Boky sy lesona
Toko 28: Fanompoana


Toko 28

Fanompoana

Sary
Jesus Christ with the twelve apostles. Christ (depicted wearing a white robe with a yellow sash), is kneeling before one of the apostles as He washes the feet of that apostle. The other eleven apostles are gathered around a table (having just completed the last supper). They are watching Christ. (John 13:1-20)

Ahoana no Fomba Ahafahantsika Manompo

  • Eritrereto ireo fomba izay nanompoan’ny olona anao sy ny olona ao amin’ny fianakavianao.

Hoy i Jesoa hoe: “Izaho dia eo aminareo toy izay manompo” (Lioka 22:27). Amin’ny maha-mpanara-dia marina an’i Jesoa antsika dia tsy maintsy manompo ny hafa ihany koa isika.

Ny fanompoana dia fanampiana ny hafa izay mila fanampiana. Ny fanompoana tahaka ny an’i Kristy dia lasa fitiavana ny Mpamonjy sy fitiavana ary fiahiana an’ireo izay omeny sy atorony antsika mba hampiana. Mihoatra noho ny fahatsapana ao anaty ny fitiavana; rehefa tia ny hafa isika dia te hanampy azy ireo.

Tokony ho vonona ny hanompo isika rehetra, na manao ahoana na manao ahoana ny karamantsika na ny taonantsika na ny toerana misy antsika eo amin’ny fiaraha-monina. Misy olona sasany izay mihevitra fa ny mahantra sy ny manana fari-piainana ambany ihany no tokony hanompo. Ny sasany mihevitra fa ny manan-karena ihany no tokony hanao asa fanompoana. Saingy nampianatra zavatra hafa i Jesoa. Raha nangatahan’ny renin’ny mpianany anankiroa i Jesoa mba hanome anjara voninahitra ireo zanany lahy ireo any amin’ny fanjakany, dia novaliany hoe: “Fa izay te ho lehibe aminareo dia ho mpanompo anareo; ary izay te ho ambony indrindra aminareo dia ho mpanomponareo” (Matio 20:26–27).

Maro ireo fomba ahafahana manompo. Afaka manampy ny hafa ara-bola, ara-tsôsialy, ara-batana ary ara-panahy isika. Ohatra, afaka mizara sakafo na zavatra hafa ho an’ireo izay mila izany isika. Afaka manampy izay sahirana isika amin’ny alalan’ny fanomezana amim-pahalala-tanana ny fanatitry ny fifadian-kanina. Afaka ho naman’ny olona vaovao vao tonga isika. Afaka mamboly ny zaridainan’ny zokiolona iray isika na mikarakara olona marary iray. Afaka mampianatra ny olona iray izay mila ny fahamarinana ny filazantsara isika na mankahery olona iray izay malahelo.

Afaka manao asa fanompoana kely sy lehibe isika. Tsy tokony hijanona tsy hanampy olona iray isika satria tsy afaka manao zavatra lehibe. Nisy mananotena iray izay nitantara momba ny ankizy anankiroa tonga teo am-baravarany fotoana fohy taorian’ny nifindrany tany amin’ny tanàna iray vaovao. Nitondran’ireo ankizy ireo sakafo atoandro tao anaty harona kely izy miaraka amin’ny taratasy kely izay mivaky hoe: “Raha mitady olona irahina ianao dia antsoy izahay.” Faly tamin’izany hatsaram-panahy kely izany ilay mananotena ary tsy nanadino izany velively.

Indraindray anefa dia tsy maintsy manao fahafoizan-tena lehibe isika mba hanompoana olona iray. Nanolotra ny ainy ny Mpamonjy mba hamonjena antsika.

  • Mieritrereta olona ao amin’ny fianakavianao na eo amin’ny fiaraha-monina izay sahirana ara-bola, na ara-tsôsialy, na ara-batana na ara-panahy. Eritrereto ireo zavatra azonao atao mba hanompoana azy ireo.

Nahoana no Tian’ny Mpamonjy Hanompo ny Hafa Isika

  • Nahoana no tian’ny Tompo hanompo ny hafa isika?

Amin’ny alalan’ny fanompoan’ny lehilahy sy vehivavy ary ny zatovolahy sy ny zatovovavy dia vita ny asan’Andriamanitra. Nanazava ny Filoha Spencer W. Kimball hoe: “Tena mandinika antsika Andriamanitra ary manara-maso antsika Izy. Saingy matetika amin’ny alalan’ny olona iray hafa no hanomezany izay ilaintsika” (Teachings of Presidents of the Church: Spencer (Enseignements des Présidents de l’Église): Spencer W. Kimball [2006], 82).

