Boky sy lesona
Toko 36: Afaka Hiaraka Mandrakizay ny Fianakaviana


Toko 36

Afaka Hiaraka Mandrakizay ny Fianakaviana

Sary
A Korean couple standing in front of the Seoul Korea Temple. The father is holding their young daughter.

Ny Lanjan’ny Fianakaviana

  • Nahoana no nalefan’ny Raintsika any An-danitra ety an-tany ho ao anatin’ny fianakaviana isika?

“Ny fanambadiana eo amin’ny lehilahy sy ny vehivavy dia tendrin’Andriamanitra. … Ny fianakaviana dia fototry ny drafitry ny Mpahary ho an’ny anjara mandrakizain’ny zanany” (“Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao,” Ensign, Nôv. 1995, 102).

Taorian’ny nampiraisan’ny Ray any An-danitra an’i Adama sy Eva tao anatin’ny fanambadiana, dia nodidiany mba hanan-taranaka izy ireo (jereo Genesisy 1:28). Nambarany fa ny iray amin’ny tanjon’ny fanambadiana dia ny hanome vatana nofo sy taolana ireo zanany izay mbola fanahy. Mpiara-miasa amin’ny Raintsika any An-danitra ny ray aman-dreny. Tiany ireo zanany izay mbola fanahy mba samy hahazo vatana nofo sy taolana daholo ary hiaina ny fiainana eto an-tany. Rehefa mitondra zanaka eto an-tany ny lehilahy sy ny vehivavy dia manampy amin’ny fanatanterahana ny drafitry ny Raintsika any An-dantira izy ireo.

Tokony horaisina amim-pifaliana ny zanaka rehetra tonga ao amin’ny fianakaviana iray. Zanak’Andriamanitra ny tsirairay. Tokony handany fotoana hifalifaliana amin’ny zanatsika isika sy hilalaovana miaraka aminy ary hampianarana azy.

Hoy ny Filoha David O. McKay hoe: “Mino amin’ny foko rehetra aho fa ny toerana tsara indrindra mba hiomanana … amin’ny fiainana mandrakizay dia ao an-tokantrano” (“Blueprint for Family Living,” Improvement Era, Apr. 1963, 252). Afaka mianatra fifehezan-tena, fahafoizan-tena, fahatokiana ary ny lanjan’ny asa isika ao an-tokantrano miaraka amin’ny fianakaviantsika. Afaka mianatra mifankatia sy mifampizara ary mifanompo isika.

Tompon’Andraikitra amin’ny fampianarana ny zanany momba ny Ray any An-danitra ny ray sy ny reny. Tokony hampisehon’izy ireo amin’ny alalan’ny ohatra fa tia Azy izy ireo satria mitandrina ny didiny. Tokony hampianatra ny zanany hivavaka sy hankatò ny didy ny ray aman-dreny (jereo Ohabolana 22:6).

  • Nahoana no toerana tsara indrindra hiomanana amin’ny fiainana mandrakizay ny tokantrano?

  • Ahoana no ahafahantsika manampy ny tanoran’ny Fiangonana hahatakatra ny fahamasinan’ny fianakaviana sy ny fanekempihavanan’ny fanambadiana?

Ny Fianakaviana Mandrakizay

Afaka hiaraka mandrakizay ny fianakaviana. Mba hahazoana izany fitahiana izany dia tsy maintsy manambady any amin’ny tempoly isika. Rehefa mivady any ivelan’ny tempoly ny olona dia mifarana ny fanambadiana, rehefa maty ny iray amin’ireo mpivady. Rehefa mivady any amin’ny tempoly amin’ny alalan’ny fahefan’ny Fisoronana Melkizedeka isika, dia mivady mandritra izao fiainana izao ary mandrakizay. Raha mitandrina ny fanekempihavanana nataontsika tamin’ny Tompo isika, dia ho iray mandrakizay amin’ny maha vady sy zanaka ny fianakaviantsika. Tsy afaka manasaraka antsika ny fahafatesana.

Fifandraisan’ny Fianakaviana Ao Anatin’ny Fitiavana

  • Ahoana no ahafahantsika mampisy filaminana bebe kokoa ao amin’ny tokantranontsika?

Tokony hifampaneho fitiavana sy hatsaram-panahy ny mpivady. Tsy tokony hanao zavatra na hiteny zavatra velively izay hanafintohina ny anankiray izy ireo. Tokony samy hiezaka hanao izay zavatra rehetra azo atao izy ireo mba hitondra hafaliana eo aminy.

Rehefa lasa mahafantatra an’Andriamanitra ny ray aman-dreny ary miezaka ny hitovy Aminy, dia hampianatra ny zanaka mba hifankatia izy ireo. Nanazava i Benjamina Mpanjaka ao amin’ny Bokin’i Môrmôna hoe:

“Ary tsy hamela ny zanakareo … hiady na hifanjihitra ianareo. …

“Fa hampianatra azy kosa handeha amin’ny lalan’ny marina sy ny fahononam-po ianareo; hampianatra azy hifankatia sy hifanompo ianareo” (Môsià 4:14–15).

Amin’ny maha-olona ao anatin’ny fianakaviana antsika dia afaka mifanampy mba hananan’ny tsirairay fahatokian-tena isika amin’ny alalan’ny fankaherezana sy fandokafana avy amin’ny fo. Tokony hahatsapa ho manan-danja ny zanaka tsirairay. Mila mampiseho ny ray aman-dreny fa liana amin’izay zavatra ataon’ny zanany izy ireo ary tokony haneho fitiavana sy fiahiana ny zanany. Tokony hampiseho fitiavana ny ray aman-dreny toy izany koa ny zanaka. Tokony hankatò izy ireo ary hiezaka ny hanana karazam-piainana izay hanome voninahitra ny ray aman-dreniny sy ny anaram-pianakaviany.

