Boky sy lesona
Toko 2: Ny fianakaviantsika any an-danitra


Toko 2

Ny Fianakaviantsika any an-danitra

Sary
Hubble image of the galaxy

Zanaky ny Raintsika any an-danitra Isika

  • Inona no zavatra ampianarin’ny soratra masina sy ireo mpaminanin’ny andro farany antsika momba ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra?

Tsy Mpanapaka sy Mpahary antsika fotsiny Andriamanitra fa Raintsika any An-danitra koa Izy. Ny lehilahy sy ny vehivavy rehetra dia tena zanakalahy sy zanakavavin’Andriamanitra marina. “Ny olona fony izy fanahy, dia nateraky ny ray aman-dreny tany an-danitra ary notaizana mandra-palehibeny tany amin’ilay trano mandrakizain’ny Ray talohan’ny nahatongavany teto an-tany tao anatin’ny vatana mety maty” (Teachings of Presidents of the Church (Enseignements des Présidents de l’Église): Joseph F. Smith [1998], 335).

Ny olona rehetra izay efa teraka teto an-tany hatramin’izay dia fanahy izay rahalahintsika na rahavavintsika. Satria fanahy zanak’ Andriamanitra isika, dia nandova ilay hery anaty mba hampivelarana ireo toetra masiny. Afaka ny ho lasa tahaka ny Raintsika any An-danitra isika ary hahazo ny fifaliana feno, amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.

  • Inona no fiantraikan’ilay fahalalanao fa zanak’Andriamanitra ianao, eo amin’ny eritreritrao sy ny zavatra teneninao ary ny zavatra ataonao?

Nampivelatra ny Maha-izy azy Antsika sy ny Talentantsika Isika Fony Niaina Tany An-danitra

  • Eritrereto ireo talenta sy fanomezam-pahasoavana izay nomena anao.

Ny soratra masina dia mampianatra antsika fa niomana mba ho mpitarika talohan’ny nahatongavany teto an-tany ireo mpaminany, tamin’izy ireo mbola fanahy tany an-danitra (jereo Almà 13:1–3). Talohan’ny nahaterahany tao anaty vatana mety maty dia notendren’Andriamanitra mialoha (nofidiana) izy ireo mba ho mpitarika eto an-tany. Anisan’ny sasany tamin’ireo mpitarika ireo i Jesoa, i Adama ary i Abrahama. (Jereo Abrahama 3:22–23.) I Joseph Smith dia nampianatra fa “ny olona rehetra izay manana antso hanompo ny mponin’izao tontolo izao dia voatendry [mialoha] tamin’izany tanjona izany mihitsy” (Teachings of Presidents of the Church: Enseignements du Président de l’Église: Joseph Smith [2007], 511). Kanefa ny olona tsirairay dia malalaka amin’ny fanekena na fandavana izany fahafahana manompo izany.

Tsy nitovy daholo akory isika rehetra tany an-danitra. Fantatsika ohatra fa zanakalahy sy zanakavavin’ny ray aman-dreny any an- danitra isika—na lahy na vavy (jereo “Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao,” Ensign, Nôv. 1995, 102). Manana talenta sy fahaiza-manao samihafa isika ary nantsoina hanao zavatra samihafa eto an-tany. Afaka mahalala bebe kokoa momba ireo “zavatra azontsika atao mandrakizay” isika rehefa mahazo ny tsodranontsika avy amin’ny patriarika (jereo Thomas S. Monson, ao amin’ny Tatitry ny Fihaonambe, Ôkt. 1986, 82; na Ensign, Nôv. 1986, 66).

Misy voaly izay manarona ny fahatsiarovantsika ilay fiainana talohan’ny nahaterahantsika, saingy fantatry ny Raintsika any an-danitra hoe iza isika ary inona no nataontsika talohan’ny nahatongavantsika teto. Nisafidy ny fotoana sy ny toerana tokony hahaterahantsika tsirairay avy Izy mba hahafahantsika hianatra ireo lesona izay ilaintsika manokana sy hanao ny tsara indrindra avy amin’ireo talentantsika sy ny maha-izy azy antsika manokana.

  • Ahoana no fomba nitondran’ny talentan’ny olon-kafa fitahiana ho anao? Ahoana no ahafahan’ny talentanao sy ny fanomezam-pahasoavana anananao mitondra fitahiana ho an’ny hafa?

Nampiseho Drafitra ho Antsika ny Raintsika any an-danitra mba Hahatongavantsika Tahaka Azy

  • Ahoana no fomba hanampian’ny fiainana an-tany antsika hiomana ho lasa tahaka ny Raintsika any an-danitra?

