Boky sy lesona
Toko 26: Sorona


Toko 26

Sorona

Sary
Jesus Christ depicted in red and black robes. Christ is talking to a rich young man. Christ has His arms extended as He gestures toward a poorly dressed man and woman. The painting depicts the event wherein Christ was approached by a young man who inquired of Christ what he should do to gain eternal life. Christ instructed him to obey the commandments and to give his wealth to the poor and follow Him. The young man was unable to part with his wealth and went away sorrowfully. (Matthew 19:16-26) (Mark 10:17-27) (Luke 18:18-27)

Ny Dikan’ny hoe Sorona

Ny dikan’ny hoe sorona dia ny fanomezana ny Tompo izay mba takiany amin’ny fotoananao sy ny fanananao ary ny herinao mba hampandrosoana ny asany. Nanome didy ny Tompo hoe: “Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany” (Matio 6:33). Ny fahavononantsika hahafoy zavatra dia mariky ny fahafoizan-tenantsika ho an’Andriamanitra. Notsapaina sy nosedraina foana ny olona mba hahitana raha hametraka ho lohalaharana ny sitrapon’Andriamanitra izy ireo.

  • Nahoana no zava-dehibe ny mahafoy ny zavatra izay angatahan’ny Tompo ary tsy manantena tambiny?

Efa Nampiharina Hatrany amin’ny Andro Fahiny ny Lalàn’ny Fanaovana Sorona

  • Inona no dikan’ireo sorona nataon’ny vahoakan’ny fanekempihavanan’ny Tompo fahiny?

Hatramin’ny fotoana niainan’i Adama sy Eva ka hatramin’ny fotoana niainan’i Jesoa Kristy dia nampihatra ny lalàn’ny fanaovana sorona ny vahoakan’ny Tompo. Nodidiana izy ireo mba hanolotra ireo voalohan-teraky ny biby fiompiny. Tsy maintsy biby tena tsara tsy misy kilema izany. Izany ôrdônansy izany dia natao mba hampahatsiahy ny olona fa i Jesoa Kristy, izay Voalohanteraky ny Ray, dia ho avy eto an-tany. Ho tonga lafatra eo amin’ny lafiny rehetra Izy, ary hanolotra ny tenany ho sorona ho an’ny fahotantsika. (Jereo Mosesy 5:5–8.)

Tonga tokoa i Jesoa ary nanolotra ny tenany ho sorona, araka izay efa nolazaina tamin’ny olona. Noho ny sorona nataony, dia ho voavonjy amin’ny fahafatesana amin’ny alalan’ny Fitsanganana amin’ny maty ny olona rehetra ary afaka hovonjena amin’ny fahotany amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesoa Kristy (jereo ny toko 12 ao amin’ity boky ity).

Ny sorompanavotan’i Kristy no mariky ny fiafaran’ny fanaovana sorona amin’ny alalan’ny fandatsahan-dra. Izany sorona aseho ety ivelany izany dia nosoloina tamin’ny alalan’ny ôrdônansin’ny fanasan’ny Tompo. Ny ôrdônansin’ny fanasan’ny Tompo dia natao mba hampahatsiahy antsika ny sorona lehibe nataon’ny Mpamonjy. Tokony handray matetika ny fanasan’ny Tompo isika. Ny mofo sy ny rano dia mampahatsiahy antsika ny vatana sy ran’ny Mpamonjy, izay nalatsany ho antsika (jereo ny toko 23 ao amin’ity boky ity).

  • Nahoana no raisina ho toy ny sorona lehibe sady farany ny Sorompanavotana?

Tsy Maintsy Mbola Mila Manao Sorona Isika

  • Ahoana no fomba hanajantsika ny lalàn’ny fanaovana sorona ankehitriny?

Na dia tapitra aza ny fanaovana sorona amin’ny alalan’ny fandatsahan-dra, dia mbola mangataka antsika hanao sorona ihany ny Tompo. Saingy mangataka karazana fanatitra hafa izy amin’izao fotoana izao. Hoy izy hoe: “Tsy hanatitra fandatsahan-dra ho Ahy intsony ianareo; … [ary] ny fanatitrareo odorana dia hitsahatra. … Ary haterinareo ho sorona ho Ahy ny fo torotoro sy ny fanahy manenina.” (3 Nefia 9:19–20). Ny hoe “fo torotoro sy fanahy manenina” dia midika hoe manolotra ny alahelontsika lalina noho ny fahotantsika isika rehefa manetry tena sy mibebaka noho izany.

Tokony ho Vonona ny Hahafoy ny Zavatra Rehetra izay Ananantsika ho an’ny Tompo Isika

  • Nahoana no vonona ny hahafoy zavatra ny olona?

Ny Apôstôly Paoly dia nanoratra fa tokony ho lasa fanatitra velona isika, izay masina sy sitrak’Andriamanitra (jereo Romana 12:1).

Raha te ho fanatitra velona isika dia tsy maintsy vonona ny hanome ny zavatra rehetra ananantsika ho an’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany—mba hanangana ny fanjakan’Andriamanitra eto an-tany ary hiasa ho fanorenana an’i Ziona (jereo 1 Nefia 13:37).

