Boky sy lesona
Toko 16: Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy Fahiny


Toko 16

Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy Fahiny

Sary
Christ with the twelve men chosen by Him to be His Apostles. Christ has His hands upon the head of one of the men (who kneels before Him) as He ordains the man to be an Apostle. The other eleven Apostles are standing to the left and right of Christ.

Ireo Lafiny Sasantsasany Hamantarana ny Fiangonan’i Jesoa Kristy

“Mino ny fandaminana mitovy amin’izay nisy tao amin’ny Fiangonana voalohany isika, dia ny apôstôly, mpaminany, mpiandry, mpampianatra, evanjelistra, sns.” (Fanekem-pinoana 1:6).

Nanorina ny Fiangonany i Jesoa raha mbola tety ambonin’ny tany. Nantsoina hoe Fiangonan’i Jesoa Kristy izany (jereo 3 Nefia 27:8), ary nantsoina hoe Olomasina ny mpikambana (jereo Efesiana 2:19–20).

Fanambarana

Rehefa nanorina ny Fiangonany i Jesoa, dia Izy mihitsy no nanome torolalana sy nitantana ireo mpitarika tao anatin’izany. Izy indray kosa dia mandray torolalana avy amin’ny Rainy any An-danitra. (Jereo Hebreo 1:1–2.) Noho izany dia notarihan’Andriamanitra ny Fiangonan’i Jesoa Kristy fa tsy notarihan’olombelona. Nampianatra ny mpanara-dia azy i Jesoa fa ny fanambarana no “vatolampy” izay iorenan’ny Fiangonany (jereo Matio 16:16–18).

Talohan’ny niakaran’i Jesoa tany an-danitra taorian’ny Fitsanganany tamin’ny maty dia niteny tamin’ny Apôstôliny Izy hoe: “Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny fahataperan’izao tontolo izao” (Matio 28:20). Notazoniny izany fampanantenana izany, ka nanohy nitarika azy ireo avy any an-danitra Izy. Nalefany mba ho mpananatra sy mpanambara ho azy ireo ny Fanahy Masina (jereo Lioka 12:12; Jaona 14:26). Niresaka tamin’i Saoly tao anaty fahitana Izy (jereo Asan’ny Apôstôly 9:3–6). Nambarany tamin’i Petera fa tsy tokony ny Jiosy ihany no ampianarina ny filazantsara fa izao tontolo izao mihitsy (jereo Asan’ny Apôstôly 10). Nanambara fahamarinana lehibe maro tamin’i Jaona Izy, izay voasoratra ao amin’ny Apokalypsy. Ny Testamenta Vaovao dia mirakitra fomba maro hafa nanambaran’i Jesoa ny fahavononany hitarika ny Fiangonany sy hanazava ny mpianany.

Fahefana avy amin’Andriamanitra

Tsy afaka tanterahina sy ampianarina ny ôrdônansy sy ny fitsipiky ny filazantsara raha tsy eo ny fisoronana. Nomen’ny Ray izany fahefana izany i Jesoa Kristy (jereo Hebreo 5:4–6), izay nanendry ny Apôstôliny avy eo ary nanome azy ireo ny hery sy ny fahefan’ny fisoronana (jereo Lioka 9:1–2; Marka 3:14). Nampahatsiahy azy ireo Izy hoe: “Tsy ianareo no nifidy Ahy, fa Izaho no nifidy anareo ka nanendry anareo” (Jaona 15:16).

Mba hisian’ny firindrana ao amin’ny Fiangonana dia nomen’i Jesoa andraikitra sy fahefana lehibe indrindra ny Apôstôly Roambinifolo. Notendreny ho filohan’ny Apôstôly i Petera ary nomeny ny fanalahidy hamehezana ny tsodrano eto an-tany sy any an-danitra (jereo Matio 16:19). Nanendry mpitarika hafa koa i Jesoa izay nomena andraikitra voafaritra tsara hotanterahina. Taorian’ny niakarany tany an-danitra, dia notohizana ny fomba fanomezana antso sy fanendrena. Ny sasany dia notendrena amin’ny fisoronana tamin’ny alalan’ireo izay efa nandray izany fahefana izany. Nampahafantarin’i Jesoa tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina fa nanaiky ireo fanendrena ireo Izy (jereo Asan’ny Apôstôly 1:24).