Miankina amin’ny fanampian’ny hafa isika rehetra mandritra ny fiainantsika. Fony isika mbola zaza dia ny ray aman-drenintsika no nanome sakafo sy nampitafy ary nikarakara antsika. Raha tsy nisy izany fikarakarana izany dia mety efa maty isika. Rehefa nihalehibe isika dia nisy olon-kafa nampianatra antsika momba ireo fahaiza-manao manokana sy momba ny fitondrantena. Maro tamintsika no nila fikarakarana nandritra ny aretina na nila vola tao anatin’ny olana ara-bola. Ny sasany amintsika dia mangataka amin’Andriamanitra mba hitahy ireo olona mijaly nefa tsy manao na inona na inona ho azy ireo akory avy eo. Tokony hotsaroantsika fa miasa amin’ny alalantsika Andriamanitra.

Rehefa mifanampy isika dia manompo an’Andriamanitra. I Benjamina Mpanjaka, izay mpanjaka lehibe tamin’ny vanimpotoan’ny Bokin’i Môrmôna, dia nampianatra ny vahoakany izany fitsipika izany tamin’ny alalan’ny fomba niainany. Nanompo azy ireo nandritra ny fiainany izy ary niasa hamelomana ny tenany fa tsy niankina tamin’ny vahoakany. Tao anatin’ny lahateny feno fitaomam-panahy iray no nanazavany ny antony nitiavany ny fanaovana asa fanompoana, manao hoe:

“Rehefa eo eo amin’ny fanompoana ny mpiara-belona aminareo ianareo, dia tsy manao afa-tsy ny fanompoana an’Andriamanitrareo ianareo. …

“Ary raha izaho izay antsoinareo ho mpanjakanareo aza dia miasa mba hanompo anareo, moa va ianareo tsy mba tokony hiasa mba hifanompo ianareo samy ianareo?” (Môsià 2:17–18).

  • Inona no azontsika atao mba ho vonona ny hanome izay ilain’ny hafa?

Mahazo Fitahiana Isika amin’ny alalan’ny Asa Fanompoana

  • Inona no fitahiana azontsika amin’ny alalan’ny fanompoana ny hafa?

Rehefa manompo ny hafa isika dia mahazo fitahiana manan-danja lehibe. Mitombo ny fahafahantsika mitia amin’ny alalan’ny fanompoana. Lasa tsy tia tena isika. Rehefa mieritreritra momba ny olan’ny hafa isika, dia toa tsy dia lehibe loatra ny olantsika manokana. Tsy maintsy manompo ny hafa isika hahazoana ny fiainana mandrakizay. Nilaza Andriamanitra fa ireo izay miara-miaina Aminy dia tsy maintsy mitia sy manompo ny zanany (jereo Matio 25:34–40).

Rehefa mandinika ny fiainan’ireo olona manompo amim-pitiavana isika, dia afaka mahita fa betsaka kokoa ny zavatra azony mihoatra noho izay omeny. Nisy olona Olomasin’ny Andro Farany iray toy izany, antsoina hoe Paul, izay tsy afaka nampiasa ny tongony roa noho ny loza nahazo azy. Ny lehilahy sasany dia mety ho nahatsapa alahelo sy tsy ilaina raha teo amin’ny toerany, saingy i Paul kosa dia nisafidy ny hieritreritra ny hafa. Nianatra asa iray izy ary nahazo vola izay ampy nividianana trano. Nanao toerana ho an’ny tsy manan-kialofana sy ny zaza tsy misy miraharaha izy sy ny vadiny tao anatin’izany. Ny sasany dia nanana fahasembanana be tokoa. Nanompo ireo ankizy sy ireo olon-kafa ireo izy mandrapahafatiny, 20 taona taty aoriana. Ho valin’izany dia nahazo fitiavana be izy ary tsy nahatsiaro ireo tongony malemy ny sainy. Lasa nanakaiky ny Tompo Izy.

Hoy ny Filoha Spencer W. Kimball hoe: “Lasa manana ny lanjany kokoa isika rehefa manompo ny hafa—raha ny marina dia mora kokoa ny manampy ny tenantsika satria maro amintsika tokoa no ilaina hampiana!” (Teachings of Presidents of the Church (Enseignements des Présidents de l’Église): Spencer W. Kimball, 85–86).

Ireo Fahafahana Manompo

Ny sasany amintsika dia tsy manompo afa-tsy ireo olona izay tiantsika ny miaraka aminy ary mihataka amin’ny hafa rehetra. Kanefa i Jesoa dia nandidy antsika mba hifankatia sy hifanompo. Maro ireo fahafahana manompo (jereo Môsià 4:15–19).

Afaka manompo ireo olona ao amin’ny fianakaviantsika isika. Tokony samy hahalala izay zavatra ilain’ny andaniny na ny ankilany ny mpivady. Ny ray aman-dreny dia tsy tokony hanompo ny zanany amin’ny alalan’ny fanomezana sakafo sy fanafiana azy ireo fotsiny fa amin’ny alalan’ny fampianarana azy ireo sy ny fiarahana milalao sy miasa amin’izy ireo koa. Ny zanaka dia afaka manompo amin’ny alalan’ny fanampiana eo amin’ny fanaovana ny raharaha ao an-tokantrano ary amin’ny alalan’ny fanampiana ny iray tampo.