Nanontanian’ny mpanankarena iray ny Mpamonjy hoe: “Inona no hataoko handovako fiainana mandrakizay?” Dia novalian’i Jesoa hoe: “Fantatrao ny didy hoe: Aza mijangajanga, aza mamono olona, Aza mangalatra, Aza mety ho vavolombelona mandainga, Manajà ny rainao sy ny reninao.” Dia hoy ilay lehilahy mpanankarena hoe: “Izany rehetra izany dia efa notandremako hatry ny fony aho mbola kely.” Rehefa nandre izany i Jesoa, dia hoy Izy: “Mbola diso zavatra iray loha ianao: amidio ny fanananao rehetra, ka zarao ho an’ny malahelo, dia hanana rakitra any an-danitra ianao; ary avia, manaraha Ahy.” Rehefa nandre izany ralehilahy dia nalahelo. Tena nanankarena izy ary nanankina ny fony tamin’ireo harenany. (Jereo Lioka 18:18–23; jereo koa ny sary ao amin’ity toko ity.)

Lehilahy tsara ilay mpanankarena vao herotrerony. Saingy nony nosedraina izy, dia tsy vonona ny hahafoy ny fananany. Tetsy ankilany anefa, dia vonona ny hahafoy ny zava-drehetra ho an’ny fanjakan’Andriamanitra i Petera sy Andrea mpianatry ny Tompo. Hoy i Jesoa tamin’izy ireo, “Andeha hanaraka Ahy, … Dia nandao ny harato niaraka tamin’izay izy ka nanaraka Azy” (Matio 4:19–20).

Toy ireo mpianatra ireo dia afaka manolotra ny asa ataontsika isan’andro ho toy ny sorona ho an’ny Tompo isika. Afaka miteny isika hoe: “Hatao anie ny sitraponao.” Nanao izany i Abrahama. Niaina teto an-tany talohan’i Kristy izy, tamin’ny fotoana nitakiana ny fanaovana sorona ny biby sy fanatitra odorana. Ho fitsapana ny finoan’i Abrahama, dia nodidian’ny Tompo izy mba hanao sorona ny zanakalahiny Isaka. Isaka irery ihany no zanak’i Abrahama sy Saray. Ilay didy mba hanolotra azy ho sorona dia faran’izay mafy ho an’i Abrahama.

Na dia izany aza dia nanao dia lavitra nankany amin’ny tendrombohitra Moria izy sy Isaka, izay toerana nasaina nanaovana ny sorona. Nanao dia nandritra ny telo andro izy ireo. Alaivo sary an-tsaina ny eritreritr’i Abrahama sy ny alahelony. Hatao sorona ho an’ny Tompo ny zanakalahiny. Rehefa tonga teo an-tendrombohitra Moria izy ireo, dia nentin’i Isaka ny kitay ary nentin’i Abrahama ny afo sy ny antsy mba ho apetraka eo amin’ilay toerana hanaovana ny alitara. Hoy i Isaka hoe: “Ry ikaky ô! … Indreto ny afo sy ny kitay; fa aiza kosa izay ondry hatao fanatitra odorana?” Novalian’i Abrahama hoe: “Anaka, Andriamanitra no hahita izay ondry hatao fanatitra odorana.” Dia nanamboatra alitara i Abrahama ary nametraka ny kitay teo ambonin’izany. Nofatorany i Isaka ary napetrany teo ambonin’ny kitay. Dia noraisiny ilay antsy hamonoana an’i Isaka. Nisy anjelin’ny Tompo nanakana azy tamin’izay fotoana izay ary nilaza hoe: “Ry Abrahama … aza maninjitra ny tananao amin’ny zazalahy, ary aza maninona azy akory ianao; fa hitako izao fa matahotra an’Andriamanitra ianao, ka tsy narovanao tamiko ny zanakao, dia ny lahitokanao.” (Jereo Genesisy 22:1–14.)

Tsy maintsy tena feno hafaliana izay i Abrahama rehefa tsy notakiana mba hanao sorona ny zanakalahiny intsony izy. Saingy tia ny Tompo loatra izy ka vonona ny hanao izay angatahany rehetra.

  • Inona avy ireo ohatra momba ny fahafoizan-tena hitanao teo amin’ny fiainan’ny olona fantatrao? Inona avy ireo ohatra momba ny fahafoizan-tena hitanao teo amin’ny fiainan’ny razambenao? teo amin’ny fiainan’ireo mpikamban’ny Fiangonana tany am-piandohana? teo amin’ny fiainan’ireo olona ao amin’ny soratra masina? Inona no zavatra nianaranao avy tamin’ireo ohatra ireo?

Manampy Antsika Hiomana mba Hiaina eo Anatrehan’Andriamanitra ny Fahafoizan-tena

Amin’ny alalan’ny fahafoizan-tena ihany no ahafahantsika ho lasa mendrika ny hiaina eo anatrehan’Andriamanitra. Amin’ny alalan’ny fahafoizan-tena ihany no ahafahantsika mahazo ny fiainana mandrakizay. Olona maro talohantsika no efa nahafoy ny zavatra rehetra nananany. Tokony ho vonona ny hanao izany isika raha te hahazo koa ireo valisoa marobe izay azon’izy ireo.