Ny Firafitry ny Fiangonana

Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy dia vondrona iray izay manana firafitra maty paika. Nampitahaina tamin’ny tranobe iray izany izay “natsangana teo ambonin’ny fanorenan’ny Apôstôly sy ny mpaminany, ary Kristy Jesoa no fehizoro indrindra” (Efesiana 2:20).

Nanendry mpitarika hafa ao amin’ny fisoronana i Jesoa mba hanampy ireo Apôstôly ao amin’ny asa fanompoana. Nandefa mpitarika antsoina hoe Fitopololahy Izy izay nandeha tsiroaroa hitory ny filazantsara (jereo Lioka 10:1). Ireo mpitarika hafa ao amin’ny Fiangonana dia evanjelistra (patriarika), mpiandry (mpitarika miahy), mpisorona avo, loholona, eveka, mpisorona, mpampianatra ary diakona (jereo ny toko 14 ao amin’ity boky ity). Ireo mpitarika ireo dia nilaina daholo mba hanao asa fitoriana, hanatanteraka ôrdônansy sy hampianatra ary hanome fitaomam-panahy an’ireo mpikamban’ny Fiangonana. Ireo mpitarika ireo dia nanampy ny mpikambana mba ho tonga “amin’ny firaisan’ny finoana sy ny fahalalana tsara ny Zanak’Andriamanitra” (Efesiana 4:13).

Ny Baiboly dia tsy milaza amintsika ny zava-drehetra momba ny fisoronana na ny firafitra sy ny fitantanana ny Fiangonana. Kanefa, ny ankapoben’ny Baiboly dia voatahiry tsara ihany ka mampiseho ny hatsarana sy ny fahalavorarian’ny firafitry ny Fiangonana. Nodidiana mba handeha manerana an’izao tontolo izao ny Apôstôly ary hitory (jereo Matio 28:19–20). Tsy afaka nipetraka na dia tany amin’ny tanàna iray aza izy ireo mba hanara-maso ireo mpikambana vaovao. Noho izany dia nantsoina sy notendrena ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana eo an-toerana, ary ny Apôstôly no miahy azy ireo. Ireo Apôstôly sy mpitarika hafa ao amin’ny Fiangonana dia namangy sy nanoratra taratasy tany amin’ny sampana maro. Noho izany, ny Testamenta Vaovaontsika dia ahitana taratasy nosoratan’i Paoly, Petera, Jakoba, Jaona ary Joda izay manome torohevitra sy torolalana ho an’ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana eo an-toerana.

Ny Testamenta Vaovao dia mampiseho fa izany firafitry ny Fiangonana izany dia natao hitohy. Ohatra, taorian’ny nahafatesan’i Jodasy dia tsy nisy afa-tsy Apôstôly iraika ambin’ny folo sisa. Fotoana fohy taorian’ny niakaran’i Jesoa tany an-danitra dia niara-nivory ny Apôstôly mba hifidy olona handray ny toeran’i Jodasy. Tamin’ny alalan’ny fanambarana avy amin’ny Fanahy Masina dia nifidy an’i Matia izy ireo (jereo Asan’ny Apôstôly 1:23–26). Nametraka ny rafitry ny Apôstôly roambinifolo mba hitantana ny Fiangonana i Jesoa. Toa nazava fa natao hitohy araka ny nanorenany Azy izany lamina izany.

Ireo Fitsipika sy Ôrdônansy Voalohany

Nampianatra fitsipika fototra anankiroa ny Apôstôly: ny finoana an’i Jesoa Kristy Tompo ary ny fibebahana. Rehefa manana finoana an’i Jesoa Kristy ho toy ny Zanak’Andriamanitra sy Mpanavotra azy ireo olona vao niova fo ary mibebaka amin’ny fahotany, dia mandray ôrdônansy roa izy ireo: ny batisa asitrika sy ny fametrahan-tanana ho an’ny fanomezana ny Fanahy Masina (jereo Asan’ny Apôstôly 19:1–6). Ireo no fitsipika sy ôrdônansy voalohan’ny filazantsara. Nampianatra i Jesoa hoe: “Raha misy olona tsy ateraky ny rano sy ny Fanahy, dia tsy mahazo miditra amin’ny fanjakan’Andriamanitra” (Jaona 3:5).