Mifanompo sy mifanampy ny mpivady. Afaka mifanampy amin’ny fikarakarana ny zanaka izy ireo ary afaka mifanohana eo amin’ny zavatra mahaliana ny tenany manokana sy ny asa aman-draharahany manokana. Mety hahafoy handefa ny zanany hanao asa fitoriana ny ray sy ny reny. Mety afaka mampitony ny anabaviny kely izay matahotra ny haizina ilay zazalahy zokiny, na afaka manampy azy hianatra hamaky teny. Nilaza tamintsika ireo mpaminanintsika fa ny fianakaviana no vondrona manan-danja indrindra ao anatin’ny fiaraha-monina. Tokony hanompo tsara ny fianakaviantsika isika (jereo Môsià 4:14–15).

Manana fahafahana maro isika hanompoana ny mpifanolobodirindrina amintsika sy ny namantsika ary na dia ny olona tsy fantatra aza. Raha toa misy mpifanolobodirindrina izay sahirana mijinja ny vokany mialohan’ny oram-baratra dia afaka manampy isika. Raha marary ny reny iray, dia afaka miandry ny zanany isika na manampy amin’ny fanaovana ny raharaha ao an-trano. Raha toa ka misy zatovolahy iray nihataka ny Fiangonana dia afaka mitarika azy mba hiverina isika. Raha misy manaraby ny ankizy iray, dia afaka minamana aminy isika ary mandresy lahatra ny hafa mba ho tsara fanahy. Tsy mila mahafantatra ny olona tompointsika isika. Tokony hitady fomba hanompoana ny zanaky ny Raintsika any An‑danitra araka izay vitantsika isika.

Raha manana talenta manokana isika, dia tokony hampiasa izany hanompoana ny hafa. Omen’Andriamanitra talenta sy fahaiza-manao isika mba hoentina hanatsarana ny fiainan’ny hafa.

Manana fahafahana manompo isika ao amin’ny Fiangonana. Ny iray amin’ny tanjon’ny firafitry ny Fiangonana dia ny hanome antsika fahafahana hifanampy. Ny mpikamban’ny Fiangonana dia manompo amin’ny alalan’ny fanaovana asa fitoriana, fanekena andraikitra mba ho mpitarika, famangiana ireo mpikamban’ny Fiangonana hafa, fampianarana olona any amin’ny kilasy ary fanaovana asam-piangonana hafa. Tsy misy mpitarika mandray vola ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, noho izany dia ny mpikambana tsotra no tsy maintsy misahana ireo asa rehetra ao amin’ny Fiangonana.

  • Ahoana no fomba ahafahantsika manokana fotoana ampy ho an’ny fianakaviantsika na dia eo aza ireo fahafahantsika maro hanao asa fanompoana ao amin’ny Fiangonana sy eo amin’ny fiaraha-monina?

I Jesoa Kristy no Ohatra Tsara Indrindra eo amin’ny Fanompoana

  • Inona avy ireo tantara sasantsasany tena tianao ao amin’ny soratra masina izay ahitana ny fanehoan’ny Mpamonjy ny ohatry ny fanompoana?

Nampiseho ilay ohatry ny fanompoana tsara indrindra ny Mpamonjy. Nanazava Izy fa tsy tonga mba hotompoina fa mba hanompo Izy ka hanolotra ny ainy ho antsika (jereo Matio 20:28).

Tia antsika rehetra mihoatra noho ny fahatakarantsika i Jesoa Kristy. Fony Izy teto an-tany dia nanompo ny mahantra, ny tsy manam-pahalalana, ny mpanota, ireo henjehina ary ny voabatibaty. Nampianatra ny filazantsara ny olona rehetra izay te hihaino izany Izy, nanome sakafo ny vahoaka maro be noana izay tonga hihaino Azy, nanasitrana ny marary ary nampitsangana ny maty.

Mpahary ny tany sy Mpamonjy antsika Izy, ary mbola nanao asa fanompoana maro tamim-panetrentena. Talohan’ny nanomboana Azy dia nivory niaraka tamin’ny mpianany Izy. Rehefa avy nampianatra azy ireo Izy, dia naka koveta nisy rano sy lamba famaohana ary nanasa ny tongotr’izy ireo (jereo Jaona 13:4–10; jereo ny sary ao amin’ity toko ity). Tamin’izany fotoana izany dia mariky ny fanomezam-boninahitra ny fanasana ny tongotry ny vahiny ary matetika ataon’ny mpanompo izany. Nanao izany ho toy ny ohatry ny fitiavana sy fanompoana i Jesoa. Rehefa manompo amim-pahavononana ny hafa isika ao anatin’ny toe-tsaina feno fitiavana, dia hitovy bebe kokoa amin’i Kristy.

  • Inona no zavatra azontsika ianarana avy amin’ilay ohatry ny fanompoana nasehon’ny Mpamonjy?

Soratra Masina Fanampiny