Mety tsy angatahana mba hamoy ny zava-drehetra isika. Nefa toa an’i Abrahama, dia tokony ho vonona ny hahafoy ny zava-drehetra isika mba ho mendrika ny hiaina eo anatrehan’ny Tompo.

Nanao sorona be dia be sy tamin’ny fomba maro foana ny vahoakan’ny Tompo. Nisy ireo nisedra fahoriana sy fanarabiana noho ny filazantsara. Misy ny sasany amin’ireo mpikambana vaovao ao amin’ny Fiangonana no nolavin’ny fianakaviany. Nihataka ireo namana hatrizay. Misy mpikambana sasany very asa ary ny sasany namoy ny ainy. Saingy hitan’ny Tompo ny sorona nataontsika ary mampanantena Izy hoe: “Ary izay rehetra efa nahafoy trano, na rahalahy, na rahavavy, na ray, na reny, na zanaka, na tany, noho ny anarako, dia handray zato heny ka handova fiainana mandrakizay” (Matio 19:29).

Rehefa mitombo ny fijoroantsika ho vavolombelona momba ny filazantsara, dia lasa afaka ny hahafoy zavatra lehibe kokoa ho an’ny Tompo isika. Diniho ny fahafoizan-tena ao anatin’ireto ohatra marina ireto:

Notehirizin’ny mpikamban’ny Fiangonana iray tany Alemana nandritra ny taona maro ny fahafolonkarenany mandrapahatongan’ny olona nanana ny fahefan’ny fisoronana iray afaka naka sy nanaiky izany.

Nanompo nandritra ny 30 taona ny mpamangy isan-tokantrano iray tao amin’ny Fikambanana Ifanampiana ary tsy mba nijanona tsy nanao izany izy na indray mandeha aza.

Nandeha fiara fitateram-bahoaka nandritra ny telo andro sady nitsangana ny vondron’ny Olomasina iray tany Afrika Atsimo, mba hihaino sy hahita ny mpaminanin’ny Tompo.

Tany amin’ny fihaonambem-paritra tany Mexique, dia natory tamin’ny tany sy nifady hanina nandritra ireo andron’ny fihaonambe ny mpikamban’ny Fiangonana. Nolanian’izy ireo mba hahatongavana fotsiny any amin’ilay fihaonambe ny volany rehetra ary tsy nanam-bola intsony ho an’ny sakafo sy ny toerana ipetrahana izy ireo.

Namidin’ny fianakaviana iray ny fiarany mba hahazoana ny vola tadiavin’izy ireo hanampiana ny petra-bola ho an’ny fananganana tempoly iray.

Namidin’ny fianakaviana iray hafa ny tranony mba hahazoana vola handehanana any amin’ny tempoly.

Maro ireo Olomasin’ny Andro Farany mahatoky no kely fidiram-bola hivelomana, nefa mbola mandoa ny fahafolonkarenany sy ny fanatitry ny fifadian-kaniny ihany izy ireo.

Namoy ny asany ny rahalahy iray satria nandà tsy hiasa Alahady izy.

Tao amin’ny sampana iray, dia nanolotra malalaka sy tamim-pahavononana ny fotoanany ny tanora mba hikarakarana ireo ankizy rehefa manampy amin’ny fanorenana ny trano fiangonana ny ray aman-dreniny.

Manajanona ny fahafahana mahazo asa tsara, na ny fianarana, na ny fanatanjahantena ny zatovolahy sy zatovovavy mba ho misiônera.

Maro ireo ohatra azo omena momba ireo izay nahafoy zavatra ho an’ny Tompo. Ka ny toerana iray any amin’ny fanjakan’ny Raintsika any An-danitra dia mendriky ny fahafoizana ny fotoanantsika, ny talentantsika, ny herintsika sy ny volantsika ary ny fiainantsika izay tsy maintsy ataontsika. Amin’ny alalan’ny fahafoizan-tena dia afaka mahazo fampahafantarana avy amin’ny Tompo isika fa ekeny (jereo F&F 97:8).

  • Nahoana araka ny eritreritrao no misy ifandraisany amin’ny fahavononantsika hampiseho fahafoizan-tena ny fahavononantsika hiaina eo anatrehan’Andriamanitra?

Soratra Masina Fanampiny

  • Lioka 12:16–34 (Izay itoeran’ny harena, dia ho any koa ny fo)

  • Lioka 9:57–62 (fahafoizan-tena atao mba ho mendrika ny fanjakana)

  • F&F 64:23; 97:12 (izao fotoana izao no andron’ny fahafoizan-tena)

  • F&F 98:13–15 (Ireo izay mahafoy ny ainy ho an’ny Tompo dia hahazo izany indray)

  • Almà 24 (Naleon’ny vahoakan’i Amôna nanao sorona ny ainy toy izay handrava ny fanekempihavanana natao tamin’ny Tompo)