Ôrdônansy Tanterahana ho an’ny Maty

Nanome fomba mba hahafahan’ny olona rehetra handre ny filazantsara i Jesoa, na eto an-tany izany na aorian’ny fahafatesana. Teo anelanelan’ny fahafatesany sy ny Fitsanganan’ny tamin’ny maty, dia namangy ireo fanahin’izay efa maty i Jesoa. Nandrindra ny asa fitoriana teo anivon’ireo izay efa maty izy. Nanendry iraka mahatoky Izy ary nomeny hery izy ireo hampianarana ny filazantsara an’ireo fanahin’ny olona efa maty. Nanome fahafahana azy ireo hanaiky ny filazantsara izany (jereo 1 Petera 3:18–20; 4:6; F&F 138). Dia nanatanteraka ôrdônansy ho an’ny maty ireo mpikamban’ny Fiangonana velona (jereo 1 Korintiana 15:29). Ny ôrdônansy toy ny batisa sy ny fandraisana ho mpikambana dia tsy maintsy atao eto an-tany.

Ireo Fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy

Ny mpikamban’ny Fiangonana mahatoky rehetra dia manana zo hahazo ny fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy. Omena araka ny zavatra ilainy manokana sy ny fahaiza-manaony ary ny andraikiny izany. Ny sasany amin’ireo fanomezam-pahasoavana ireo dia ny finoana izay ahitana ny hery hanasitranana sy hahasitranana; ny faminaniana ary ny fahitana. (Resahina amin’ny antsipiriany bebe kokoa ny fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy ao amin’ny toko 22.) Misy foana hatrizay ireo fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy ireo ao amin’ny Fiangonana marin’i Jesoa Kristy (jereo 1 Korintiana 12:4–11; Môrônia 10:8–18; F&F 46:8–29). Nolazain’i Jesoa tamin’ny mpianany fa manaraka foana an’ireo mino ireo famantarana sy fanomezam-pahasoavana ara-panahy ireo (jereo Marka 16:17–18). Maro tamin’ireo mpianany no nanao fahagagana, na naminany, na nahita fahitana tamin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina.

  • Nahoana no mila ireo lafin-javatra enina ireo ny Fiangonan’i Jesoa Kristy?

Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy tany Amerika

Taorian’ny nitsanganan’i Jesoa tamin’ny maty, dia namangy ny vahoaka tany Amerika Izy ary nanorina ny Fiangonany teo anivon’izy ireo, nampianatra ny vahoaka nandritra ny telo andro ary avy eo niverimberina matetika tany taorian’izany fotoana izany (jereo 3 Nefia 11–28). Dia nandao azy ireo Izy ary niakatra tany an-danitra. Nandritra ny 200 taona mahery dia niaina tamim-pahamarinana izy ireo ary anisan’ireo vahoaka tena sambatra teo anivon’ireo vahoaka izay noharian’Andriamanitra (jereo 4 Nefia 1:16).

Apôstazia nitranga teo amin’ilay Fiangonana Marina

  • Inona no dikan’ny teny hoe apôstazia?