Fantatry ny Raintsika any An-danitra fa tsy afaka ny hivoatra mihoatra ny faritra iray voafetra isika raha tsy mandao Azy mandritra ny fotoana voafetra. Tiany isika hampivelatra ny toetra araka an’Andriamanitra izay ananany. Mba hanatanterahana izany dia nila nandao ilay fonenantsika talohan’ny nahaterahana isika mba hosedraina sy hahazo traikefa. Nila notafiana vatana nofo sy taolana ny fanahintsika. Mila mandao ny vatantsika isika amin’ny fahafatesana ary mitambatra aminy indray any amin’ny Fitsanganana amin’ny maty. Dia hahazo vatana tsy mety maty toy ny an’ny Raintsika any An-danitra isika. Raha toa ka tafita amin’ny fisedrana antsika isika dia hahazo ny fahafenoan’ny fifaliana izay azon’ny Raintsika any An-danitra. (Jereo F&F 93:30–34.)

Nanao Filankevitra Lehibe ny Raintsika any An-danitra mba hampisehoana ilay drafiny ho an’ny fivoarantsika (jereo Teachings of Presidents of the Church (Enseignements des Présidents de l’Église): Joseph Smith, 209, 511). Nahafantatra isika fa raha manaraka ny drafiny dia ho lasa tahaka Azy. Hitsangana amin’ny maty isika, sy hanana ny hery rehetra eto an-tany sy any an-danitra ary ho lasa ray aman-dreny any an-danitra sy hanana fanahy ho zanaka toa Azy (jereo F&F 132:19–20).

Fantatsika fa hanome tany antsika Izy izay toerana mba hanaporofoantsika ny maha-izy azy antsika (jereoAbrahama 3:24–26). Hisy voaly handrakotra ny fitadidiantsika ary tsy hahatadidy ilay fonenantsika any an-danitra isika. Ilaina ny hanaovana izany mba hahafahantsika hampiasa ny fahafahantsika misafidy ny tsara na ny ratsy, izay tsy ahitana fitaomana avy amin’ilay fahatsiarovana ny fiainantsika niaraka tamin’ny Raintsika any An-danitra. Noho izany dia afaka mankatò Azy isika noho ny finoantsika Azy fa tsy noho ny fahalalantsika na ny fahatsiarovantsika Azy. Hanampy antsika hamantatra ny marina Izy rehefa mandre izany indray isika eto an-tany (jereo Jaona 18:37).

Nandritra ilay Filankevitra Lehibe dia nahafantatra ny tanjon’ny fivoarantsika isika: hahazo ny fahafenoan’ny fifaliana. Kanefa nahafantatra koa isika fa ho voafitaka ny sasany, sy hisafidy lalan-kafa ary ho very an-dalana. Nahafantatra isika fa handalo fitsapana eo amin’ny fiainantsika isika rehetra: aretina, fahadisoam-panantenana, fijaliana, alahelo ary fahafatesana. Saingy azontsika an-tsaina fa ireo zavatra ireo dia nomena antsika mba ho traikefa sy soa ho antsika (jereo F&F 122:7). Raha mamela izany hiseho isika dia hanadio antsika fa tsy hampahalavo antsika akory ireo fitsapana ireo. Hampianatra antsika hanana fikirizana, faharetana sy fiantrana izy ireo (jereo Teachings of Presidents of the Church (Enseignements des Présidents de l’Église): Spencer W. Kimball [2006], 15–16).

Tao anatin’izany filankevitra izany dia nahafantatra koa isika fa noho ny fahalementsika dia hanota daholo isika rehetra afa-tsy ny ankizy madinika ihany (jereo F&F 29:46–47). Nahafantatra isika fa homena Mpamonjy iray mba hahafahantsika handresy ny fahotantsika sy handresy ny fahafatesana amin’ny alalan’ny fitsanganana amin’ny maty. Nahafantatra isika fa raha mametraka ny finoantsika Aminy ary mankatò ny teniny sy manaraka ny ohatra nasehony, dia hasandratra ary ho lasa tahaka ny Raintsika any an-danitra. Hahazo ny fahafenoan’ny fifaliana isika.

  • Tanisao ny sasany amin’ireo toetran’ny Ray any An-danitra. Ahoana no fomba hanampian’ny drafitry ny famonjena antsika mba hananana ireo toetra ireo?

Soratra Masina Fanampiny