  • Inona no afaka hataon’ny ray aman-dreny mba hamporisihana ny zanakalahiny sy ny zanakavaviny mba hifampinamana tsara? Inona no azon’ny mpiray tampo atao mba hikolokoloana ny finamanan’izy ireo?

  • Inona no azon’ny mpivady atao mba hahatonga azy roa tonta ho faly?

Ahoana no Ahafahana Manana Fianakaviana Mahomby

  • Inona no zavatra ataonao mba hanamafisana orina ny fianakavianao sy hampahombiazana izany?

Nampianatra ny Filoha Harold B. Lee hoe: “Ny asan’ny Tompo tena manan-danja indrindra hatramin’izay azonao atao dia ao anatin’ny tokantranonao” (Teachings of Presidents of the Church (Enseignements des Présidents de l’Église): Harold B. Lee [2000], 134)

Fantatr’i Satana ny maha zava-dehibe ny fianakaviana ao anatin’ny drafitry ny Raintsika any An-danitra. Katsahany ny hamotika izany amin’ny alalan’ny fanakanana antsika tsy hanakaiky ny Tompo. Haka fanahy antsika mba hanao zavatra izay hampisaratsaraka ny fianakaviantsika izy.

Ny Fiadidiana Voalohany sy ny Apôstôly Roambinifolo dia nanambara hoe :“Ny fanambadiana sy ny fianakaviana mahomby dia naorina sy nokolokoloina tamin’ny fitsipiky ny finoana, ny vavaka, ny fibebahana, ny famelan-keloka, ny fanajana, ny fitiavana, ny fiantrana, ny asa, ary ny fialamboly mahasoa” (Ensign, Nôv. 1995, 102).

Isika rehetra dia maniry ny hanana fianakaviana faly sy mahomby. Ireto zavatra manaraka ireto dia hanampy antsika hahatanteraka izany:

  1. Manao vavaky ny mpianakavy maraina sy hariva (jereo 3 Nefia 18:21). Miara-mivavaka ny mpivady.

  2. Mampianatra ny zanaka ny filazantsara isan-kerinandro mandritra ny takarivan’ny mpianakavy.

  3. Miara-mianatra tsy tsapaka ny soratra masina ny fianakaviana.

  4. Miara-manao zavatra ny fianakaviana, toy ny fanatontosana asa iray, fandehanana mivoaka ary fandraisana fanapahan-kevitra.

  5. Mianatra ny ho tsara fanahy, manam-paharetana, mahari-po ary manam-piantrana (jereo Môrônia 7:45–48).

  6. Manatrika tsy tapaka ny fivoriam-piangonana (jereo F&F 59:9–10).

  7. Manaraka ny torohevitry ny Tompo ao amin’ny F&F 88:119: “Mifandamina ianareo; omano ny zavatra rehetra ilaina, ary manorena trano, dia tranon’ny vavaka, tranon’ny fifadiankanina, tranon’ny finoana, tranon’ny fianarana, tranon’ny voninahitra, tranon’ny filaminana, tranon’Andriamanitra.”

  8. Manao tetiarana, miaraka manatanteraka asa any amin’ny tempoly ary mandray ireo ôrdônansin’ny famehezana any amin’ny tempoly.

Ny fianakaviana no vondrona manan-danja indrindra ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Ny Fiangonana dia mitsangana mba hanampiana ny fianakaviana hahazo fitahiana sy fisandratana mandrakizay. Ireo lamina sy fandaharan’asa ao amin’ny Fiangonana dia natao mba hampatanjaka antsika manokana ary hanampiana antsika hiaina toy ny fianakaviana mandrakizay.

  • Inona no afaka hataon’ny fianakaviana mba hiatrehana ny fotoan-tsarotra?

  • Inona no porofo efa hitanao izay mampiseho fa mitondra fiovana ireo ezaka atao toy ny fanaovana vavaky ny mpianakavy, fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina, filankevitry ny fianakaviana, fiarahan’ny fianakaviana misakafo ary ny takarivan’ny mpianakavy?

Soratra Masina Fanampiny sy Loharano Hafa

  • Mosesy 2:27–28 (nohariana sy nomena tsodrano ny lehilahy sy vehivavy)

  • Genesisy 2:24 (hikambana amin’ny vadiny ny lehilahy)

  • F&F 49:15–16 (voatendrin’Andriamanitra ny fanambadiana)

  • Efesiana 6:4 (tezao amin’ny fahamarinana ny zanaka)

  • F&F 132:15–21 (fanambadiana mandrakizay)

  • F&F 88:119–26 (torolalana hananana fianakaviana mahomby)

  • F&F 93:40–50 (didian’ny Tompo ny ray aman-dreny mba hitaiza ny zanany amin’ny fahazavana sy fahamarinana)

  • “Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao” (hita ao amin’ny LDS.org sy any amin’ireo bokin’ny Fiangonana izay ahitana ny Ensign, Nôv. 1995, page 102; Ry tanora Mahereza: Manatanteraka ny adidintsika amin’Andriamanitra [item number 36550], pejy 44; sy True to the Faith: A Gospel Reference (Ancrés dans la Foi: Manuel Référence sur l’Évangile) [item number 36863], pejy 59–61)