Tao anatin’ny tantara hatramin’izay dia niezaka ny namotika ny asan’Andriamanitra ny olon-dratsy. Nitranga izany fony mbola velona ny Apôstôly ary fony izy ireo niandraikitra ilay Fiangonana vaovao izay niroborobo. Nisy mpikambana sasany izay nampianatra hevitra avy tamin’ny finoany diso taloha na ny finoana jiosy raha tokony ho hevitra avy tamin’ny fahamarinana tsotra izay nampianaran’i Jesoa izany. Ny sasany indray dia nikomy an-kitsirano fotsiny. Ankoatra izay dia nisy ny fanenjehen’ireo izay tany ivelan’ny Fiangonana. Nampijaliana sy novonoina noho ny finoany ireo mpikamban’ny Fiangonana. Novonoina tsirairay ireo Apôstôly na nesorina teto an-tany tamin’ny fomba hafa. Noho ny faharatsiana sy ny apôstazia, dia nesorina teto an-tany ny fahefana nananan’ny apôstôly sy ny fanalahidin’ny fisoronana. Tsy nisy intsony ilay rafitra izay naorin’i Jesoa Kristy ka niteraka fisavorovoroana izany. Nihanitsofoka tsikelikely tao anatin’ny fotopampianaran’ny Fiangonana ny zavatra diso ary vetivety dia rava tanteraka ilay Fiangonana. Ilay vanimpotoana tsy nisian’ny Fiangonana marina intsony teto an-tany dia antsoina hoe Apôstazia Lehibe.

Vetivitevy monja dia nibahana tao an-tsain’ireo antsoina hoe Kristiana ny finoana diso. Nanao izany finoana Kristiana diso izany ho finoan’ny firenena ny amperora Romana. Tena samy hafa tamin’ilay fiangonana naorin’i Jesoa izany fiangonana izany. Nampianatra izany fa Andriamanitra dia tsy manana vatana ary tsy azo tsapain-tanana.

Tsy nahatakatra intsony ny fitiavan’Andriamanitra antsika ireo olona ireo. Tsy fantatr’izy ireo hoe Zanany isika. Tsy takatr’izy ireo ny tanjon’ny fiainana. Maro ireo ôrdônansy novaina satria tsy teto an-tany intsony ny fisoronana sy ny fanambarana.

Ny amperora ihany no nifidy ireo mpitarika ary indraindray niantso azy ireo koa tamin’ireo anarana izay nampiasain’ireo mpitarika tao amin’ny fisoronana tao amin’ny Fiangonan’i Kristy marina. Tsy nisy Apôstôly na mpitarika tao amin’ny fisoronana hafa nanana ny fahefana avy amin’Andriamanitra tamin’izany, ary tsy nisy ireo fanomezam-pahasoavana ara-panahy. Ny mpaminany Isaia izay nahita mialoha izany toe-javatra izany dia naminany hoe: “Ary ny tany dia efa voavetavetan’ny mponina ao aminy, satria nandika ny lalàna sy nanota ny didy izy ary nivadika ny fanekena mandrakizay” (Isaia 24:5). Tsy Fiangonan’i Jesoa Kristy intsony izany fa lasa fiangonan’olombelona. Na ny anarana aza novaina. Niseho tany Amerika koa ny apôstazia (jereo 4 Nefia).

Ilay Famerenana amin’ny Laoniny Nambara Mialoha

  • Iza amin’ireo faminaniana ao amin’ny Testamenta Taloha sy Vaovao no nanambara mialoha ny Famerenana amin’ny laoniny?

Nahita mialoha ny Apôstazia Andriamanitra ary nanomana ny filazantsara mba haverina amin’ny laoniny. Niresaka tamin’ny Jiosy momba izany ny Apôstôly Petera hoe: “Ary mba hanirahany ny Kristy voatendry ho anareo, dia Jesosy, Ilay tsy maintsy horaisin’ny lanitra mandra-pihavin’ny andro fampodiana ny zavatra rehetra, izay nampilazain’Andriamanitra ny mpaminaniny masina hatramin’ny voalohany indrindra” (Asan’ny Apôstôly 3:20–21).

I Jaona Mpanambara koa dia nahita mialoha ilay fotoana izay hamerenana amin’ny laoniny ny filazantsara. Hoy izy hoe: “Ary hitako fa, indro, nisy anjely iray koa nanidina teo afovoan’ny lanitra, nanana filazantsara mandrakizay hotorina amin’izay monina ambonin’ny tany sy amin’ny firenena sy ny fokom-pirenena sy ny samy hafa fiteny, ary ny olona rehetra” (Apokalypsy 14:6).

  • Nahoana no nilaina ny Famerenana amin’ny Laoniny?

  • Eritrereto ireo fitahiana azonao noho ny famerenana teto an-tany ny Fiangonan’i Jesoa Kristy.

Soratra Masina Fanampiny