay niaina tamin’ny vanimpotoana nitantanan’ny Apôstôlin’i Kristy ny Fiangonany. Niova fo sy natao batisa tao amin’ny Fiangonana i Simona. Noho izy mpanao ody tena mahay, dia nino ny olona fa nanana ny herin’Andriamanitra izy. Saingy tsy nanana ny fisoronana i Simona ary fantany izany.

Fantatr’i Simona fa nanana ny hery marin’Andriamanitra ireo Apôstôly sy ireo mpitarika hafa tao amin’ny Fiangonana. Hitany mampiasa ny fisoronany izy ireo mba hanaovany ny asan’ny Tompo, ary tiany ho azy izany fahefana izany. Nitondra vola mba hividianana ny fisoronana izy. (Jereo Asan’ny Apôstôly 8:9–19.) Nefa hoy i Petera, filohan’ny Apôstôly hoe: “Aoka ho very mbamin’ny tenanao ny volanao, satria nataonao fa azo vidim-bola ny fanomezan’Andriamanitra” (Asan’ny Apôstôly 8:20).

  • Nahoana no zava-dehibe ny hoe: “Ary tsy misy maka izany voninahitry ny [fisoronana] izany ho an’ny tenany”?

Amin’ny Fomba Ahoana no Hampiasan’ny Lehilahy Araka ny Tokony ho Izy ny Fisoronana?

Ny fisoronana dia tokony hampiasaina mba hitahiana ny fiainan’ireo Zanaky ny Ray any An-danitra eto an-tany. Tokony hiahy ao anatin’ny fitiavana sy hatsaram-panahy ny mpihazona ny fisoronana. Tsy tokony hanery ny fianakaviany sy ny olon-kafa izy ireo mba hankatò azy. Niteny tamintsika ny Tompo fa ny herin’ny fisoronana dia tsy azo fehezina na ampiasaina raha tsy araka ireo fitsipiky ny fahamarinana (jereo F&F 121:36). Raha toa isika ka manandrana mampiasa izany fisoronana izany mba hahazoana harena na laza na ho an’ny tanjona hafa izay mifono fitiavan-tena dia, “indro, misintona ny lanitra; malahelo ny Fanahin’ny Tompo; ary rehefa misintona izany, dia Amena ho an’ny fisoronana na ny fahefan’izany lehilahy izany” (F&F 121:37).

Rehefa mampiasa ny fisoronana “amin’ny fandresen-dahatra, ny fahari-po, ny hatsaram-panahy sy ny hamoram-po ary ny fitiavana tsy mihatsaravelatsihy” (F&F 121:41) ny lehilahy iray, dia afaka manao zavatra mahatalanjona maro ho an’ny fianakaviany sy ny olon-kafa izy. Afaka manao batisa, mandray ho mpikambana sy manamasina ny Fanasan’ny Tompo izy rehefa nahazo lalana tamin’ireo izay mihazona ny fanalahidin’ireo ôrdônansy ireo. Afaka mitsodrano ny marary izy. Afaka manome tsodranon’ny fisoronana ho an’ny fianakaviany izy mba hankaherezana sy hiarovana azy ireo rehefa mila fanampiana manokana izy ireo. Afaka manampy ireo fianakaviana hafa koa izy amin’ireo ôrdônansy sy tsodrano ireo rehefa angatahana hanao izany.

Ampiasain’ny lehilahy ny fahefan’ny fisoronana mba hitarihana ao amin’ny Fiangonana, ao anatin’ny karazana antso toy ny filohan’ny sampana, eveka, filohan’ny kôlejy, filohan’ny tsatòka ary filohan’ny misiôna. Ny lehilahy sy ny vehivavy izay manana antso ao amin’ny Fiangonana toy ny mpitarika sy mpampianatra dia miasa eo ambany fitarihan’ny mpitarika ao amin’ny fisoronana ary eo ambany fitarihan’ny Fanahy Masina.

Inona no Fitahiana Azo Rehefa Mampiasa Araka ny Tokony ho Izy ny Fisoronana Isika?

Ny Tompo dia nampanantena fitahiana lehibe ho an’ireo mpihazona ny fisoronana mendrika izay mampiasa ny fisoronana mba hitahiana ny hafa:

“Dia hihamahery ny fahatokian-tenanao eo anatrehan’Andriamanitra; ary ny fotopampianaran’ny fisoronana dia hitsika ao amin’ny fanahinao toy ny ando avy any an-danitra.

“Ny Fanahy Masina no ho namanao lalandava, ary ho tehim-piandrianan’ny fahamarinana sy ny marina ka tsy hiovaova ny tehim-piandriananao; ary ny fanapahana dia ho fanapahana maharitra mandrakizay, ary tsy mitady fitaovam-pamoretana no hikorianany mankany aminao mandrakizay mandrakizay” (F&F 121:45–46).

Ny Filoha David O. McKay dia nampanantena ny lehilahy rehetra izay mampiasa amim-pahamarinana ny fisoronana fa “hahita ny fiainany ho lasa mamy izy, lasa hahay hanavaka haingana ny tsara sy ny ratsy, ho feno fitiavana sy fangorahana, dia hatanjaka sy hazoto amin’ny fiarovana ny marina ny fanahiny. Ho hitany fa loharanom-pifaliana tsy mety ritra ny fisoronana—loharanon’ny rano velona, miboiboika hatrany amin’ny fiainana maharitra mandrakizay” (Teachings of Presidents of the Church (Enseignements des Présidents de l’Église): David O. McKay [2003], 116).

  • Inona avy ireo fitahiana sasantsasany azonao tamin’ny alalan’ny fisoronana?

Soratra Masina Fanampiny

  • F&F 84; 107 (fanambarana momba ny fisoronana, ary tafiditra ao koa ny fianianana sy fanekempihavanan’ny fisoronana ao amin’ny F&F 84:33–40)

  • F&F 20:38–67 (fanazavana ny andraikitry ny fisoronana)